<-
->

Ton 6:1 Whither is thy beloved gone, O thou fairest among women? whither is thy beloved turned aside? that we may seek him with thee. Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin' ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. Lasa nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin' ny vehivavy? Nitodika nankaiza ny malalanao, hiarahanay aminao hitady azy? Où est parti ton bien-aimé, ô la plus belle des femmes ? Où s' est tourné ton bien-aimé, que nous le cherchions avec toi ?
Ton 6:2 My beloved is gone down into his garden, to the beds of spices, to feed in the gardens, and to gather lilies. Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin' ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin' ny tanimboly sy hioty ny lilia. Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako, dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra, hiandry ondry any an-tanimboliny, sy hioty lisy any. Mon bien-aimé est descendu à son jardin, aux parterres embaumés, pour paître son troupeau dans les jardins, et pour cueillir des lis.
Ton 6:3 I am my beloved' s, and my beloved is mine: he feedeth among the lilies. An' ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin' ny lilia. An' ny malalako aho, ary ahy ny malalako; miandry ny ondriny any amin' ny lisy izy. Je suis à mon bien-aimé, et mon bien-aimé est à moi! Il paît son troupeau parmi les lis.
Ton 6:4 Thou art beautiful, O my love, as Tirzah, comely as Jerusalem, terrible as an army with banners. Tsara tarehy tahaka an' i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an' i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon' ny miaramila mitondra faneva. Ry malala, tsara tarehy tahaka an' i Tirsa hianao; ary mahafinaritra tahaka an' i Jerosalema, fa mahatahotra tahaka ny antoko miaramila. Tu es belle, mon amie, comme Tirça, charmante comme Jérusalem, redoutable comme des bataillons.
Ton 6:5 Turn away thine eyes from me, for they have overcome me: thy hair is as a flock of goats that appear from Gilead. Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan' i Gileada. Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampitebiteby ny foko. Ny volonao tahaka ny andian' osy miantsampitsampy eny an-kisolasolan-tendrombohitr' i Galaada. Détourne de moi tes regards, car ils m' assaillent! Tes cheveux sont un troupeau de chèvres, ondulant sur les pentes du Galaad.
Ton 6:6 Thy teeth are as a flock of sheep which go up from the washing, whereof every one beareth twins, and there is not one barren among them. Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin' ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, Ny nifinao tahaka ny andian' ondry, miakatra avy any amin' ny fampandroana; samy manana anaka kambana; ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza. Tes dents sont un troupeau de brebis, qui remontent du bain. Chacune a sa jumelle et nulle n' en est privée.
Ton 6:7 As a piece of a pomegranate are thy temples within thy locks. Tahaka ny hasin' ampongaben-danitra ny takolakao eo amin' ny fisalobonanao. Ny takolakao tahaka ny voan' apongabendanitra misasaka alokalofan' ny voalinao. Tes joues sont des moitiés de grenade derrière ton voile.
Ton 6:8 There are threescore queens, and fourscore concubines, and virgins without number. Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. Misy mpanjakavavy enimpolo, vaditsindrano valopolo, ary zatovovavy tsy hita isa: Il y a soixante reines et quatre-vingts concubines! et des jeunes filles sans nombre.
Ton 6:9 My dove, my undefiled is but one; she is the only one of her mother, she is the choice one of her that bare her. The daughters saw her, and blessed her; yea, the queens and the concubines, and they praised her. Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin' izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. fa iray monja no voromailalako, ahy tsy misy pentina: vavitokan' ny reniny, zokim-pitian' ilay nahitany masoandro. Ireo zatovovavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra; ireo mpanjakavavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy: Unique est ma colombe, ma parfaite. Elle est l' unique de sa mère, la préférée de celle qui l' enfanta. Les jeunes femmes l' ont vue et glorifiée, reines et concubines l' ont célébrée :
Ton 6:10 Who is she that looketh forth as the morning, fair as the moon, clear as the sun, and terrible as an army with banners? Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon' ny miaramila mitondra faneva? Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko miaramila? " Qui est celle-ci qui surgit comme l' aurore, belle comme la lune, resplendissante comme le soleil, redoutable comme des bataillons ? "
Ton 6:11 I went down into the garden of nuts to see the fruits of the valley, and to see whether the vine flourished and the pomegranates budded. Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra. Nidina tany an-tsahan' ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamony ny apongabendanitra. Au jardin des noyers je suis descendu, pour voir les jeunes pousses de la vallée, pour voir si la vigne bourgeonne, si les grenadiers fleurissent.
Ton 6:12 Or ever I was aware, my soul made me like the chariots of Amminadib. Tsy nampoiziko ny nanandratan' ny fanahiko ahy ho eo amin' ny kalesin' ny fireneko be voninahitra. Tsy fantatro, fa nentin' ny fitiavako aho niakatra nitaingina ny kalesin' ny vahoakako be voninahitra. Je ne sais, mais mon désir m' a jeté sur les chars d' Amminadîb! .
Ton 6:13 Return, return, O Shulamite; return, return, that we may look upon thee. What will ye see in the Shulamite? As it were the company of two armies.

<-
->