<-
->

Jao / Jo 18:1 When Jesus had spoken these words, he went forth with his disciples over the brook Cedron, where was a garden, into the which he entered, and his disciples. Rehefa voalazan' i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin' ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran' izy sy ny mpianany. Rehefa voalazan i Jeso izany, dia lasa izy sy ny mpianany nankany an-dafin' ny riakan' i Sedrona, izay nisy saha anankiray nidiran' izy sy ny mpianany. Ayant dit cela, Jésus s' en alla avec ses disciples de l' autre côté du torrent du Cédron. Il y avait là un jardin dans lequel il entra, ainsi que ses disciples.
Jao / Jo 18:2 And Judas also, which betrayed him, knew the place: for Jesus ofttimes resorted thither with his disciples. Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin' ny mpianany. Fantatr' i Jodasy ilay namadika azy koa io toerana io, satria falehan' i Jeso sy ny mpianany matetika. Or Judas, qui le livrait, connaissait aussi ce lieu, parce que bien des fois Jésus et ses disciples s' y étaient réunis.
Jao / Jo 18:3 Judas then, having received a band of men and officers from the chief priests and Pharisees, cometh thither with lanterns and torches and weapons. Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin' ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin' ny lohandohan' ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana. Judas donc, menant la cohorte et des gardes détachés par les grands prêtres et les Pharisiens, vient là avec des lanternes, des torches et des armes.
Jao / Jo 18:4 Jesus therefore, knowing all things that should come upon him, went forth, and said unto them, Whom seek ye? Ary satria fantatr' i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin' ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo? Jeso tamin' izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo? Alors Jésus, sachant tout ce qui allait lui advenir, sortit et leur dit : " Qui cherchez-vous ? "
Jao / Jo 18:5 They answered him, Jesus of Nazareth. Jesus saith unto them, I am he. And Judas also, which betrayed him, stood with them. Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy. Dia hoy ny navalin' izy ireo azy: Jeso avy any Nazareta. Ka hoy Jeso taminy: Izaho no izy. Eo koa izany Jodasy ilay namadika azy. Ils lui répondirent : " Jésus le Nazaréen. " Il leur dit : " C' est moi. " Or Judas, qui le livrait, se tenait là, lui aussi, avec eux.
Jao / Jo 18:6 As soon then as he had said unto them, I am he, they went backward, and fell to the ground. Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin' ny tany. Vao nilazan' i Jeso hoe: Izaho no izy, dia nianotra izy ireo, ka niankarapoka tamin' ny tany. Quand Jésus leur eut dit : " C' est moi ", ils reculèrent et tombèrent à terre.
Jao / Jo 18:7 Then asked he them again, Whom seek ye? And they said, Jesus of Nazareth. Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta. Fa nanontany azy indray Jeso nanao hoe: Iza no tadiavinareo? Dia hoy izy ireo: Jeso avy any Nazareta. De nouveau il leur demanda : " Qui cherchez-vous ? " Ils dirent : " Jésus le Nazaréen. "
Jao / Jo 18:8 Jesus answered, I have told you that I am he: if therefore ye seek me, let these go their way: Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto; Ka novalian' i Jeso hoe: Efa voalazako taminareo fa izaho no izy; koa raha izaho no tadiavianareo, dia avelao handeha ireto. Jésus répondit : " Je vous ai dit que c' est moi. Si donc c' est moi que vous cherchez, laissez ceux-là s' en aller ",
Jao / Jo 18:9 That the saying might be fulfilled, which he spake, Of them which thou gavest me have I lost none. mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy. Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: Tsy nisy very izay nomenao ahy, na dia iray aza. afin que s' accomplît la parole qu' il avait dite : " Ceux que tu m' as donnés, je n' en ai pas perdu un seul. "
Jao / Jo 18:10 Then Simon Peter having a sword drew it, and smote the high priest' s servant, and cut off his right ear. The servant' s name was Malchus. Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon' ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran' ilay mpanompo. Ary nanan-tsabatra Simona Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon' ny lehiben' ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana: Malkosy no anaran' ilay mpanompo. Alors Simon-Pierre, qui portait un glaive, le tira, frappa le serviteur du grand prêtre et lui trancha l' oreille droite. Ce serviteur avait nom Malchus.
