|
|
|
|

Entrée1  Vavaka ho an' ilay mpandalo
Mots élémentaires  2 vavaka, 3 ilay, 4 mpandalo
Partie du discours  5  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  6  Littérature: poèmes
Auteur  7 Raharolahy Mamy
Editions  1960/01.
Texte complet  9  [CR]
10  Renin-jaza iny mihazakazaka iny, mitrotro zazakely.
11  Marary Ibeby kely, Ibeby tena tiany naman'ny Anjely!
12  Ny tebitebim-pony izany reko izany he mihasohaso
13  Mivavabavaka izy, sady mitomany mitelin-dranomaso.
14  Mitaraina Ibeby anaty lambany ao, mainka koa indreny
15  Mipatraka mijoy fa feno mitatao ny ranomason-dreny.
16  " Tompo, tahio iny renin-jaza iny, sombin'ainy koa;
17  Ny vavaka tononiny anaty fahoriany, henoy, ry Tompo soa!
18  Ianao no nanome ny zaza hifaliana ho kilalaon'ny reny.
19  Ianao no mahavonjy, lanao no iangaviana ra'marary ireny;
20  Tahio ny Dokotera izay halehany any hahita izay hatao,
21  Ianao no mpanazava ny saina ety an-tany k'aza dia mandao " .
22  Nony ampitso anefa, indrisy! fa iny ilay reny tazako nandalo
23  Mitafy sisika ila misaraka aman-teny, mimalo dia mimalo.
24  Ny sandriny ô! indrisy! tsy mitrotro intsony, fa iny eroa aloha
25  Lanjain'ny olon-droa ilay silaky ny fony mandry tsy hifoha.
26  Ry Tompo, Ianao no naka rahefa nanome iny zanak'olona iny!
27  Hankininy aminao ny fahoriany anie mba hisy hitsikiany!

Mis à jour le 2025/11/13