|
|
|
|

Entrée 1  fahaizana
Radical  2 hay
Partie du discours  3  nom
Morphologie 
4  Simple :
5  Préfixée :
Explications en malgache  6 Zavatra hay, fantatra: Olona be fahaizana, hono, iny tovolahy iny
7 Fahalalana voafototra ary ara-tsaina mikasika zavatra iray: Ny fahaizana momba ny marika
8 Fahafahana manao zavatra: Ny fahaizana mamaky teny sy manoratra
9 Hakingana: Nampiseho fahaizana lehibe izy tamin' izany raharaha izany
10 Fitambaran' ny fahalalana takatry ny sain' ny olombelona mikasika ny zavaboary, ny lalàna mifehy ny zavaboary, sns., izay hitan' ny olo-mahay ombieny ombieny, ka mahatonga ny fiainan' ny taranak' olombelona handroso hatrany: Na manao ahoana na manao ahoana, tsy hahafoana an' Andriamanitra akory ny fahaizana satria ny zavatra nataon' Andriamanitra ihany no dinihiny sy fakafakainy. [1.1]
Explications en anglais  11 ability [1.2, 1.7]
12 cleverness, competency to do anything. Sometimes pronounced fahahaizana. [1.2]
13 skill [1.7]
Explications en français  14 capacité, habilité [1.8]
15 savoir [1.13]
Exemples  16  Hay ny fahalalana sy ny fahaizana mety miray dia amin' ny halozana! [2.472#247]
17  Tsy mahay taratasy I Lidy ary tafatsatoka tao an-tsainy ny lanjan' ny tsy fahaizany. [2.470#166]
Combinaisons  18  8 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot fahaizana

Anagrammes  fahaizana, 19 fahiazana, 20 ifahazana

Mis à jour le 2026/04/19