<-
->

Jao / Jo 1:1 In the beginning was the Word, and the Word was with God, and the Word was God. Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin' Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Au commencement était le Verbe et le Verbe était avec Dieu et le Verbe était Dieu.
Jao / Jo 1:2 The same was in the beginning with God. Izy dia tao amin' Andriamanitra tamin' ny voalohany. Tao amin' Andriamanitra tamin' ny voalohany izy. Il était au commencement avec Dieu.
Jao / Jo 1:3 All things were made by him; and without him was not any thing made that was made. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tout fut par lui, et sans lui rien ne fut.
Jao / Jo 1:4 In him was life; and the life was the light of men. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan' ny olona. Ce qui fut en lui était la vie, et la vie était la lumière des hommes.
Jao / Jo 1:5 And the light shineth in darkness; and the darkness comprehended it not. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin' ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. Ary mamirapiratra amin' ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina. et la lumière luit dans les ténèbres et les ténèbres ne l' ont pas saisie.
Jao / Jo 1:6 There was a man sent from God, whose name was John. Nisy lehilahy nirahin' Andriamanitra, Jaona no anarany. Nisy lehilahy anankiray nirahin' Andriamanitra, Joany no anarany; Il y eut un homme envoyé de Dieu ; son nom était Jean.
Jao / Jo 1:7 The same came for a witness, to bear witness of the Light, that all men through him might believe. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan' ny olona rehetra noho ny teniny. tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan' ny olon-drehetra noho ny teniny. Il vint pour témoigner, pour rendre témoignage à la lumière, afin que tous crussent par lui.
Jao / Jo 1:8 He was not that Light, but was sent to bear witness of that Light. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Celui-là n'était pas la lumière, mais il avait à rendre témoignage à la lumière.
Jao / Jo 1:9 That was the true Light, which lighteth every man that cometh into the world. Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao. Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao. Le Verbe était la lumière véritable, qui éclaire tout homme ; il venait dans le monde.
Jao / Jo 1:10 He was in the world, and the world was made by him, and the world knew him not. Teo amin' izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Teo amin' izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Il était dans le monde, et le monde fut par lui, et le monde ne l' a pas reconnu.
Jao / Jo 1:11 He came unto his own, and his own received him not. Tonga tany amin' ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Tonga tao amin' ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. Il est venu chez lui, et les siens ne l' ont pas accueilli.
Jao / Jo 1:12 But as many as received him, to them gave he power to become the sons of God, even to them that believe on his name: Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, Mais à tous ceux qui l' ont accueilli, il a donné pouvoir de devenir enfants de Dieu, à ceux qui croient en son nom,
Jao / Jo 1:13 Which were born, not of blood, nor of the will of the flesh, nor of the will of man, but of God. dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon' ny nofo, na ny sitrapon' ny olona, fa naterak' Andriamanitra. ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon' ny nofo, na ny sitra-pon' ny olona ireo, fa naterak' Andriamanitra. lui qui ne fut engendré ni du sang, ni d' un vouloir de chair, ni d' un vouloir d' homme, mais de Dieu.
Jao / Jo 1:14 And the Word was made flesh, and dwelt among us, (and we beheld his glory, the glory as of the only begotten of the Father,) full of grace and truth. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an' ny Lahitokana avy tamin' ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin' ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy. Et le Verbe s' est fait chair et il a habité parmi nous, et nous avons contemplé sa gloire, gloire qu' il tient de son Père comme Fils unique, plein de grâce et de vérité.
Jao / Jo 1:15 John bare witness of him, and cried, saying, This was he of whom I spake, He that cometh after me is preferred before me: for he was before me. Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy Nanambara azy Joany, ka niantso nanao hoe: izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako izy. Jean lui rend témoignage et il clame : " C' est de lui que j' ai dit : Celui qui vient derrière moi, le voilà passé devant moi, parce qu' avant moi il était. "
Jao / Jo 1:16 And of his fulness have all we received, and grace for grace. Fa tamin' ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. Ary avy amin' ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, Oui, de sa plénitude nous avons tous reçu, et grâce pour grâce.
Jao / Jo 1:17 For the law was given by Moses, but grace and truth came by Jesus Christ. Fa ny lalàna dia nomena tamin' ny alalan' i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin' ny alalan' i Jesosy Kristy. satria ny Lalàna moa nomena tamin' ny alàlan' i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin' ny alàlan' i Jeso-Kristy. Car la Loi fut donnée par Moïse ; la grâce et la vérité sont venues par Jésus Christ.
