<-
->

Ton 4:1 Behold, thou art fair, my love; behold, thou art fair; thou hast doves' eyes within thy locks: thy hair is as a flock of goats, that appear from mount Gilead. Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin' ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan' ny tendrombohitr' i Gileada. Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao. Masom-boromailala ny masonao saronan' ny voalinao; ny volonao toy ny andrian' osivavy, miantsampitsampy eny an-kosolasolan' ny tendrombohitr' i Galaada. Que tu es belle, ma bien-aimée, que tu es belle! Tes yeux sont des colombes, derrière ton voile; tes cheveux comme un troupeau de chèvres, ondulant sur les pentes du mont Galaad.
Ton 4:2 Thy teeth are like a flock of sheep that are even shorn, which came up from the washing; whereof every one bear twins, and none is barren among them. Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin' ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana. Ny nifinao, toy ny andian' ondrivavy voahety, miakatra avy any amin' ny fampandroana azy, samy manana anaka kambana, ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza. Tes dents, un troupeau de brebis à tondre qui remontent du bain. Chacune a sa jumelle et nulle n' en est privée.
Ton 4:3 Thy lips are like a thread of scarlet, and thy speech is comely: thy temples are like a piece of a pomegranate within thy locks. Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin' ampongaben-danitra ny takolakao eo amin' ny fisalobonanao, Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan' ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan' ny voalinao. Tes lèvres, un fil d'écarlate, et tes discours sont ravissants. Tes joues, des moitiés de grenades, derrière ton voile.
Ton 4:4 Thy neck is like the tower of David builded for an armoury, whereon there hang a thousand bucklers, all shields of mighty men. Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon' i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an' ny lehilahy mahery. Tahaka ny tilikambon' i Davida ny vozonao, izay nataony trano fitehirizam-piadiana, ka ihantonan' ampinga arivo, dia ny ampingan' ny mahery rehetra. Ton cou, la tour de David, bâtie par assises. Mille rondaches y sont suspendues, tous les boucliers des preux.
Ton 4:5 Thy two breasts are like two young roes that are twins, which feed among the lilies. Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin' ny lilia. Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa, tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray, izay mihinana eny amin' ny lisy. Tes deux seins, deux faons, jumeaux d' une gazelle, qui paissent parmi les lis.
Ton 4:6 Until the day break, and the shadows flee away, I will get me to the mountain of myrrh, and to the hill of frankincense. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin' ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan' ny ditin-kazo mani-pofona. Alohan' ny hangatsiatsiahan' ny andro, sy hahalasanan' ny aloka dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho, sy ho eny amin' ny havoan' ny emboka. Avant que souffle la brise du jour et que s' enfuient les ombres, j' irai à la montagne de la myrrhe, à la colline de l' encens.
Ton 4:7 Thou art all fair, my love; there is no spot in thee. Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao. Fa tsara tarehy indrindra hianao, ry malalako, sady tsy misy panda aminao! Tu es toute belle, ma bien-aimée, et sans tache aucune!
Ton 4:8 Come with me from Lebanon, my spouse, with me from Lebanon: look from the top of Amana, from the top of Shenir and Hermon, from the lions' dens, from the mountains of the leopards. Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon' i Amana, eny an-tampon' i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda. Avia, hiaraka amiko, avy any Libana, ry fofombadiko, avia hiaraka amiko, avy any Libana! Topazo maso avy eny an-tampon' i Amana, avy eny an-tamon' i Sanira sy Hermona, avy any amin' ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda. Viens du Liban, ô fiancée, viens du Liban, fais ton entrée. Abaisse tes regards, des cimes de l' Amana, des cimes du Sanir et de l' Hermon, repaire des lions, montagne des léopards.
Ton 4:9 Thou hast ravished my heart, my sister, my spouse; thou hast ravished my heart with one of thine eyes, with one chain of thy neck. Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin' ny masonao an-ila sy tamin' ny rojo anankiray amin' ny vozonao. Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofombadiko, efa lasanao ny foko tamin' ny masonao indray mijery monja, tamin' ny singam-boahangy eo amin' ny fehivozonao! Tu me fais perdre le sens, ma soeur, ô fiancée, tu me fais perdre le sens par un seul de tes regards, par un anneau de ton collier!
Ton 4:10 How fair is thy love, my sister, my spouse! how much better is thy love than wine! and the smell of thine ointments than all spices! Akory ny hatsaran' ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran' ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon' ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! Endrey izany hamamin' ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran' ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon' ny hanitrao! Que ton amour a de charmes, ma soeur, ô fiancée. Que ton amour est délicieux, plus que le vin! Et l' arôme de tes parfums, plus que tous les baumes!
Ton 4:11 Thy lips, O my spouse, drop as the honeycomb: honey and milk are under thy tongue; and the smell of thy garments is like the smell of Lebanon. Mitete tantely toy ny avy amin' ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin' ny lelanao, ary ny fofon' ny fitafianao dia tahaka ny fofon' i Libanona. Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo; ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao, ary sahala amin' ny fofon' i Libana, ny fofon' ny fitafianao. Tes lèvres, ô fiancée, distillent le miel vierge. Le miel et le lait sont sous ta langue; et le parfum de tes vêtements est comme le parfum du Liban.
Ton 4:12 A garden inclosed is my sister, my spouse; a spring shut up, a fountain sealed. Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase. Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy, loharano voahidy, fantsakana voaisy tombo-kase. Elle est un jardin bien clos, ma soeur, ô fiancée; un jardin bien clos, une source scellée.
Ton 4:13 Thy plants are an orchard of pomegranates, with pleasant fruits; camphire, with spikenard, Hianao no saha anirian' ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda, Ny tsirinao dia alan' ampongabendanitra, misy sipresy sy narda, Tes jets font un verger de grenadiers, avec les fruits les plus exquis :
Ton 4:14 Spikenard and saffron; calamus and cinnamon, with all trees of frankincense; myrrh and aloes, with all the chief spices: Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin' ny zava-manitra tsara rehetra; narda sy safrana, kanela sy sinamoma, mbamin' ny hazo rehetra misy emboka, mira sy aloesa, mbamin' ny hazo rehetra mahavokatra diloilo manitra tsara indrindra. le nard et le safran, le roseau odorant et le cinnamome, avec tous les arbres à encens; la myrrhe et l' aloès, avec les plus fins arômes.
Ton 4:15 A fountain of gardens, a well of living waters, and streams from Lebanon. Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona. Loharanon' ny zaridaina, fantsakan-drano velona, sakeli-drano mandeha avy any Libana. Source des jardins, puits d' eaux vives, ruissellement du Liban!
Ton 4:16 Awake, O north wind; and come, thou south; blow upon my garden, that the spices thereof may flow out. Let my beloved come into his garden, and eat his pleasant fruits. Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan' ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatý an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara. Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo! Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan' ny hazo mahavokatra dity manitra. Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako, ka hihinana amin' ireo voankazony tsara tarehy! Lève-toi, aquilon, accours, autan! Soufflez sur mon jardin, qu' il distille ses aromates! Que mon bien-aimé entre dans son jardin, et qu' il en goûte les fruits délicieux!

<-
->