<-
->

Ezr / Esd 7:1 Now after these things, in the reign of Artaxerxes king of Persia, Ezra the son of Seraiah, the son of Azariah, the son of Hilkiah, Ary rehefa afaka izany, tamin' ny nanjakan' i Artaksersesy, mpanjakan' i Persia, dia niakatra Ezra, zanak' i Seraia, zanak' i Azaria, zanak' i Hilklay Taty aorian' ireo zava-niseho ireo, tamin' ny andro nanjakan' i Artakserksesa mpanjakan' i Persa kosa indray, Esdrasa, zanak' i Saraiasa, zanak' i Azariasa, zanak' i Helkiasa, Après ces événements, sous le règne d' Artaxerxès, roi de Perse, Esdras, fils de Seraya, fils de Azarya, fils de Hilqiyya,
Ezr / Esd 7:2 The son of Shallum, the son of Zadok, the son of Ahitub, zanak' i Saloma, zanak' i Zadoka, zanak' i Ahitoba, zanak' i Seloma, zanak' i Sadaoka, zanak' i Akitoba, fils de Shallum, fils de Sadoq, fils d' Ahitub,
Ezr / Esd 7:3 The son of Amariah, the son of Azariah, the son of Meraioth, zanak' i Amaria, zanak' i Azaria, zanak' i Meraiota, zanak' i Amariasa, zanak' i Azariasa, zanak' i Maraiota, fils d' Amarya, fils de Azarya, fils de Merayot,
Ezr / Esd 7:4 The son of Zerahiah, the son of Uzzi, the son of Bukki, zanak' i Zerahia, zanak' i Ozy, zanak' i Boky, zanak' i Zarahiasa, zanak' i Ozì, zanak' i Boksi, zanak' i Abisoe, fils de Zerahya, fils de Uzzi, fils de Buqqi,
Ezr / Esd 7:5 The son of Abishua, the son of Phinehas, the son of Eleazar, the son of Aaron the chief priest: zanak' i Abisoa, zanak' i Finehasa, zanak' i Eleazara, zanak' i Arona mpisoronabe; zanak' i Finea, zanak' i Eleazara, zanak' i Aarona mpisorona lehibe; fils d' Abishua, fils de Pinhas, fils d' Eléazar, fils du grand prêtre Aaron,
Ezr / Esd 7:6 This Ezra went up from Babylon; and he was a ready scribe in the law of Moses, which the Lord God of Israel had given: and the king granted him all his request, according to the hand of the Lord his God upon him. io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn' i Mosesy, izay efa nomen' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen' ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban' ny tànan' i Jehovah Andriamaniny azy. niakatra avy any Babilona io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tànan' ny Tompo Andriamaniny, dia nomen' ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny. cet Esdras monta de Babylone. C'était un scribe versé dans la Loi de Moïse, qu' avait donnée Yahvé, le Dieu d' Israël. Comme la main de Yahvé, son Dieu, était sur lui, le roi lui accorda tout ce qu' il demandait.
Ezr / Esd 7:7 And there went up some of the children of Israel, and of the priests, and the Levites, and the singers, and the porters, and the Nethinims, unto Jerusalem, in the seventh year of Artaxerxes the king. Ary niakatra koa ny sasany amin' ny Zanak' Isiraely sy ny sasany amin' ny mpisorona mbamin' ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin' ny taona fahafito nanjakan' i Artaksersesy mpanjaka. Maromaro koa tamin' ny zanak' Israely, mpisorona, levita, mpihira, mpiandry varavarana, ary natineana, no niakatra ho any Jerosalema tamin' ny taona fahafito nanjakan' i Artakserksesa mpanjaka. Un certain nombre d' Israélites, de prêtres, de lévites, de chantres, de portiers et de "donnés" montèrent à Jérusalem la septième année du roi Artaxerxès.
Ezr / Esd 7:8 And he came to Jerusalem in the fifth month, which was in the seventh year of the king. Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin' ny volana fahadimy tamin' ny taona fahafito nanjakan' ny mpanjaka. Tonga tany Jerosalema Esdrasa, tamin' ny volana fahadimin' ny taona fahafito nanjakan' ny mpanjaka. Il arriva à Jérusalem le cinquième mois : c'était la septième année du roi.