Jao / Jo 1:18 No man hath seen God at any time, the only begotten Son, which is in the bosom of the Father, he hath declared him. Tsy nisy nahita an' Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran' ny Ray, Izy no nanambara [Azy]. Tsy dia nisy nahita an' Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin' ny Ray ihany no hany nanambara azy. Nul n' a jamais vu Dieu ; le Fils unique, qui est tourné vers le sein du Père, lui, l' a fait connaître. Le témoignage de Jean.
Jao / Jo 1:19 And this is the record of John, when the Jews sent priests and Levites from Jerusalem to ask him, Who art thou? Ary izao no nambaran' i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao? Ary izao no nambaran' i Joany raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: Iza moa hianao? Et voici quel fut le témoignage de Jean, quand les Juifs lui envoyèrent de Jérusalem des prêtres et des lévites pour lui demander : " Qui es-tu ? "
Jao / Jo 1:20 And he confessed, and denied not; but confessed, I am not the Christ. Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy. Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: Tsy Kristy aho. Il confessa, il ne nia pas, il confessa : " Je ne suis pas le Christ. " -
Jao / Jo 1:21 And they asked him, What then? Art thou Elias? And he saith, I am not. Art thou that prophet? And he answered, No. Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia. Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Iza àry? Elia va hianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa hoy ny navaliny: Tsia. " Qu' es-tu donc ? lui demandèrent-ils. Es-tu Élie ? " Il dit : " Je ne le suis pas. " - " Es-tu le prophète ? " Il répondit : " Non. "
Jao / Jo 1:22 Then said they unto him, Who art thou? that we may give an answer to them that sent us. What sayest thou of thyself? Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin' izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao? Ka hoy izy ireo taminy: Iza àry hianao, mba hitondranay valy amin' izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao? Ils lui dirent alors : " Qui es-tu, que nous donnions réponse à ceux qui nous ont envoyés ? Que dis-tu de toi-même ? " -
Jao / Jo 1:23 He said, I am the voice of one crying in the wilderness, Make straight the way of the Lord, as said the prophet Esaias. Dia hoy izy: Izaho dia feon' ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan' i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain' Isaia mpaminany. Dia hoy izy: Izaho no feon' ny miantso any an' efitra hoe: Ahitsio ny làlan' ny Tompo, araka izay voalazan' Izaia mpaminany. Il déclara : " Je suis la voix de celui qui crie dans le désert : Rendez droit le chemin du Seigneur, comme a dit Isaïe, le prophète. "
Jao / Jo 1:24 And they which were sent were of the Pharisees. Ary iraka avy tamin' ny Fariseo ireo. Ary Farisiana ireo iraka ireo. On avait envoyé des Pharisiens.
Jao / Jo 1:25 And they asked him, and said unto him, Why baptizest thou then, if thou be not that Christ, nor Elias, neither that prophet? Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany? Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana àry hianao no manao batemy raha tsy Kristy, na Elia, na ilay Mpaminany? Ils lui demandèrent : " Pourquoi donc baptises-tu, si tu n' es ni le Christ, ni Élie, ni le prophète ? "
Jao / Jo 1:26 John answered them, saying, I baptize with water: but there standeth one among you, whom ye know not; Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin' ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, Ka novalian' i Joany hoe: Izaho manao batemy amin' ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, Jean leur répondit : " Moi, je baptise dans l' eau. Au milieu de vous se tient quelqu' un que vous ne connaissez pas,
Jao / Jo 1:27 He it is, who coming after me is preferred before me, whose shoe' s latchet I am not worthy to unloose. dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho. celui qui vient derrière moi, dont je ne suis pas digne de dénouer la courroie de sandale. "
Jao / Jo 1:28 These things were done in Bethabara beyond Jordan, where John was baptizing. Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin' i Jordana, izay nanaovan' i Jaona batisa. Tany Betania an-dafin' i Jordany, izay nanaovan' i Joany batemy, no natao izany zavatra izany. Cela se passait à Béthanie au-delà du Jourdain, où Jean baptisait.
Jao / Jo 1:29 The next day John seeth Jesus coming unto him, and saith, Behold the Lamb of God, which taketh away the sin of the world. Nony ampitso dia nahita an' i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak' ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan' izao tontolo izao! Nony ampitso, nahita an' i Jeso nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak' ondrin' Andriamanitra; indro ilay manala ny fahotan' ny olona. Le lendemain, il voit Jésus venir vers lui et il dit : " Voici l' agneau de Dieu, qui enlève le péché du monde.
