|
|
|
|

Entrée (1/3) 1  lazaina
Radical  2 laza
Partie du discours  3  verbe passif
Morphologie 
4  Préfixée :
5  Présent :
6  Passé :
7  Futur :
8  Impératif :
Explications en malgache  9 ambara, aseho amin'ny teny: Izao no lazaiko aminareo [1.1]
Explications en anglais  10 to be said [1.2, 1.7]
11 to be told [1.2]
12 to be reported [1.7]
Explications en français  13 qu'on dit [1.3#394, 1.8, 1.5, 1.6]
14 qu'on publie [1.3]
15 dont on rend compte [1.8]
Exemples  16  Nolazaiko azy fa nividy sambolay kelikely aho [2.471#48]
17  Izao no lazaiko aminareo (Voici ce que j' ai à vous dire) [1.3]
18  aza lazaina ho manina aho / fandrao ataony dia manadina [2.131]
19  Filazana toetra saro-dazaina, fa misy injay injay kely, tsy dia tsara loatra [2.643#211]
20  Angaha misy izany valopolo lazainao izany akory ny vola mba natolony anay! [2.472#100]
21  Aza fady, lazao kely azy fa te-hiresaka aminy aho (Dites-lui, s' il vous plaît, que je désire lui parler) [2.430]
22  Filazana toetra saro-dazaina, fa misy injay injay kely, tsy dia tsara loatra. [2.643#211]
23  Tsy afaka niverin-kariva intsony Randrianaivo, fa reraka loatra, ka niandry izay zavatra holazain' Ilaimanga [2.324]
24  Lazainay azy fa tandremanay tsara ny asanay (Nous lui disons que nous faisons bien attention à notre travail) [2.430]
25  lazain' ny lovan-tsofina fa izay efa nigoka tamin' ny ranon' i Manangareza, hono, tsy maintsy miverimberina ao Toamasina foana, na aiza na aiza toerana onenany [2.471#13]
Combinaisons  26  7 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot lazaina
Proverbes  27  Proverbes contenant ce mot

Entrée (2/3) 28  lazaina
Radical  29 laza
Partie du discours  30  nom
Explications en français  31 sujet (grammaire) [1.5]
Vocabulaire  32  Linguistique

Entrée (3/3) 33  Lazaina
Mots élémentaires  34 lazaina
Partie du discours  35  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  36 vohitra iray isan-ny lehibe amin-Avaradrano, miorina tsy lavitra an-Antananarivo. Raha avy ao an-drenivohitra no miala ka manaraka ny lalana mianavaratra mankany Ambohimanga, rahefa tonga amin-ny kilaometatra faha-14 dia misy sampanan-dalana mivily miankandrefana, ary 1 km avy eo i Lazaina. Tamboho avo, voarafitra mafy no mamefy ny tanàna, ary maro ny trano vaventy ao. Nanan-daza io tanàna io noho izy niaviana komandy maro tamin-ny tany malagasy.
37 Tany am-boalohany (1400?) dia ny vohitra nantsoina hoe Amboniloha no nonenan-ny raza-ny mponin' Ilazaina.
38 Taty aoriana ela, tamin-ny fotoana nanjakan' Andrianjaka (1610-1630) dia nifindra ho eo amin-ny toerana natao hoe Antanifisaka izy ireo ary dia io no novàna anarana hoe Lazaina. Ary toy izao no voambara ho nahatonga izany: Nasain' Andrianjaka naka fonenana teo Andriampanarivomanga izay anisan' ireo zanany lahy. Indray andro raha nandeha ho any Ambohidrabiby ny mpanjaka dia nahatazana fa efa nifindra teo Antanifisaka Andriampanarivomanga zanany ka nanontaniany hoe: "Moa efa nolazaina izao fifindrana izao ?" -- "Eny, efa nolazaina", hoy ny mpamaly. Ka dia ataovy hoe: "Lazaina ary ny anaran' ny tanàna vaovao, satria efa nolazaina".
39 Eo amin' ny tantaran' ny Fiangonana Kristiana Malagasy dia manana ny toeram-boninahiny i Lazaina noho izy vohitra niavian-dRanivo maritiora, ilay zazavavy kely tsara tarehy nentina niaraka tamin' ireo maritiora navarina tao Ampamarinana, satria noheverina hivadika raha mahita ny namany nakodia, nefa tsy nety nivadika mihitsy. Notsarovana tamin' ny fomba manetriketrika tao Lazaina ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRanivo maritiora, tamin' ny 9 sy 10 oktobra 1954.
40 Ny Fiangonana protestantra ao Lazaina dia tafaorina tamin' ny taona 1863, ary nitokanana tamin' ny 1 novambra 1865. Nankalaza tamin' ny fivorian-dehibe tokoa ny faha-100 taonany ny fiangonana tamin' ny taona 1963 teo. [1.10]
Vocabulaire  41  Géographie: agglomérations
Autres orthographes  42 ilazaina, ilazaina
Illustrations 
43  44  45 

Anagrammes  46 ilazana, lazaina, Lazaina

Mis à jour le 2026/08/14