<-
->

Asa 18:1 After these things Paul departed from Athens, and came to Corinth; Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto. Taorian' izany, dia niala tao Atena Paoly ka nankany Korinta. Après cela, Paul s'éloigna d' Athènes et gagna Corinthe.
Asa 18:2 And found a certain Jew named Aquila, born in Pontus, lately come from Italy, with his wife Priscilla; (because that Claudius had commanded all Jews to depart from Rome:) and came unto them. Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin' izy mivady Paoly. Avy tao izy dia nahita Jody anankiray atao hoe Akilasy teraka tany Ponta, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin' i Prisila vadiny fa nodidian' i Klaody hiala tany Roma ny Jody rehetra, ka nanatona azy mivady. Il y trouva un Juif nommé Aquilas, originaire du Pont, qui venait d' arriver d' Italie avec Priscille, sa femme, à la suite d' un édit de Claude qui ordonnait à tous les Juifs de s'éloigner de Rome. Il se lia avec eux,
Asa 18:3 And because he was of the same craft, he abode with them, and wrought: for by their occupation they were tentmakers. Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany. Iray raharaha taminy izy, fa ny manao lay no raharahany, ka dia nitoetra niasa tao izy. et, comme ils étaient du même métier, il demeura chez eux et y travailla. Ils étaient de leur état fabricants de tentes.
Asa 18:4 And he reasoned in the synagogue every sabbath, and persuaded the Jews and the Greeks. Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin' ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. Nampianatra isan-tsabata izy tao amin' ny sinagoga ary nampanaiky ny Jody sy ny jentily. Chaque sabbat, il discourait à la synagogue et s' efforçait de persuader Juifs et Grecs.
Asa 18:5 And when Silas and Timotheus were come from Macedonia, Paul was pressed in the spirit, and testified to the Jews that Jesus was Christ. Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin' ny teny Paoly ka nanambara tamin' ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. Nony tonga avy tany Masedonia Silasy sy Timote, dia nahery nitory teny Paoly, ka nanamarina tamin' ny Jody fa Jeso no Kristy. Quand Silas et Timothée furent arrivés de Macédoine, Paul se consacra tout entier à la parole, attestant aux Juifs que Jésus est le Christ.
Asa 18:6 And when they opposed themselves, and blasphemed, he shook his raiment, and said unto them, Your blood be upon your own heads; I am clean; from henceforth I will go unto the Gentiles. Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin' izao sisa izao dia hankany amin' ny jentilisa aho. Ary noho izy notoherin' ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin' ireo: Aoka ho eo amin' ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin' izao dia any amin' ny jentily no halehako. Mais devant leur opposition et leurs paroles blasphématoires, il secoua ses vêtements et leur dit : " Que votre sang retombe sur votre tête ! Pour moi, je suis pur, et désormais c' est aux païens que j' irai. "
Asa 18:7 And he departed thence, and entered into a certain man' s house, named Justus, one that worshipped God, whose house joined hard to the synagogue. Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon' ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin' Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin' ny synagoga. Nony niala teo izy, dia niditra tao an-tranon' ny olona anankiray atao hoe Tito ilay Marina; lehilahy natahotra an' Andriamanitra izy io, ary nifanolotra tamin' ny sinagoga ny tranony. Alors, se retirant de là, Paul se rendit chez un certain Justus, homme adorant Dieu, dont la maison était contiguè à la synagogue.
Asa 18:8 And Crispus, the chief ruler of the synagogue, believed on the Lord with all his house; and many of the Corinthians hearing believed, and were baptized. Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin' ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. Ary nino ny Tompo i Krisposa lehiben' ny sinagoga mbamin' ny ankohonany rehetra; ka nisy maro ny tao Korinta no nino sy natao batemy koa, nony efa nihaino an' i Paoly. Crispus, le chef de synagogue, crut au Seigneur avec tous les siens. Beaucoup de Corinthiens qui entendaient Paul embrassaient également la foi et se faisaient baptiser.