Ezr / Esd 7:9 For upon the first day of the first month began he to go up from Babylon, and on the first day of the fifth month came he to Jerusalem, according to the good hand of his God upon him. Fa tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon' ny tànan' Andriamaniny taminy. Tamin' ny andro voalohan' ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilona ary tamin' ny andro voalohan' ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban' ny tànan' Andriamaniny manisy soa. Il avait en effet fixé au premier jour du premier mois son départ de Babylone et c' est le premier jour du cinquième mois qu' il parvint à Jérusalem : la main bienveillante de son Dieu était sur lui!
Ezr / Esd 7:10 For Ezra had prepared his heart to seek the law of the Lord, and to do it, and to teach in Israel statutes and judgments. Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn' i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika. Nandraikitra ny fony amin' ny fianaran' ny lalàn' ny Tompo Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an' Israely ny lalàna amam-pitsipika. Car Esdras avait appliqué son coeur à scruter la Loi de Yahvé, à la pratiquer et à enseigner, en Israël, les lois et les coutumes.
Ezr / Esd 7:11 Now this is the copy of the letter that the king Artaxerxes gave unto Ezra the priest, the scribe, even a scribe of the words of the commandments of the Lord, and of his statutes to Israel. Ary izao no tenin' ny taratasy izay nomen' i Artaksersesy mpanjaka an' i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin' ny lalàn' i Jehovah sy ny didiny tamin' ny Isiraely: Izao no kopian' ny taratasy nomen' i Artakserksesa mpanjaka, an' i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn' ny Tompo ny amin' ny momba an' Israely. Voici la copie du document que le roi Artaxerxès remit à Esdras, le prêtre-scribe, savant interprète des commandements de Yahvé et de ses lois concernant Israël.
Ezr / Esd 7:12 Artaxerxes, king of kings, unto Ezra the priest, a scribe of the law of the God of heaven, perfect peace, and at such a time. Artaksersesy, mpanjakan' ny mpanjaka, ho an' i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra. Artakserksesa mpanjakan' ny mpanjaka, ho an' i Esdrasa mpisorona sy mpampiana-dalàna, mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, etc. Artaxerxès, le roi des rois, au prêtre Esdras, Secrétaire de la Loi du Dieu du ciel, paix parfaite. Maintenant donc,
Ezr / Esd 7:13 I make a decree, that all they of the people of Israel, and of his priests and Levites, in my realm, which are minded of their own freewill to go up to Jerusalem, go with thee. Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin' ny fanjakako amin' ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy. Efa nanome teny aho hoe: izay rehetra isan' ny vahoakan' Israely, ny mpisorony sy ny levitany, izay eto amin' ny fanjakako, ka ta-handeha ho any Jerosalema, dia mahazo miaraka aminao. j' ai donné l' ordre que quiconque en mon royaume fait partie du peuple d' Israël, de ses prêtres ou de ses lévites et est volontaire pour aller à Jérusalem, peut partir avec toi,
Ezr / Esd 7:14 Forasmuch as thou art sent of the king, and of his seven counsellors, to enquire concerning Judah and Jerusalem, according to the law of thy God which is in thine hand; Fa ianao efa nirahin' ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran' i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn' Andriamanitrao izay eny an-tananao; Fa irahin' ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy hianao, mba handinika ny toetr' i Jodà sy Jerosalema araka ny lalàn' Andriamanitrao izay eo an-tànanao; puisque tu es envoyé par le roi et ses sept conseillers pour inspecter Juda et Jérusalem d' après la Loi de ton Dieu, que tu as en mains,
Ezr / Esd 7:15 And to carry the silver and gold, which the king and his counsellors have freely offered unto the God of Israel, whose habitation is in Jerusalem, ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin' ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin' ny sitrapo ho an' Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema; sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen' ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitra-po, ho an' Andriamanitr' Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema; et pour porter l' argent et l' or que le roi et ses conseillers ont offerts par dévotion au Dieu d' Israël qui réside à Jérusalem,
Ezr / Esd 7:16 And all the silver and gold that thou canst find in all the province of Babylon, with the freewill offering of the people, and of the priests, offering willingly for the house of their God which is in Jerusalem: ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran' ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin' ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin' ny sitrapo hanaovany ny tranon' Andriamaniny, izay any Jerosalema. mbamin' ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran' ny faritanin' i Babilona ary koa ny fanomezana an-tsitra-po avy amin' ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitra-po ho an' ny tranon' Andriamaniny any Jerosalema. ainsi que tout l' argent et l' or que tu auras reçus dans toute la province de Babylone, avec les offrandes de dévotion que le peuple et les prêtres auront faites pour le Temple de leur Dieu à Jérusalem.
Ezr / Esd 7:17 That thou mayest buy speedily with this money bullocks, rams, lambs, with their meat offerings and their drink offerings, and offer them upon the altar of the house of your God which is in Jerusalem. Koa amin' izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak' ondry mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin' io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin' ny alitara ao an-tranon' Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny. Koa ho ahinao ny hividianana amin' izany vola izany ny ombalahy, ondralahy, zanak' ondry, mbamin' izay hatao fanatitra amam-panatitra araraka momba azy, dia atero eo ambony otely ao an-tranon' Andriamanitrareo any Jerosalema izany. Donc, avec cet argent tu auras soin d' acheter taureaux, béliers, agneaux, ainsi que les oblations et libations qui les accompagnent : tu en feras offrande sur l' autel du Temple de votre Dieu à Jérusalem;
Ezr / Esd 7:18 And whatsoever shall seem good to thee, and to thy brethren, to do with the rest of the silver and the gold, that do after the will of your God. Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin' ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon' Andriamanitrareo. Ary ny volafotsy amana volamena sisa dia ataovy amin' izay heverinao sy ireo rahalahinao ho mety, manaraka ny sitra-pon' Andriamanitrareo. quant à l' argent et l' or qui resteront, vous les emploierez comme il vous semblera bon, à toi et à tes frères, en vous conformant à la volonté de votre Dieu.
Ezr / Esd 7:19 The vessels also that are given thee for the service of the house of thy God, those deliver thou before the God of Jerusalem. Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon' Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan' Andriamanitra any Jerosalema. Apetraho eo anatrehan' Andriamanitr' i Jerosalema ny fanaka natolotra anao, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon' Andriamanitrao. Les ustensiles qu' on t' a remis pour le service du Temple de ton Dieu, dépose-les devant ton Dieu, à Jérusalem.
Ezr / Esd 7:20 And whatsoever more shall be needful for the house of thy God, which thou shalt have occasion to bestow, bestow it out of the king' s treasure house. Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an' ny tranon' Andriamanitrao dia alao ao amin' ny trano firaketan' ny mpanjaka. Izay fanampiny mbola ilaina koa, ao amin' ny tranon' Andriamanitrao, dia hovononinao avy amin' ny trano firaketan' ny mpanjaka. Ce qui serait encore nécessaire au Temple de ton Dieu et qu' il t' incomberait de lui procurer, tu le procureras du trésor royal.
Ezr / Esd 7:21 And I, even I Artaxerxes the king, do make a decree to all the treasurers which are beyond the river, that whatsoever Ezra the priest, the scribe of the law of the God of heaven, shall require of you, it be done speedily, Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin' ny mpitahiry ny haren' ny fanjakana rehetra izay any an-dafin' ny ony, fa na inona na inona no ilain' i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany, Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an' ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin' ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain' i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn' Andriamanitry ny lanitra, aminareo, C' est moi-même, le roi Artaxerxès, qui donne cet ordre à tous les trésoriers de Transeuphratène : Tout ce que vous demandera le prêtre Esdras, Secrétaire de la Loi du Dieu du ciel, qu' on y fasse ponctuellement droit
Ezr / Esd 7:22 Unto an hundred talents of silver, and to an hundred measures of wheat, and to an hundred baths of wine, and to an hundred baths of oil, and salt without prescribing how much. na hatramin' ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza. hatramin' ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany. jusqu'à concurrence de cent talents d' argent, cent muids de blé, cent mesures de vin, cent mesures d' huile; le sel sera fourni à volonté.
