Entrée | 1 Vetson' ny manina |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 vetso, manina |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rakotomalala-Rabarijaona Louis |
Texte complet |
6 Eritreritra miampita no manainga ny vinany 7 Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana, 8 Ka ny foko manina azy dia misentosento foana, 9 Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany. 10 Eritreritra miampita no manintona ny foko 11 Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro; 12 Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsiaro, 13 Lavitra azy ka voarakotry ny sento sy toloko. 14 Eritreritra miampita ho ao an-tanin-dray sy reny 15 No manetsika ny saiko mba hisidina mankany, 16 Ka ny sorisory lava'zay namelona tomany 17 Toa hisolo fifaliana hoy ny nofinofiko eny. 18 Eritreritra miampita no miserana mandalo 19 Toy ny rivotra mahery'zay misafo ny tanety, 20 Ka tsy hay arahi-maso fa mimaona vetivety 21 Mba hamangy'lay akany'zay tsy foiko hatakalo. 22 Eritreritra miampita'zay tsy sitram-panafody 23 No mibitsika mangina sy tsy levona ao an-tsaiko, 24 Ka na zovy hampitony dia tsy mety miandry baiko 25 'Zany vetsom-poko'zany f'efa mamy'zao ny mody. 26 Eritreritra miampita toa hamafa ranomaso 27 No manafotra hatrany'zany foko tsy tamana, 28 Te-hahita'lay akanin-dray sy reny fihantana, 29 Fa voairaky ny vintana sy zara be ankaso. 30 Eritreritra miampita ho any ambadiky ny bonga 31 No mamaky habakabaka ao an'efitra mangina; 32 Nofy ihany nefa izany ka ho foana sy ho sina, 33 Na dia velom-paniriana sy mirary ny ho tonga. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |