|
|
|
|

Entrée (1/3)1 embona
Partie du discours  2 nom
Explications en malgache  3 fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana [1.1]
Explications en anglais  4 sigh [1.209]
Explications en français  5 regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Exemples  6 Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314]
7 Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356]
8 Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529]
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes passifs :
Verbes relatifs :
Noms :
Vocabulaire  18 Emotions
Analogues  19 hanina

Entrée (2/3)20 embona
Partie du discours  21 nom
Explications en français  22 flotter [Tankarana] [1.19]
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes relatifs :

Entrée (3/3)25 Embona
Mots élémentaires  26embona
Partie du discours  27 nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  28 Littérature: poèmes
Auteur  29Razafindrafidy Bien-Aimé
Texte complet  30 Midona malefaka ery Ankaratra,
31 vaky tsipelana ny eny Anjafy.
32 Midona kanefa tsy fahavaratra,
33 fa erika kely no re mifafy.

34 Lanitra soa, tomarataratra,
35 otronin'ny rahona mitsitoko,
36 kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
37 zary manjombona sy manjoko.

38 Ankaratra ô! nahoana kosa,
39 manembona ve ilay nisaraka,
40 ka ny tolokony miavosa
41 eo aminao no te-hiraraka?…

42 Raha manina izy ka mitomany,
43 lalim-pisento fa te-hiverina,
44 asaivo mitony hangina ihany
45 fa toraka izany'lay eto Imerina!

46 Ny sentom-pony raha tonga fatra
47 - ka indro mandrotika ny fanahy -
48 aoka hionona fa ny ratra
49 iombonako aminy lavitra ahy!

50 Tsy oram-baratra no midona, fa
51 fo feno hanina no miteny,
52 ka ny vetsom-panahiny kely foana
53 tsy sasa-mivezika sy manjeny.

54 Eny, ry rahona ery Ankaratra!
55 ry rahona fotsy iaraha-mijery,
56 meteza ianao mba ho fitaratra
57 hampita ny sarin'ilay miery.

58 Vaky tsipelana ve Anjafy
59 ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
60 Raha izy misento ka mafimafy,
61 ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrammes  62 ambeno, 63 ambone, 64 añombe, 65 bomena, 66 Embona, embona, 67 mañebo

Mis à jour le 2025/11/03