| Texte |
6 Lasa ny fahavaratra.Tany hafa sy fo hafa no irotsahany ankehitriny.Eo am-pitsinjovana an' iny tonon-taona1 anankiray iny, inona no tonga ao an-tsaina?
7 Ny sarin' ny fiainana, ny sarin' ny adin' ny fiainana.Ny maraina fanantenana, ny antoandro ahiahy, ny hariva ranomaso.Nony ampitso, dia tonga indray ny maraina.Dia toy izany hatrany hatrany.
8 Fa ankehitriny, indro tonga ny ririnina.Inona kosa re no sary asehon' ity tonon-taona ity? Jereo ny rahon' ny habakabaka fa mbola mety manopy manja ihany;toa endriky ny fahavaratra tsy mbola tapitra;ny erika koa indreny mifafifafy mahavonto, toa sarin' ny oram-pahavaratra nohanifisina;ny rivotra koa injany mifofofofo, ka na tsy mitondra ireo oram-baventy aza, dia mivimbim-panala mahangoly.
9 Raha izany no zohina an' eritreritra, ka ampiana an' izato fisovoky ny ririnina miandalana, izay samy hafa dia samy hafa lavitra amin' ny fahatampoky ny fiavian' ny fizaran-taona namany, dia tsy inona fa fahavaratra kely, fahavaratra farany, fahavaratra antitra ny ririnina.Ary tahaka ny "fiafarana" sy ny "fahanterana " rehetra, dia andron' ny fahanginana sy fieritreretana.
10 Dia indro fa toa feno fahanginana sy fieremam-panahy ny fanirian' ny endro ririnina.
11 Mitambatra ireny ka manjary oriory ny fo, mitambolina ny alahelo.
|