Jao / Jo 18:11 Then said Jesus unto Peter, Put up thy sword into the sheath: the cup which my Father hath given me, shall I not drink it? Dia hoy Jesosy tamin' i Petera: Ampidiro amin' ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen' ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va? Fa hoy Jeso tamin' i Piera. Ampidiro amin' ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen' ny Ray ahy? Jésus dit à Pierre : " Rentre le glaive dans le fourreau. La coupe que m' a donnée le Père, ne la boirai-je pas ? "
Jao / Jo 18:12 Then the band and the captain and officers of the Jews took Jesus, and bound him, Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin' ny Jiosy dia nisambotra an' i Jesosy ka namatotra Azy, Tamin' izay ny antoko-miaramila sy ny tompon' arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin' ny Jody, dia nisambotra an' i Jeso, ka namatotra azy. Alors la cohorte, le tribun et les gardes des Juifs saisirent Jésus et le lièrent.
Jao / Jo 18:13 And led him away to Annas first; for he was father in law to Caiaphas, which was the high priest that same year. dia nitondra Azy tany amin' i Anasy aloha, fa izy no rafozan' i Kaiafa, mpisoronabe tamin' izany taona izany. Tany amin' i Ana aloha no nitondrany azy, fa io no rafozan' i Kaifa izay lehiben' ny mpisorona tamin' izany taona izany; Ils le menèrent d' abord chez Anne ; c'était en effet le beau-père de Caïphe, qui était grand prêtre cette année-là.
Jao / Jo 18:14 Now Caiaphas was he, which gave counsel to the Jews, that it was expedient that one man should die for the people. Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena. ary Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an' ny vahoaka ny lehilahy anankiray. Or Caïphe était celui qui avait donné ce conseil aux Juifs : " Il y a intérêt à ce qu' un seul homme meure pour le peuple. "
Jao / Jo 18:15 And Simon Peter followed Jesus, and so did another disciple: that disciple was known unto the high priest, and went in with Jesus into the palace of the high priest. Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an' i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin' i Jesosy ho ao an-kianjan' ny tranon' ny mpisoronabe izy. Nanaraka an' i Jeso tamin' izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben' ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin' i Jeso tao amin' ny tokotanin' ny lehiben' ny mpisorona. Or Simon-Pierre suivait Jésus, ainsi qu' un autre disciple. Ce disciple était connu du grand prêtre et entra avec Jésus dans la cour du grand prêtre,
Jao / Jo 18:16 But Peter stood at the door without. Then went out that other disciple, which was known unto the high priest, and spake unto her that kept the door, and brought in Peter. Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin' ny mpiandry vavahady, dia nitondra an' i Petera niditra. Fa Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin' ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben' ny mpisorona, ka niteny tamin' ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an' i Piera. tandis que Pierre se tenait près de la porte, dehors. L' autre disciple, celui qui était connu du grand prêtre, sortit donc et dit un mot à la portière et il fit entrer Pierre.
Jao / Jo 18:17 Then saith the damsel that kept the door unto Peter, Art not thou also one of this man' s disciples? He saith, I am not. Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin' i Petera: Moa ianao mba isan' ny mpianatr' io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia. Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin' i Piera: Moa tsy isan' ny mpianatr' io Lehilahy io koa va hianao? Ary hoy izy: Tsia. La servante, celle qui gardait la porte, dit alors à Pierre : " N' es-tu pas, toi aussi, des disciples de cet homme ? " Lui dit : " Je n' en suis pas. "
Jao / Jo 18:18 And the servants and officers stood there, who had made a fire of coals; for it was cold: and they warmed themselves: and Peter stood with them, and warmed himself. Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon' arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy. Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin' ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa Piera. Les serviteurs et les gardes, qui avaient fait un feu de braise, parce que le temps était froid, se tenaient là et se chauffaient. Pierre aussi se tenait là avec eux et se chauffait.
Jao / Jo 18:19 The high priest then asked Jesus of his disciples, and of his doctrine. Ary ny mpisoronabe nanadina an' i Jesosy ny amin' ny mpianany sy ny fampianarany. Ary ny lehiben' ny mpisorona nanadina an' i Jeso ny amin' ny mpianany sy ny fampianarany; Le grand prêtre interrogea Jésus sur ses disciples et sur sa doctrine.
Jao / Jo 18:20 Jesus answered him, I spake openly to the world; I ever taught in the synagogue, and in the temple, whither the Jews always resort; and in secret have I said nothing. Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin' izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin' ny synagoga sy ny kianjan' ny tempoly, izay iangonan' ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin' ny takona; ka hoy Jeso namaly azy: Niteny am-pahibemaso tamin' ny olona rehetra aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin' ny sinagoga sy ny tempoly, izay ivorian' ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; Jésus lui répondit : " C' est au grand jour que j' ai parlé au monde, j' ai toujours enseigné à la synagogue et dans le Temple où tous les Juifs s' assemblent et je n' ai rien dit en secret.
