<-
->

Asa 9:1 And Saul, yet breathing out threatenings and slaughter against the disciples of the Lord, went unto the high priest, Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin' ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin' ny mpisoronabe izy Tamin' izany Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben' ny mpisorona izy, Cependant Saul, ne respirant toujours que menaces et carnage à l'égard des disciples du Seigneur, alla trouver le grand prêtre
Asa 9:2 And desired of him letters to Damascus to the synagogues, that if he found any of this way, whether they were men or women, he might bring them bound unto Jerusalem. ka nangataka taratasy taminy ho any amin' ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. nangataka taratasy taminy ho an' ny sinagogan' i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany làlana izany, na lahy na vavy. et lui demanda des lettres pour les synagogues de Damas, afin que, s' il y trouvait quelques adeptes de la Voie, hommes ou femmes, il les amenât enchaînés à Jérusalem.
Asa 9:3 And as he journeyed, he came near Damascus: and suddenly there shined round about him a light from heaven: Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin' i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; Raha mbola teny an-dàlana izy ka efa mby akaikin' i Damasa dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. Il faisait route et approchait de Damas, quand soudain une lumière venue du ciel l' enveloppa de sa clarté.
Asa 9:4 And he fell to the earth, and heard a voice saying unto him, Saul, Saul, why persecutest thou me? dia lavo tamin' ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Dia lavo tamin' ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? Tombant à terre, il entendit une voix qui lui disait : " Saoul, Saoul, pourquoi me persécutes-tu ? " -
Asa 9:5 And he said, Who art thou, Lord? And the Lord said, I am Jesus whom thou persecutest: it is hard for thee to kick against the pricks. Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; Ka hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? - Ary hoy ny Tompo: izaho no Jeso izay enjehinao; sasa-poana hianao mitroatra manohitra ny fanindronana. " Qui es-tu, Seigneur ? " demanda-t-il. Et lui : " Je suis Jésus que tu persécutes.
Asa 9:6 And he trembling and astonished said, Lord, what wilt thou have me to do? And the Lord said unto him, Arise, and go into the city, and it shall be told thee what thou must do. fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: Tompo ô! inona no tianao hataoko? Mais relève-toi, entre dans la ville, et l' on te dira ce que tu dois faire. "
Asa 9:7 And the men which journeyed with him stood speechless, hearing a voice, but seeing no man. Ary ny olona izay nomba azy tamin' ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao. Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. Ses compagnons de route s'étaient arrêtés, muets de stupeur : ils entendaient bien la voix, mais sans voir personne.
Asa 9:8 And Saul arose from the earth; and when his eyes were opened, he saw no man: but they led him by the hand, and brought him into Damascus. Ary Saoly nitsangana tamin' ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasa. Saul se releva de terre, mais, quoiqu' il eût les yeux ouverts, il ne voyait rien. On le conduisit par la main pour le faire entrer à Damas.
Asa 9:9 And he was three days without sight, and neither did eat nor drink. Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro. Trois jours durant, il resta sans voir, ne mangeant et ne buvant rien.
Asa 9:10 And there was a certain disciple at Damascus, named Ananias; and to him said the Lord in a vision, Ananias. And he said, Behold, I am here, Lord. Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin' ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. Tao Damasa fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazàn' ny Tompo tamin' ny tsindrimandry hoe: Ry Anania. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. Il y avait à Damas un disciple du nom d' Ananie. Le Seigneur l' appela dans une vision : " Ananie ! " - " Me voici, Seigneur ", répondit-il. -
Asa 9:11 And the Lord said unto him, Arise, and go into the street which is called Straight, and enquire in the house of Judas for one called Saul, of Tarsus: for, behold, he prayeth, Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin' ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon' i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin' ny làlana atao hoe i Mahitsy; tadiavo ao an-tranon' i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao. " Pars, reprit le Seigneur, va dans la rue Droite et demande, dans la maison de Judas, un nommé Saul de Tarse. Car le voilà qui prie
Asa 9:12 And hath seen in a vision a man named Ananias coming in, and putting his hand on him, that he might receive his sight. ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. (Tamin' izay koa Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin' ny tsindrimandry atao hoe, Anania izay niditra sy nametra-tànana taminy mba hampahiratra azy). et qui a vu un homme du nom d' Ananie entrer et lui imposer les mains pour lui rendre la vue. "
Asa 9:13 Then Ananias answered, Lord, I have heard by many of this man, how much evil he hath done to thy saints at Jerusalem: Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin' ny maro ny haben' ny ratsy nataon' izany lehilahy izany tamin' ny olonao masina tany Jerosalema. Ary Anania namaly hoe: Tompoko, reko tamin' ny olona maro fa loza loatra no nafitsok' io lehilahy io tamin' ny olonao masina tao Jerosalema; Ananie répondit : " Seigneur, j' ai entendu beaucoup de monde parler de cet homme et dire tout le mal qu' il a fait à tes saints à Jérusalem.
