Entrée | 1 Voninkazo taratasy |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 voninkazo, taratasy |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rajaobelison Samuël |
Texte complet |
6 Dodona aho hanimbolo 7 F'efa babony tontolo, 8 Kanjo he! mangasihasy! 9 Voninkazo taratasy! 10 Ny voninkazo-Nanahary 11 Ve tsy nisy? ka inona àry, 12 Ka inona no nanolorana 13 'Ty voninkazo torantorana? 14 Karazan-doko mahakofona 15 Fa tsy hanitra na fofona, 16 Nony'njay atao an-tratra: 17 Henjankenjana mandratra. 18 Samy voninkazo ihany: 19 Ny iray velomin-tany, 20 Dokadoka, lenodenoka, 21 Misy fofo-maharenoka! 22 Samy voninkazo ihany: 23 Ny iray namboarina any ho any 24 Lafo vidy, sarotsarotra, 25 Entam-barotra! entam-barotra! 26 Samy fotsy, samy mena, 27 Samy ngita raha jerena. 28 Ny iray, fahaizana hosodoko; 29 Ny iray, kilalaon'ny foko! 30 Eto an-tany koa dia misy 31 Toerana amboarina indrisy! 32 Maka tahaka ny lanitra, 33 Nefa tsisy fofo-manitra. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |