|
|
|
|

Entrée (1/2) 1  indro
Partie du discours  2  adverbe [Liste complète]
Explications en malgache  3 Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao [1.1]
Explications en anglais  4 behold! Lo! Here! This is it! See indry. [1.2]
5 behold! look! there he (she, it) is! [1.7]
Explications en français  6 voici, voilà [1.3#280]
7 le (la) voilà [1.8]
Exemples  8  indro ny volanao. [2.4#77]
9  indro avereno izy! [2.298#129]
Combinaisons  10  1 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot indro

Entrée (2/2) 11  Indro
Mots élémentaires  12 indro
Partie du discours  13  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  14  Littérature: poèmes
Auteur  15 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  16 
17  Indro ny Zanakavavin’ny Alina
18  Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina…
19  ‘Ndeha handro izy iny…

20  Ny volony lava toa setroka oly,
21  Ny maso baliakany toa hanangoly…
22  Mandrendri-bahiny!…

23  Mba mahina angaha sao misy mahita
24  Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita
25  dia indro tokoa…

26  Ingahy masoandro misalotra mena
27  malaina handao an’ity fijerena
28  An-dRavolana soa!…

29  Dia indro fa nihaona ny masony roa
30  Ka menatra indrindra Ravolana soa
31  Noraisiny haingana

32  ‘lay rahona kely mba sendra nandalo
33  ho enti-manafy an’ity tena mimalo
34  tsy ho hita mivaingana…

35  Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava…
36  Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava!
37  …Dia tena nitranga!

38  Nisosa malako, nandeha nilomano
39  namaky ny ony ‘zay manganohano:
40  Ny lanitra manga!

Anagrammes  Indro, indro, 41 ondry

Mis à jour le 2026/10/21