Entrée | 1 Tsy embona |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 tsy, embona |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rabearivelo Jean-Joseph |
Texte complet |
6 Tsy mba zavatra vao, 7 Fa tena fahita hatramin'ny ela 8 Ny tahaka izao: 9 Raha ritra ny rano, ny sisa tavela 10 Dia fotaka monja - 11 Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja! 12 Ny hany fitana: 13 Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana. 14 Hany ka ana 15 Ilay fo manantena firavoravoana 16 Hatrany hatrany, 17 Ka heriny sisa, nisotro tomany! 18 Kanefa, hoy aho, 19 Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry 20 Na ran'ny talaho 21 No tonga nameno impiry, impiry 22 Ilay fo nitadidy- 23 No tonga nameno kapoaka mangidy! 24 Fa hany nandoko, 25 Dia volon-davenona hilaza fa maty 26 Ilay afon'ny foko 27 Nitsilo ny lakana nita tanatin' 28 Ny fahatsiarovana 29 Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana! 30 O! rivotra adala 31 No sendra nandalo nanao tora-javona! 32 Nony efa niala, 33 Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona... 34 Ka inona foana 35 No tonga nanairany fanadinoana? 36 Etsetra, etsetra... 37 Dia inty aho tody fitana hafa indray; 38 Ary tsy mba hitsetra 39 Raha sendra miverina ilay fiainana iray 40 Izay lasan'ny taona 41 Nitoeran'ny foko efa nanala saona! 42 Nikoro! Nifono 43 Lavenona manja ny andro fahiny! 44 Mivolon-dronono 45 Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny! 46 Ry fahatsiarovana, 47 Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana! 48 Tena zavatra vao 49 Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela 50 Ny torak'izao: 51 Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela, 52 Na fotaka monja! 53 Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |