<-
->

Fah 14:1 Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana ny handeha eny ambonin' ny onja misamboaravoara: hazo mora vaky noho ny sambo mitondra azy no antsoiny; Tel autre qui prend la mer pour traverser les flots farouches invoque à grands cris un bois plus fragile que le bateau qui le porte.
Fah 14:2 fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary fahaizan' ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy. Car ce bateau, c' est la soif du gain qui l' a conçu, c' est la sagesse artisane qui l' a construit;
Fah 14:3 Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, hianao izay nanori-dàlana eny amin' ny ranomasina, sy làla-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano. mais c' est ta Providence, ô Père, qui le pilote, car tu as mis un chemin jusque dans la mer, et dans les flots un sentier assuré,
Fah 14:4 Ka tamin' izany hianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin' ny loza rehetra mba hahazoan' ny olona rehetra hiondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy. montrant que tu peux sauver de tout, en sorte que, même sans expérience, on puisse embarquer.
Fah 14:5 Tsy tianao hitoe-poana ny asan' ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin' ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin' ny zahatra, tsy maty fo aman' aina. Tu ne veux pas que les oeuvres de ta Sagesse soient stériles; c' est pourquoi les hommes confient leur vie même à un bois minuscule, traversent les vagues sur un radeau et demeurent sains et saufs.
Fah 14:6 Ary fahiny, raha ringana ireo rapeto be avonavona, ny fanantenan' izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin' ny lakana, sady entin' ny tananao, ka namela loharanon-taranaka ho an' izao tontolo izao. Et de fait, aux origines, tandis que périssaient les géants orgueilleux, l' espoir du monde se réfugia sur un radeau et, piloté par ta main, laissa aux siècles futurs le germe d' une génération nouvelle.
Fah 14:7 Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano. Car il est béni, le bois par lequel advient la justice,
Fah 14:8 Fa ny sampy asan-tanan' olombelona kosa, voaozona mbamin' izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an' io; iry kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny anaran' Andriamanitra; mais maudite l' idole fabriquée, elle et celui qui l' a faite, lui, pour y avoir travaillé, et elle parce que, corruptible, elle a été appelée dieu.
Fah 14:9 fa samy halan' Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana. Car Dieu déteste également l' impie et son impiété,
Fah 14:10 Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao. et l' oeuvre sera châtiée avec l' ouvrier.
Fah 14:11 Noho izany, hosavana ny sampin' ny firenena fa zava-boaharin' Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an' ny fanahin' ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala. Aussi y aura-t-il une visite même pour les idoles des nations, parce que, dans la création de Dieu, elles sont devenues une abomination, un scandale pour les âmes des hommes, un piège pour les pieds des insensés.
Fah 14:12 Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan' ny olona tamin' Andriamanitra, ary ny mamorona an' izany no nitarika ny fahafatesana. L' idée de faire des idoles a été l' origine de la fornication, leur découverte a corrompu la vie.
Fah 14:13 Tsy nisy ireny tamin' ny voalohany ary tsy hisy mandrakariva akory koa. Car elles n' existaient pas à l' origine, et elles n' existeront pas toujours;
Fah 14:14 Ny fahadalan' ny olona no nampiditra izany tamin' izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain' Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky. c' est par la vanité des hommes qu' elles ont fait leur entrée dans le monde, aussi bien une prompte fin leur a-t-elle été réservée.
Fah 14:15 Misy ray vonton' alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin' ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin' ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremonia izy. Un père que consumait un deuil prématuré a fait faire une image de son enfant si tôt ravi, et celui qui hier encore n'était qu' un homme mort, il l' honore maintenant comme un dieu et il transmet aux siens des mystères et des rites,
Fah 14:16 Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin' ny mpanapaka, dia nohajain' ny olona ny sary. puis avec le temps la coutume se fortifie et on l' observe comme loi. C' est encore sur l' ordre des souverains que les images sculptées recevaient un culte
Fah 14:17 Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin' ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin' ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy. des hommes qui ne pouvaient les honorer en personne, parce qu' ils habitaient à distance, représentèrent leur lointaine figure et firent une image visible du roi qu' ils honoraient; ainsi, grâce à ce zèle, on flatterait l' absent comme s' il était présent.
Fah 14:18 Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon' ny mpanao sary. Ceux-là mêmes qui ne le connaissaient pas furent amenés par l' ambition de l' artiste à étendre son culte;
Fah 14:19 Satria nila sitraka tamin' ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin' izay hahakanto ny sary. car, désireux sans doute de plaire au maître, il força son art à faire plus beau que nature,
Fah 14:20 Dia sodokan' ny hakanton' ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato. et la foule, attirée par le charme de l' oeuvre, considéra désormais comme un objet d' adoration celui que naguère on honorait comme un homme.
Fah 14:21 Fandrika ho an' ny velona raha ny olona azon' ny fahoriana na teren' ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin' ny anarana tsy azo iombonana. Et voilà qui devint un piège pour la vie que des hommes, asservis au malheur ou au pouvoir, eussent conféré à des pierres et à des morceaux de bois le Nom incommunicable.
Fah 14:22 Tsy vitan' ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan' izy ireo an' Andriamanitra; fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany avy amin' ny tsy fahalalany koa, dia nantsoiny amin' ny anarana hoe fiadanana izany loza izany. En outre il ne leur a pas suffi d' errer au sujet de la connaissance de Dieu; mais alors que l' ignorance les fait vivre dans une grande guerre, ils donnent à de tels maux le nom de paix!
Fah 14:23 Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin' ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin' ny fomba hafahafa izy: Avec leurs rites infanticides, leurs mystères occultes, ou leurs orgies furieuses aux coutumes extravagantes,
Fah 14:24 tsy nahalala menatra intsony izy na amin' ny toe-piainany, na amin' ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin' ny famadihana, na manitsakitsaka azy amin' ny fakam-badin' olona. ils ne gardent plus aucune pureté ni dans la vie ni dans le mariage, l' un supprime l' autre insidieusement ou l' afflige par l' adultère.
Fah 14:25 Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoan' olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to, Partout, pêle-mêle, sang et meurtre, vol et fourberie, corruption, déloyauté, trouble, parjure,
Fah 14:26 fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin' ny olona, fahalotoan' ny fanahy, heloka mifanohitra amin' ny fomban' olona, tsy faharetana amin' ny fanambadiana, fakam-badin' olona sy fahavetavetana. confusion des gens de bien, oubli des bienfaits, souillure des âmes, crimes contre nature, désordres dans le mariage, adultère et débauche.
Fah 14:27 Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-pihaviana ary anton' ny ratsy rehetra. Car le culte des idoles sans nom est le commencement, la cause et le terme de tout mal.
Fah 14:28 Hafaliana tsy misy fotony no lalaon' izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin' ny andriamaniny. Milomano amin' ny haratsiana izy, ary mianiana tsy to mora foana. Ou bien en effet ils poussent leurs réjouissances jusqu' au délire, ou bien ils prophétisent le mensonge, ou ils vivent dans l' injustice, ou ils ont tôt fait de se parjurer
Fah 14:29 Fa sampy tsy manan' aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony. comme ils mettent leur confiance en des idoles sans vie, ils n' attendent aucun préjudice de leurs faux serments.
Fah 14:30 Hanjo azy anefa ny sazy tandrifin' izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin' ny sampy izy, ka notsiratsirainy amin' izay ny lalàna masina indrindra. Mais de justes arrêts les frapperont pour ce double crime parce qu' ils ont mal pensé de Dieu en s' attachant à des idoles, parce qu' ils ont juré frauduleusement contre la justice, au mépris de la sainteté.
Fah 14:31 Tsy avy amin' ny herin' ny sampy nianianany izany, fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota, ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin' ny fivadihan' ny mpanohitra ny fivavahana. Car ce n' est pas la puissance de ceux par qui l' on jure, mais le châtiment réservé aux pécheurs qui poursuit toujours la transgression des injustes.

<-
->