|
|
|
|

Entrée1  Tsy hitony tsy akory
Mots élémentaires  2 tsy, 3 mitony, 4 akory
Partie du discours  5  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  6  Littérature: poèmes
Auteur  7 Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet  8 
9  Na dia misy olon-tiana
10  Hanakely ny mahory,
11  Sy hitondra hafaliana -
12  Tsy hitony tsy akory !

13  Na dia misy anjely soa
14  Hanafoana sorisory,
15  Sy hamalifaly koa -
16  Tsy hitony tsy akory

17  Na dia manan-kery aza
18  Ny fitia mamorivory,
19  Dia sahiko ny milaza:
20  Tsy hitony tsy akory !

21  Tsy hitony tsy akory
22  Fa diso ny finoana
23  Ry raozy e, esory
24  Ny tsilo manoloana.

25  Tsy hitony tsy akory
26  F' efa diso fanantena !
27  Ny foko avela hatory,
28  Hanadino e, ry sena !

29  Eny indrisy ! tsy hitony
30  Fara hery : manadino.
31  Fa ny tsy ho tia intsony
32  'Zany kosa, aza mino !

Mis à jour le 2025/11/17