Jao / Jo 18:21 Why askest thou me? ask them which heard me, what I have said unto them: behold, they know what I said. koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko. ka ahoana no anontanianao ahy? Ireo nihaino ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko. Pourquoi m' interroges-tu ? Demande à ceux qui ont entendu ce que je leur ai enseigné ; eux, ils savent ce que j' ai dit. "
Jao / Jo 18:22 And when he had thus spoken, one of the officers which stood by struck Jesus with the palm of his hand, saying, Answerest thou the high priest so? Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an' i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? Nony nilaza izany Jeso, dia nasian' ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: Izany ve no famalinao ny lehiben' ny mpisorona? A ces mots, l' un des gardes, qui se tenait là, donna une gifle à Jésus en disant : " C' est ainsi que tu réponds au grand prêtre ? "
Jao / Jo 18:23 Jesus answered him, If I have spoken evil, bear witness of the evil: but if well, why smitest thou me? Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao? Jeso namaly azy hoe: Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely ahy hianao? Jésus lui répondit : " Si j' ai mal parlé, témoigne de ce qui est mal ; mais si j' ai bien parlé, pourquoi me frappes-tu ? "
Jao / Jo 18:24 Now Annas had sent him bound unto Caiaphas the high priest. Ary dia nasain' i Anasy nentina tamin' ny fatorany ho any amin' i Kaiafa mpisoronabe Izy. Dia nasain' i Ana nentina am-patorana ho any amin' i Kaifa lehiben' ny mpisorona izy. Anne l' envoya alors, toujours lié, au grand prêtre, Caïphe.
Jao / Jo 18:25 And Simon Peter stood and warmed himself. They said therefore unto him, Art not thou also one of his disciples? He denied it, and said, I am not. Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan' ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia. Ary Simona Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: Moa tsy isan' ny mpianany koa va hianao? Fa nandà izy nanao hoe: Tsia. Or Simon-Pierre se tenait là et se chauffait. Ils lui dirent : " N' es-tu pas, toi aussi, de ses disciples ? " Lui le nia et dit : " Je n' en suis pas. "
Jao / Jo 18:26 One of the servants of the high priest, being his kinsman whose ear Peter cut off, saith, Did not I see thee in the garden with him? Hoy ny anankiray tamin' ny mpanompon' ny mpisoronabe havan' ilay nokapain' i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao? Dia hoy koa ny anankiray tamin' ny mpanompon' ny lehiben' ny mpisorona, izay havan' ilay notapahin' i Piera sofina: Tsy hianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha? Un des serviteurs du grand prêtre, un parent de celui à qui Pierre avait tranché l' oreille, dit : " Ne t' ai-je pas vu dans le jardin avec lui ? "
Jao / Jo 18:27 Peter then denied again: and immediately the cock crew. Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin' izay dia nisy akoho naneno. Fa nandà indray Piera, ary niaraka tamin' izay dia nisy akoho naneno. De nouveau Pierre nia, et aussitôt un coq chanta.
Jao / Jo 18:28 Then led they Jesus from Caiaphas unto the hall of judgment: and it was early; and they themselves went not into the judgment hall, lest they should be defiled; but that they might eat the passover. Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin' i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin' izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. Dia nentiny niala tao amin' i Kaifa Jeso, ho any an-tranon' ny governora. Efa maraina ny andro tamin' izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. Alors ils mènent Jésus de chez Caïphe au prétoire. C'était le matin. Eux-mêmes n' entrèrent pas dans le prétoire, pour ne pas se souiller, mais pour pouvoir manger la Pâque.
