<-
->

Fah 19:1 Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin' ny farany; satria fantatr' Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany, Mais sur les impies s' abattit jusqu' au bout un impitoyable courroux, car Il savait à l' avance ce qu' ils allaient faire,
Fah 19:2 fa rahefa halefany handeha ny marina, sady hododonany sy hangatahany mafy hiala faingana aza, dia hanenenany indray izany, ka ny hanenjika an' ireo no hataony. et qu' après avoir permis aux siens de s' en aller et pressé leur départ, ils changeraient d' avis et les poursuivraient.
Fah 19:3 Ary tokoa fa mbola tsy tapitra akory ny fisaonana, mbola nigogogogo teo amin' ny fasan' ireo maty izy, dia rafitra nanao hevi-pahadalana hafa indray, ka nenjehiny toy ny mpandositra, ireo efa nitalahoany handeha hiala lavitra. De fait, ils étaient encore occupés à leurs deuils et ils se lamentaient auprès des tombes de leurs morts, quand ils imaginèrent un autre dessein de folie et se mirent à poursuivre comme des fugitifs ceux qu' avec des supplications ils avaient expulsés.
Fah 19:4 Nisy hery tsy azo tohanana nitarika azy ho amin' izany fiafarana izany, ka rariny izany, sady nampanadino azy izay vao nanjo azy mba ho feno lanja ny sazy hefainy, izay mbola tsy ampy tamin' ny fijaliany taloha. Un juste destin les poussait à cette extrémité et il leur inspira l' oubli du passé ils ajouteraient ainsi le châtiment qui manquait à leurs tortures
Fah 19:5 Ka ny vahoakanao moa, nita soa aman-tsara tamim-boninahitra, izy ireo kosa nahazo fahafatesana hafahafa. et, tandis que ton peuple ferait l' expérience d' un voyage merveilleux, eux-mêmes trouveraient une mort insolite.
Fah 19:6 Satria, niova toetra avokoa ny zava-boahary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon' ny loza na inona na inona ny zanakao. Car la création entière, en sa propre nature, était encore de nouveau façonnée, se soumettant à tes ordres, pour que tes enfants fussent gardés indemnes.
Fah 19:7 Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin' ny alony; niseho teo amin' izay nisy rano taloha, ny tany; nisy làlana malalaka tao amin' ny ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara. On vit la nuée couvrir le camp de son ombre, la terre sèche émerger de ce qui était l' eau, la mer Rouge devenir un libre passage, les flots impétueux une plaine verdoyante,
Fah 19:8 Nandalo teo izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron' ny tànanao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona, par où ceux que protégeait ta main passèrent comme un seul peuple, en contemplant d' admirables prodiges.
Fah 19:9 toy ny zanak' ondry mifalihavanja, nankalaza anao izy ireo, ry Tompo, hianao Mpanafaka azy ireo. Comme des chevaux, ils étaient à la pâture, comme des agneaux, ils bondissaient, en te célébrant, Seigneur, toi leur libérateur.
Fah 19:10 Satria mbola tsaroan' izy ireo ny zavatra nitranga, tamin' izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ho solon' ny biby hafa, dia moka no foy navoaky ny tany; ary sahona no foy navoaky ny ony, solon' ny hazandrano. Ils se souvenaient encore des événements de leur exil, comment la terre, et non des animaux, avait produit des moustiques, et comment le Fleuve, et non des êtres aquatiques, avait vomi une multitude de grenouilles.
Fah 19:11 Taty aoriana kosa, fampisiam-borona mahatalanjona indray no hitany, raha ilay nentin-kalianana dia nangata-kanina matsiro iny izy ireo; Plus tard, ils virent encore un nouveau mode de naissance pour les oiseaux, quand, poussés par la convoitise, ils réclamèrent des mets délicats
Fah 19:12 fa nisy papelika niakatra avy any anilan' ny ranomasina any mba hanafa-diana azy. pour les satisfaire, des cailles montèrent pour eux de la mer.
Fah 19:13 Ary ny sazy nihatra tamin' ny mpanota, nefa tsy diso fambara mialoha dia ny helatra mafy ery. Niaritra fijaliana tandrifin' ny helony, izy ireny. Mais les châtiments s' abattirent sur les pécheurs, non sans avoir été signalés à l' avance par de violents coups de tonnerre, et c' est en toute justice qu' ils souffraient pour leurs propres crimes; car ils avaient montré une haine de l'étranger par trop cruelle.
Fah 19:14 Fa fankahalana maharikoriko loatra, no nasehony tamin' ny vahiny. Nisy olon-kafa tsy nety nandray olona izay tsy nifankahalala taminy akory; fa izy ireo kosa nampanjary mpanompo ny vahiny izay efa nanisy soa azy. D' aucuns, en effet, n' avaient pas accueilli les inconnus qui leur arrivaient, mais eux réduisaient en servitude des hôtes bienfaisants.
Fah 19:15 Mainka indray aza, dia azo heverina ho metimety kokoa ny an' irery voalohany satria nataony ho fahavalo no fihevitra an' ireo vahiny noraisiny; Bien plus, et certes il y aura pour ceux-là un châtiment, puisqu' ils ont reçu les étrangers d' une manière hostile, ...
Fah 19:16 fa ireto kosa nandray ny vahoakanao, nanaovany andro fifaliana, ka nasandrany hiray fileovana aminy, fa taty aoriana kosa nataony tototry ny fijaliana mangidy izy ireo. mais ceux-ci, après avoir reçu avec des fêtes ceux qui déjà partageaient les mêmes droits qu' eux, les ont ensuite accablés de terribles travaux.
Fah 19:17 Ka dia namely azy ireo kosa ny fahajambana, toa an-dry zareo nitangorona tamin' ny varavaran' ny marina, nony voasaron' aizina mikitroka izy ireny, ka nikaroka ny fidirana amin' ny varavarana. Aussi furent-ils frappés de cécité, comme ceux-là aux portes du juste, lorsque, enveloppés de ténèbres béantes, ils cherchaient chacun l' accès de sa porte.
Fah 19:18 Fa niova toetra ny zavatra voahary tahaka ny feo amin' ny psalteriona miova ba, nefa maharitra tsy miova faneno. Izany mety ho hita mazava tamin' ny zava-niseho fahizany. Ainsi les éléments étaient différemment accordés entre eux, comme, sur la harpe, les notes modifient la nature du rythme tout en conservant le même son; ce qu' on peut se représenter exactement en regardant ce qui est arrivé
Fah 19:19 Ny biby an-tanety nanjary anaty rano; ary ireo milomano lasa an-tanety. des animaux terrestres devenaient aquatiques, ceux qui nagent se déplaçaient sur la terre;
Fah 19:20 Ny afo tonga nanan-kery tao anatin' ny rano mihoatra noho ny heriny andavanandro, ary ny rano namalona ny toetrany mahafaty afo. le feu renforçait dans l' eau sa propre vertu, et l' eau oubliait son pouvoir d'éteindre;
Fah 19:21 Etsy an-daniny kosa, tsy tratry ny lelafo ny nofon' ny biby malemilemy tafaely manodidina azy, ary tsy nampiempoiny ilay hanina avy an-danitra, izay sahala amin' ny fanala mivongana sy mora miempo toa azy. en revanche, les flammes ne consumaient pas les chairs d' animaux fragiles qui s' y aventuraient; et elles ne faisaient pas fondre l' aliment divin, semblable à de la glace et si facile à fondre!
Fah 19:22 Nankalaza ny vahoakanao, tamin' ny zavatra rehetra, hianao ry Tompo; nomenao voninahitra izy, fa tsy mba notsiratsirainao; ary novonjenao tamin' ny toerana amam-potoana rehetra. Oui, de toutes manières, Seigneur, tu as magnifié ton peuple et tu l' as glorifié; tu n' as pas négligé, en tout temps et en tout lieu, de l' assister!

<-
->