Asa 18:9 Then spake the Lord to Paul in the night by a vision, Be not afraid, but speak, and hold not thy peace: Ary ny Tompo niteny tamin' i Paoly tamin' ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin' i Paoly tamin' ny tsindrimandry: Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina. Une nuit, dans une vision, le Seigneur dit à Paul : " Sois sans crainte. Continue de parler, ne te tais pas.
Asa 18:10 For I am with thee, and no man shall set on thee to hurt thee: for I have much people in this city. fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin' ity tanàna ity Aho. Satria momba anao aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin' ity tanàna ity. Car je suis avec toi, et personne ne mettra sur toi la main pour te faire du mal, parce que j' ai à moi un peuple nombreux dans cette ville. "
Asa 18:11 And he continued there a year and six months, teaching the word of God among them. Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin' Andriamanitra teo aminy. Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin' Andriamanitra tao. Il séjourna là un an et six mois, enseignant aux gens la parole de Dieu.
Asa 18:12 And when Gallio was the deputy of Achaia, the Jews made insurrection with one accord against Paul, and brought him to the judgment seat, Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an' i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin' ny fitsarana, Ary nony Galiona no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an' i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin' ny fitsarana, Alors que Gallion était proconsul d' Achaïe, les Juifs se soulevèrent d' un commun accord contre Paul et l' amenèrent devant le tribunal
Asa 18:13 Saying, This fellow persuadeth men to worship God contrary to the law. ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin' Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna. ka nanao hoe: Ilay ity mitaona ny olona hanaraka fombam-pivavahana mifanohitra amin' ny Lalàna. en disant : " Cet individu cherche à persuader les gens d' adorer Dieu d' une manière contraire à la Loi. "
Asa 18:14 And when Paul was now about to open his mouth, Gallio said unto the Jews, If it were a matter of wrong or wicked lewdness, O ye Jews, reason would that I should bear with you: Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin' ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho; Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy Galiona tamin' ny Jody: Ry Jody, ny amin' ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo; Paul allait ouvrir la bouche, quand Gallion dit aux Juifs : " S' il était question de quelque délit ou méfait, j' accueillerais, Juifs, votre plainte, comme de raison.
Asa 18:15 But if it be a question of words and names, and of your law, look ye to it; for I will be no judge of such matters. fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany. fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an' izany aho. Mais puisqu' il s' agit de contestations sur des mots et des noms et sur votre propre Loi, à vous de voir ! Etre juge, moi, en ces matières, je m' y refuse. "
Asa 18:16 And he drave them from the judgment seat. Ary nandroaka azy hiala teo anoloan' ny fitsarana izy. Dia noroahiny hiala teo amin' ny fitsarana izy ireo. Et il les renvoya du tribunal.
Asa 18:17 Then all the Greeks took Sosthenes, the chief ruler of the synagogue, and beat him before the judgment seat. And Gallio cared for none of those things. Ary izy rehetra nisambotra an' i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan' ny fitsarana. Nefa tsy nahoan' i Galio izany zavatra izany. Tamin' izay dia nosamborin' izy rehetra Sostena lehiben' ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan' ny fitsarana; fa tsy nahoan' i Galiona akory izany. Tous alors se saisirent de Sosthène, le chef de synagogue, et, devant le tribunal, se mirent à le battre. Et de tout cela Gallion n' avait cure.
Asa 18:18 And Paul after this tarried there yet a good while, and then took his leave of the brethren, and sailed thence into Syria, and with him Priscilla and Aquila; having shorn his head in Cenchrea: for he had a vow. Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy. Mbola nitoetra tao Korinta andro maromaro ihany Paoly, vao nanao veloma ny rahalahy, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin' i Prisila sy Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony. Paul resta encore un certain temps à Corinthe, puis il prit congé des frères et s' embarqua pour la Syrie. Priscille et Aquilas l' accompagnaient. Il s'était fait tondre la tête à Cenchrées, à cause d' un voeu qu' il avait fait.
Asa 18:19 And he came to Ephesus, and left them there: but he himself entered into the synagogue, and reasoned with the Jews. Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin' ny synagoga ka niady hevitra tamin' ny Jiosy. Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady Paoly, ka niditra tao amin' ny sinagoga, niady hevitra tamin' ny Jody. Ils abordèrent à Éphèse, où il se sépara de ses compagnons. Il se rendit à la synagogue et s' y entretint avec les Juifs.