Jao / Jo 18:29 Pilate then went out unto them, and said, What accusation bring ye against this man? Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io? Koa Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo ala-trano, nanao hoe: Inona no iampanganareo io Lehilahy io? Pilate sortit donc au-dehors, vers eux, et il dit : " Quelle accusation portez-vous contre cet homme ? "
Jao / Jo 18:30 They answered and said unto him, If he were not a malefactor, we would not have delivered him up unto thee. Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao. Dia hoy ny navalin' izy ireo azy: Raha tsy mpanao ratsy izy, dia tsy ho natolotray anao. Ils lui répondirent : " Si ce n'était pas un malfaiteur, nous ne te l' aurions pas livré. "
Jao / Jo 18:31 Then said Pilate unto them, Take ye him, and judge him according to your law. The Jews therefore said unto him, It is not lawful for us to put any man to death: Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona; Ka hoy Pilaty taminy: Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Fa hoy ny Jody namaly azy: Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay. Pilate leur dit : " Prenez-le, vous, et jugez-le selon votre Loi. " Les Juifs lui dirent : " Il ne nous est pas permis de mettre quelqu' un à mort ",
Jao / Jo 18:32 That the saying of Jesus might be fulfilled, which he spake, signifying what death he should die. mba hahatanteraka ny tenin' i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban' ny fahafatesana izay efa hiaretany. Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran' i Jeso momba ny fahafatesana hanjo azy. afin que s' accomplît la parole qu' avait dite Jésus, signifiant de quelle mort il devait mourir.
Jao / Jo 18:33 Then Pilate entered into the judgment hall again, and called Jesus, and said unto him, Art thou the King of the Jews? Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an' i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan' ny Jiosy? Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an' i Jeso sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan' ny Jody va hianao? Alors Pilate entra de nouveau dans le prétoire ; il appela Jésus et dit : " Tu es le roi des Juifs ? "
Jao / Jo 18:34 Jesus answered him, Sayest thou this thing of thyself, or did others tell it thee of me? Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao? Jeso namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an' olon-kafa nilaza ahy taminao? Jésus répondit : " Dis-tu cela de toi-même ou d' autres te l' ont-ils dit de moi ? "
Jao / Jo 18:35 Pilate answered, Am I a Jew? Thine own nation and the chief priests have delivered thee unto me: what hast thou done? Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao? Dia namaly Pilaty nanao hoe: F' izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao? Pilate répondit : " Est-ce que je suis Juif, moi ? Ta nation et les grands prêtres t' ont livré à moi. Qu' as-tu fait ? "
Jao / Jo 18:36 Jesus answered, My kingdom is not of this world: if my kingdom were of this world, then would my servants fight, that I should not be delivered to the Jews: but now is my kingdom not from hence. Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin' izao tontolo izao; fa raha mba avy amin' izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin' ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin' izany ny fanjakako. Jeso namaly hoe: Tsy anisan' izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan' izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain' ny Jody aho; fa tsy anisan' izao tontolo izao ny fanjakako. Jésus répondit : " Mon royaume n' est pas de ce monde. Si mon royaume était de ce monde, mes gens auraient combattu pour que je ne sois pas livré aux Juifs. Mais mon royaume n' est pas d' ici. "
Jao / Jo 18:37 Pilate therefore said unto him, Art thou a king then? Jesus answered, Thou sayest that I am a king. To this end was I born, and for this cause came I into the world, that I should bear witness unto the truth. Every one that is of the truth heareth my voice. Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin' izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin' ny marina dia mihaino ny feoko. Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian' i Jeso hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko. Pilate lui dit : " Donc tu es roi ? " Jésus répondit : " Tu le dis : je suis roi. Je ne suis né, et je ne suis venu dans le monde, que pour rendre témoignage à la vérité. Quiconque est de la vérité écoute ma voix. "
Jao / Jo 18:38 Pilate saith unto him, What is truth? And when he had said this, he went out again unto the Jews, and saith unto them, I find in him no fault at all. Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin' ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. Inona no marina? hoy Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin' ny Jody indray izy ka nanao tamin' ireo hoe: Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza; Pilate lui dit : " Qu' est-ce que la vérité ? " Et, sur ce mot, il sortit de nouveau et alla vers les Juifs. Et il leur dit : " Je ne trouve en lui aucun motif de condamnation.
Jao / Jo 18:39 But ye have a custom, that I should release unto you one at the passover: will ye therefore that I release unto you the King of the Jews? Fa misy fanaonareo amin' ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan' ny Jiosy? fa araky ny fanao amin' ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny mpanjakan' ny Jody? Mais c' est pour vous une coutume que je vous relâche quelqu' un à la Pâque. Voulez-vous que je vous relâche le roi des Juifs ? "
Jao / Jo 18:40 Then cried they all again, saying, Not this man, but Barabbas. Now Barabbas was a robber. Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy. Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: Tsy izy, fa Barabasy. Kanefa jiolahy Barabasy. Alors ils vociférèrent de nouveau, disant : " Pas lui, mais Barabbas ! " Or Barabbas était un brigand.

<-
->