Jao / Jo 1:30 This is he of whom I said, After me cometh a man which is preferred before me: for he was before me. Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. C' est de lui que j' ai dit : Derrière moi vient un homme qui est passé devant moi parce qu' avant moi il était.
Jao / Jo 1:31 And I knew him not: but that he should be made manifest to Israel, therefore am I come baptizing with water. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin' ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin' ny rano. Ary izaho tsy nahalala azy; fa mba hampisehoana azy amin' Israely no nahatongavako manao batemy amin' ny rano. Et moi, je ne le connaissais pas ; mais c' est pour qu' il fût manifesté à Israël que je suis venu baptisant dans l' eau. "
Jao / Jo 1:32 And John bare record, saying, I saw the Spirit descending from heaven like a dove, and it abode upon him. Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. Ary nilaza marina Joany nanao hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. Et Jean rendit témoignage en disant : " J' ai vu l' Esprit descendre, tel une colombe venant du ciel, et demeurer sur lui.
Jao / Jo 1:33 And I knew him not: but he that sent me to baptize with water, the same said unto me, Upon whom thou shalt see the Spirit descending, and remaining on him, the same is he which baptizeth with the Holy Ghost. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin' ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan' ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin' ny Fanahy Masina. Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin' ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan' ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin' ny Fanahy Masina. Et moi, je ne le connaissais pas, mais celui qui m' a envoyé baptiser dans l' eau, celui-là m' avait dit : "Celui sur qui tu verras l' Esprit descendre et demeurer, c' est lui qui baptise dans l' Esprit Saint. "
Jao / Jo 1:34 And I saw, and bare record that this is the Son of God. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak' Andriamanitra. Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak' Andriamanitra. Et moi, j' ai vu et je témoigne que celui-ci est l'Élu de Dieu. "
Jao / Jo 1:35 Again the next day after John stood, and two of his disciples; Nony ampitson' iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; Nony ampitson' izay indray, dia mbola teo koa Joany sy ny mpianany roa lahy; Le lendemain, Jean se tenait là, de nouveau, avec deux de ses disciples.
Jao / Jo 1:36 And looking upon Jesus as he walked, he saith, Behold the Lamb of God! ary nijery an' i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak' ondrin' Andriamanitra! ka hoy izy nahatazana an' i Jeso nandalo: Indro ny Zanak' ondrin' Andriamanitra. Regardant Jésus qui passait, il dit : " Voici l' agneau de Dieu. "
Jao / Jo 1:37 And the two disciples heard him speak, and they followed Jesus. Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an' i Jesosy. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an' i Jeso. Les deux disciples entendirent ses paroles et suivirent Jésus.
Jao / Jo 1:38 Then Jesus turned, and saw them following, and saith unto them, What seek ye? They said unto him, Rabbi, (which is to say, being interpreted, Master,) where dwellest thou? Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra? Ary nitodika Jeso ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy ireo taminy: Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza hianao no mitoetra? Jésus se retourna et, voyant qu' ils le suivaient, leur dit : " Que cherchez-vous ? " Ils lui dirent : " Rabbi - ce qui veut dire Maître -, où demeures-tu ? "
Jao / Jo 1:39 He saith unto them, Come and see. They came and saw where he dwelt, and abode with him that day: for it was about the tenth hour. Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin' izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin' izay. Dia hoy izy taminy: Avia fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin' iny andro iny; ary tokony ho tamin' ny ora fahafolo tamin' izay. Il leur dit : " Venez et voyez. " Ils vinrent donc et virent où il demeurait, et ils demeurèrent auprès de lui de jour-là. C'était environ la dixième heure.
Jao / Jo 1:40 One of the two which heard John speak, and followed him, was Andrew, Simon Peter' s brother. Andrea, rahalahin' i Simona Petera, no anankiray tamin' izy roa lahy, izay nandre ny tenin' i Jaona ka nanaraka an' i Jesosy. Andre rahalahin' i Simona Piera no anankiray tamin' izy roa lahy izay nandre ny tenin' i Joany ka nanaraka an' i Jeso. André, le frère de Simon-Pierre, était l' un des deux qui avaient entendu les paroles de Jean et suivi Jésus.
Jao / Jo 1:41 He first findeth his own brother Simon, and saith unto him, We have found the Messias, which is, being interpreted, the Christ. Izy no nahita an' i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy). Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia Simona rahalahiny ka nilazany hoe: Efa hitanay ny Mesia (izany hoe ny Kristy, raha adika). Il rencontre en premier lieu son frère Simon et lui dit : " Nous avons trouvé le Messie " - ce qui veut dire Christ.
