|
|
|
|

Entrée (1/2) 1  mitsikia
Radical  2 tsiky
Partie du discours  3  impératif du verbe actif mitsiky [Liste complète]
Explications en malgache  [1.1]
Explications en français  [1.3]
Combinaisons  4  1 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot mitsikia

Entrée (2/2) 5  Mitsikia!
Mots élémentaires  6 mitsikia
Partie du discours  7  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  8  Littérature: poèmes
Auteur  9 Andriamanantena Georges
Texte complet  10 
11  Mitsikia! Miràna endrika!
12  K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
13  ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
14  tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
15  Hatanjaho tsy ho rendrika !

16  F'efa hatrany am-piandohana
17  no nazava taminao fa ny volana handalo
18  ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
19  ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
20  ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
21  Tsiro manam-piafarana.

22  Ny fahendrena ve? Fantaro!
23  Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
24  Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
25  fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
26  nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
27  Ny toloko, atsaharo!

Anagrammes  28 masikity, 29 masitiky, 30 misitaky, Mitsikia!, mitsikia

Mis à jour le 2026/10/18