|
|
|
|

Entrée (1/2) 1  amena
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany [1.1]
Exemples  4  Vita ny amena, dia tapitra ny ainy. [2.649#208]
5  Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996]
Vocabulaire  6  Religion et Liturgie
Combinaisons  7  1 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot amena

Entrée (2/2) 8  Amena
Mots élémentaires  9 amena
Partie du discours  10  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  11  Littérature: poèmes
Auteur  12 Raoely James
Texte complet  13 
14  Tsy avona akory no mitondra
15  iny rahona iny hisavoana,
16  Fa mba toa azy koa ny foko,
17  maniry hisondrotra ambony!

18  Tonga ny taona vaovao
19  mitondra hira mavokely
20  hokaloin'ny voron'alina,
21  sombinaiko ô, mifohaza!

22  Avelao ny alahelo sy ranomaso
23  hoentin'ny reniranom-panadinoana,
24  Fa misy kintana iray baliaka
25  toy ny masonao diavolana,
26  hitarika antsika ho teraka indray
27  ao amin'ny fanantenana vaovao.

28  Amin'ny tany triatran'ny ririnina
29  no hamelatra indray ny voninkazo.

30  Sombinaiko ô, iriko ho anao
31  taona iray feno hanitra sy hira.
32  Iriko ho anao lanitra menafify
33  hampialona ny laoranjy masaka,
34  sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
35  toy ny vavaky ny ankizy hatory.
36  Iriko ho anao ny fotoana mamy
37  hiverenan'ireo lasan-davitra;
38  ary ny tanana iray malefadefaka
39  hitondra safosafo eo an-dohanao
40  mivesatra ny onjan'ny tany.

41  Dia hiarahantsika manandratra
42  Ny Amena fiton'ny fitiavana .

Anagrammes  Amena, amena, 43 Anema, 44 mañea

Mis à jour le 2026/10/18