Ezr / Esd 7:23 Whatsoever is commanded by the God of heaven, let it be diligently done for the house of the God of heaven: for why should there be wrath against the realm of the king and his sons? Na inona na inona andidian' Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an' ny tranon' Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin' ny fanjakan' ny mpanjaka sy ny zanany? Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian' Andriamanitry ny lanitra, ny amin' ny momba ny tranon' Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan' ny fahatezerany amin' ny fanjakan' ny mpanjaka sy ny zanany. Tout ce qu' ordonne le Dieu du ciel doit être exécuté avec zèle pour le Temple du Dieu du ciel, de peur que la Colère ne se lève sur le royaume du roi et de ses fils.
Ezr / Esd 7:24 Also we certify you, that touching any of the priests and Levites, singers, porters, Nethinims, or ministers of this house of God, it shall not be lawful to impose toll, tribute, or custom, upon them. Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin' io tranon' Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara. Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy azo angalana hetra, na haba, na sara, ny mpisorona, ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natieana, mbamin' izay rehetra manompo amin' io tranon' Andriamanitra io. On vous informe encore qu' il est interdit de percevoir impôt, contribution, ou droit de passage sur tous les prêtres, lévites, chantres, portiers, "donnés", bref sur les servants de cette maison de Dieu.
Ezr / Esd 7:25 And thou, Ezra, after the wisdom of thy God, that is in thine hand, set magistrates and judges, which may judge all the people that are beyond the river, all such as know the laws of thy God; and teach ye them that know them not. Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren' Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin' ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn' Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo. Ary hianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren' Andriamanitrao, izay eo an-tànanao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin' ny ony, amin' izay rehetra mahalala ny lalàn' Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala. Quant à toi, Esdras, en vertu de la sagesse de ton Dieu, que tu as en mains, établis des scribes et des juges qui exercent la justice pour tout le peuple de Transeuphratène, c' est-à-dire tous ceux qui connaissent la Loi de ton Dieu. Qui ne la connaît pas, vous devrez l' en instruire.
Ezr / Esd 7:26 And whosoever will not do the law of thy God, and the law of the king, let judgment be executed speedily upon him, whether it be unto death, or to banishment, or to confiscation of goods, or to imprisonment. Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan' Andriamanitrao sy ny lalàn' ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra. Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn' Andriamanitrao, sy ny lalàn' ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesi-tany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina. Quiconque n' observerait pas la Loi de ton Dieu qui est la Loi du roi , qu' une rigoureuse justice lui soit appliquée mort, bannissement, amende ou emprisonnement.
Ezr / Esd 7:27 Blessed be the Lord God of our fathers, which hath put such a thing as this in the king' s heart, to beautify the house of the Lord which is in Jerusalem: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon' ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon' i Jehovah any Jerosalema. Isaorana anie Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon' ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon' ny Tompo ao Jerosalema toy izany, Béni soit Yahvé, le Dieu de nos pères, qui inspira ainsi au coeur du roi de glorifier le Temple de Yahvé à Jérusalem,
Ezr / Esd 7:28 And hath extended mercy unto me before the king, and his counsellors, and before all the king' s mighty princes. And I was strengthened as the hand of the Lord my God was upon me, and I gathered together out of Israel chief men to go up with me. sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan' ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin' ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban' ny tanan' i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin' ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko. sy nampahita fitia ahy teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin' ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tànan' ny Tompo Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin' Israely hiara-miainga amiko. et qui tourna vers moi la faveur du roi, de ses conseillers et de tous les fonctionnaires royaux les plus puissants. Quant à moi, je pris courage, car la main de Yahvé mon Dieu était sur moi, et je rassemblai des chefs d' Israël, pour qu' ils partent avec moi.

<-
->