| Entrée (1/2) | 1 ririnina | 
| Partie du discours | 2 nom | 
| Explications en malgache | 
3 Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) [1.1] | 
| Explications en anglais | 
4 winter, the cold and dry season [1.7] | 
| Explications en français | 
5 l'hiver, la saison froide et sèche [1.8] | 
| Exemples | 
6 natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina.
[2.470] 
 7 Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]  | 
| Morphologie | 
  | 
| Dérivés | 
  | 
| Vocabulaire | 12 Temps 13 Géographie: (en général) | 
| Synonymes | 14main-tany | 
| Analogues | 15 fahavaratra, 16 fararano, 17 lohataona | 
| Tous les mots composés | 1813 combinaisons de ce mot | 
| Proverbes | 19 Proverbes contenant ce mot | 
| Entrée (2/2) | 20 Ririnina | 
| Mots élémentaires | 21ririnina | 
| Partie du discours | 22 nom propre (titre de poème) [Liste complète] | 
| Vocabulaire | 23 Littérature: poèmes | 
| Auteur | 
24Andrianjatovo Haëckel | 
| Texte | 
25 Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga 
 26 No be sorisory sy maloka lava? 27 Somparan'ny rahona ka tsy mitranga 28 Ny fara-masoandro natao hanazava 29 30 Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo 31 Ny vony mivelatra, radon'ny saha? 32 Finaokan'ny rivotra fa efa malazo 33 Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha 34 35 Mangina ny feo mikotaba ao an'ony 36 Fitopa malefaka sy eri-mitaika 37 No reko mahalana, tony dia tony 38 Nankaiza ny riana mahery fiantraika? 39 40 Ny tampon-tanety nahoana no ngazana? 41 Ny tendron-kavoana no mangadihady? 42 Mahaiza mandinika rehefa mitazana 43 Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady 44 45 Izany ka izany no tsy andrenesana 46 Ny vazon'ny vorona zatra mihira 47 Matahotra hatsiaka sy fahafatesana 48 Ka lasa mihataka arý an-dakira 49 50 Izany ka izany no tsy ahitana 51 Aina marisika, vonon-kiasa 52 Ny andro kanefa dia mbola hafana 53 Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa  | 
| Anagrammes | 54 Ririnina, ririnina | 
| Mis à jour le 2025/11/03 | 
 |