Jao / Jo 1:42 And he brought him to Jesus. And when Jesus beheld him, he said, Thou art Simon the son of Jona: thou shalt be called Cephas, which is by interpretation, A stone. Dia nitondra azy ho any amin' i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak' i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera) Dia nentiny nankany amin' i Jeso izy, ka nony nijery azy Jeso dia nanao hoe: Hianao no Simona zanak' i Joany; hatao hoe Sefasy hianao, izany hoe, Piera. Il l' amena à Jésus. Jésus le regarda et dit : " Tu es Simon, le fils de Jean ; tu t' appelleras Céphas " - ce qui veut dire Pierre.
Jao / Jo 1:43 The day following Jesus would go forth into Galilee, and findeth Philip, and saith unto him, Follow me. Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an' i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy. Nony ampitso, niroso nankany Galilea Jeso, ary nifanena tamin' i Filipo izy ka nanao taminy hoe: Manaraha ahy. Le lendemain, Jésus résolut de partir pour la Galilée ; il rencontre Philippe et lui dit : " Suis-moi ! "
Jao / Jo 1:44 Now Philip was of Bethsaida, the city of Andrew and Peter. Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan' i Andrea sy Petera. Avy ao Betsaïda tanàna nihavian' i Andre sy Piera ihany koa Filipo. Philippe était de Bethsaïde, la ville d' André et de Pierre.
Jao / Jo 1:45 Philip findeth Nathanael, and saith unto him, We have found him, of whom Moses in the law, and the prophets, did write, Jesus of Nazareth, the son of Joseph. Filipo kosa nahita an' i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan' i Mosesy tao amin' ny lalàna, sy nosoratan' ny mpaminany, dia Jesosy, zanak' i Josefa, avy any Nazareta. Filipo kosa nifanena tamin' i Natanaely ka nanao taminy hoe: Efa hitanay ilay voalazan' i Moizy tao amin' ny Lalàna, sy nambaran' ny mpaminany, dia Jeso zanak' i Josefa avy any Nazareta. Philippe rencontre Nathanaèl et lui dit : " Celui dont Moïse a écrit dans la Loi, ainsi que les prophètes, nous l' avons trouvé : Jésus, le fils de Joseph, de Nazareth. "
Jao / Jo 1:46 And Nathanael said unto him, Can there any good thing come out of Nazareth? Philip saith unto him, Come and see. Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha. Ka hoy Natanaely taminy: Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Avia, ary zahao. Nathanaèl lui dit : " De Nazareth, peut-il sortir quelque chose de bon ? " Philippe lui dit : " Viens et vois. "
Jao / Jo 1:47 Jesus saw Nathanael coming to him, and saith of him, Behold an Israelite indeed, in whom is no guile! Jesosy nahita an' i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. Nony nahita an' i Natanaely tamy nanatona azy Jeso, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. Jésus vit Nathanaèl venir vers lui et il dit de lui : " Voici vraiment un Israélite sans détour. "
Jao / Jo 1:48 Nathanael saith unto him, Whence knowest thou me? Jesus answered and said unto him, Before that Philip called thee, when thou wast under the fig tree, I saw thee. Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin' ny aviavy ianao. Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin' i Jeso azy: Talohan' ny niantsoan' i Filipo anao, dia hitako tao ambanin' ny aviavy hianao. Nathanaèl lui dit : " D' où me connais-tu ? " Jésus lui répondit : " Avant que Philippe t' appelât, quand tu étais sous le figuier, je t' ai vu. "
Jao / Jo 1:49 Nathanael answered and saith unto him, Rabbi, thou art the Son of God; thou art the King of Israel. Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak' Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan' ny Isiraely. Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak' Andriamanitra, hianao no Mpanjakan' Israely. Nathanaèl reprit : " Rabbi, tu es le Fils de Dieu, tu es le roi d' Israël. "
Jao / Jo 1:50 Jesus answered and said unto him, Because I said unto thee, I saw thee under the fig tree, believest thou? thou shalt see greater things than these. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin' ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao. Ary hoy Jeso taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin' ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. Jésus lui répondit : " Parce que je t' ai dit : "Je t' ai vu sous le figuier", tu crois ! Tu verras mieux encore. "
Jao / Jo 1:51 And he saith unto him, Verily, verily, I say unto you, Hereafter ye shall see heaven open, and the angels of God ascending and descending upon the Son of man. Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin' Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin' ny Zanak' olona. Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin' Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin' ny Zanak' olona hianareo. Et il lui dit : " En vérité, en vérité, je vous le dis, vous verrez le ciel ouvert et les anges de Dieu monter et descendre au-dessus du Fils de l' homme. "

<-
->