Entrée Ny fiaraha-monina
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Razafiniaina Charlotte, 1951/03/02
Texte 
Ny fiaraha-monina
Hono, ray tatamo tetezin-tsahona,
ray voahirana atopan' alona,
ray harefo alamaky ny omby,
lany ve, hono, ny hambo
no ny ratsy no manitsa-doha,
ny malemy no be fila kisa,
ny donendrina no avy manitsaka?
Ny sahona nitety dia nietaketaka,
ny alona tsy viza-manositosika;
ary ny omby bada be sady miraoka no manosihosy.
Sao dia efa maty hasina, hono,
ka hitsahin' ny amboalambo,
sao dia efa very haja
ka kibilabilain' ny malemy tsy azo!
Ry tatamo ravaky ny farihy,
ry voahirana aman-karefo endriky ny kamory,
raha tsontsam-paika ka matim-bela,
raha diso hanta ka fisaka ondana,
dia aza manabolasy tena
fa tsarovy ny hajan' ny razana!
Tsy mbola nisy sahona natao haingon-kamory,
fa ny tatamo ihany no betsimihilana
ary ny voahirana ihany no fehilohan-jatovo.
Tsy taitra, hono, kanefa taitra ihany,
fa manindrona am-bavafo ny tafasiry.
Na nanonja nanaitra fotaka aza, hono, izany rano,
tsy mbola nisy tatamo fefika,
na voahirana resin' alona.
Ny harefo milefolefo aza
mbola henjanin' ny efitra solon-taolany,
ka mbola azon' ny tsindretra
sy ny tsindrano ifikirana tsara be.
Ny boka, hono, no atoka-monina
ka izay mitady tsy ho voakasika raha mbola ety
dia efa nanoman-tena ho amiana,
ka izay mikasika an' io: ilay boka!
Tsy ny tatamo amana voahirana, hono,
no fanambonin-javatra.
Ary tsy ny sahona aman' ondrindrano
no fara faikampaikany
fa fiaina-mananjina ny fiaraha-monina
ka tsy azo entina an' avona.
Koa izay tsy mahalefitra ny halemen' ny hafa
dia hanjary tatamo ri-drano,
mitalapetraka am-potaka ka sady mavo no lo.
Koa raha ny fifandraisana amin' ny mpiara-monina
no anakilasiana anay ho mietry, dia ahoana àry:
hisinda eny Ankaratra ve tsy hiharo
ka hanjary paraky tsy mila ny laro?
Ny tongotra anefa aza mila kiraro,
ka ho aiza raha hiala amin' ny be sy ny maro?
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/04/02