Asa 18:20 When they desired him to tarry longer time with them, he consented not; Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy, Nangataka azy hitoetra elaela kokoa izy ireo, nefa tsy nety izy, Ceux-ci lui demandèrent de prolonger son séjour. Il n' y consentit pas,
Asa 18:21 But bade them farewell, saying, I must by all means keep this feast that cometh in Jerusalem: but I will return again unto you, if God will. And he sailed from Ephesus. fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatý aminareo indray aho, raha sitrapon' Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy. fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: Mbola hiverina atý aminareo ihany aho raha sitrak' Andriamanitra; dia niala tao Efezy izy, mais, en prenant congé d' eux, il leur dit : " Je reviendrai chez vous une autre fois, s' il plaît à Dieu. " Et il partit d'Éphèse.
Asa 18:22 And when he had landed at Caesarea, and gone up, and saluted the church, he went down to Antioch. Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia. ka rahefa tafatody tany Sezarea izy dia niakatra tany Jerosalema, niarahaba ny Eglizy, vao nidina nankany Antiokia. Débarqué à Césarée, il monta saluer l'Église, puis descendit à Antioche ;
Asa 18:23 And after he had spent some time there, he departed, and went over all the country of Galatia and Phrygia in order, strengthening all the disciples. Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra. Ary nony nitoetra kelikely tao izy, dia lasa nitety ny tany Galatia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra. après y avoir passé quelque temps, il repartit et parcourut successivement le territoire galate et la Phrygie en affermissant tous les disciples.
Asa 18:24 And a certain Jew named Apollos, born at Alexandria, an eloquent man, and mighty in the scriptures, came to Ephesus. Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin' ny Soratra Masina. Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apolo tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina. Un Juif nommé Apollos, originaire d' Alexandrie, était arrivé à Éphèse. C'était un homme éloquent, versé dans les Écritures.
Asa 18:25 This man was instructed in the way of the Lord; and being fervent in the spirit, he spake and taught diligently the things of the Lord, knowing only the baptism of John. Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan' ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin' i Jesosy, kanefa ny batisan' i Jaona ihany no fantany. Efa nianatra ny làlan' ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-pò, ka nampianatra tsara ny amin' i Jeso, na dia ny batemin' i Joany ihany aza no fantany. Il avait été instruit de la Voie du Seigneur, et, dans la ferveur de son âme, il prêchait et enseignait avec exactitude ce qui concerne Jésus, bien qu' il connût seulement le baptême de Jean.
Asa 18:26 And he began to speak boldly in the synagogue: whom when Aquila and Priscilla had heard, they took him unto them, and expounded unto him the way of God more perfectly. Ary izy niteny tamin' ny fahasahiana teo amin' ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin' ny lalan' Andriamanitra. Niteny tamin-kasahiana teo amin' ny sinagoga izy, ka nony ren' i Prisila sy Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny làlan' ny Tompo. Il se mit donc à parler avec assurance dans la synagogue. Priscille et Aquilas, qui l' avaient entendu, le prirent avec eux et lui exposèrent plus exactement la Voie.
Asa 18:27 And when he was disposed to pass into Achaia, the brethren wrote, exhorting the disciples to receive him: who, when he was come, helped them much which had believed through grace: Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin' ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahan' ny rahalahy izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan' ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin' izay efa nino noho ny fahasoavana. Comme il voulait partir pour l' Achaïe, les frères l' y encouragèrent et écrivirent aux disciples de lui faire bon accueil. Arrivé là, il fut, par l' effet de la grâce, d' un grand secours aux croyants :
Asa 18:28 For he mightily convinced the Jews, and that publickly, shewing by the scriptures that Jesus was Christ. fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason' ny olona ka naneho marimarina tamin' ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy. Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin' ny Soratra Masina fa Jeso no Kristy. car il réfutait vigoureusement les Juifs en public, démontrant par les Écritures que Jésus est le Christ.

<-
->