Asa 9:14 And here he hath authority from the chief priests to bind all that call on thy name. Ary manana fahefanay koa avy tamin' ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin' ny lehiben' ny mpisorona koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. Et il est ici avec pleins pouvoirs des grands prêtres pour enchaîner tous ceux qui invoquent ton nom. "
Asa 9:15 But the Lord said unto him, Go thy way: for he is a chosen vessel unto me, to bear my name before the Gentiles, and kings, and the children of Israel: Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan' ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak' isiraely; Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan' ny jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak' Israely; Mais le Seigneur lui dit : " Va, car cet homme m' est un instrument de choix pour porter mon nom devant les nations païennes, les rois et les Israélites.
Asa 9:16 For I will shew him how great things he must suffer for my name' s sake. fa hasehoko azy ny habetsahan' izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. Moi-même, en effet, je lui montrerai tout ce qu' il lui faudra souffrir pour mon nom. "
Asa 9:17 And Ananias went his way, and entered into the house; and putting his hands on him said, Brother Saul, the Lord, even Jesus, that appeared unto thee in the way as thou camest, hath sent me, that thou mightest receive thy sight, and be filled with the Holy Ghost. Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin' ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan' ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. Dia nandeha Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tànana taminy nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, Jeso Tompo izay niseho taminao teo amin' ny làlana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray hianao sy ho feno ny Fanahy Masina. Alors Ananie partit, entra dans la maison, imposa les mains à Saul et lui dit : " Saoul, mon frère, celui qui m' envoie, c' est le Seigneur, ce Jésus qui t' est apparu sur le chemin par où tu venais ; et c' est afin que tu recouvres la vue et sois rempli de l' Esprit Saint. "
Asa 9:18 And immediately there fell from his eyes as it had been scales: and he received sight forthwith, and arose, and was baptized. Ary niaraka tamin' izay dia nisy zavatra toy ny kiran' ny hazandrano niala avy tamin' ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa; Niaraka tamin' izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin' ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batemy; Aussitôt il lui tomba des yeux comme des écailles, et il recouvra la vue. Sur-le-champ il fut baptisé ;
Asa 9:19 And when he had received meat, he was strengthened. Then was Saul certain days with the disciples which were at Damascus. ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin' ny mpianatra tany Damaskosy. ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin' ny mpianatra tao Damasa i Saoly, puis il prit de la nourriture, et les forces lui revinrent. Il passa quelques jours avec les disciples à Damas,
Asa 9:20 And straightway he preached Christ in the synagogues, that he is the Son of God. Ary niaraka tamin' izay dia nitory teo amin' ny synagoga izy ka nilaza an' i Jesosy fa Zanak' Andriamanitra. ary nitory teo amin' ny sinagoga niaraka tamin' izay izy, ka nilaza fa Jeso no Zanak' Andriamanitra. et aussitôt il se mit à prêcher Jésus dans les synagogues, proclamant qu' il est le Fils de Dieu.
Asa 9:21 But all that heard him were amazed, and said; Is not this he that destroyed them which called on this name in Jerusalem, and came hither for that intent, that he might bring them bound unto the chief priests? Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin' ny mpisoronabe. Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atý mba hitondra azy am-patorana ho any amin' ny lehiben' ny mpisorona koa? Tous ceux qui l' entendaient étaient stupéfaits et disaient : " N' est-ce pas là celui qui, à Jérusalem, s' acharnait sur ceux qui invoquent ce nom, et n' est-il pas venu ici tout exprès pour les amener enchaînés aux grands prêtres ? "
Asa 9:22 But Saul increased the more in strength, and confounded the Jews which dwelt at Damascus, proving that this is very Christ. Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasa, naneho marimarina tamin' izy ireo fa Jeso no Kristy. Mais Saul gagnait toujours en force et confondait les Juifs de Damas en démontrant que Jésus est bien le Christ.
Asa 9:23 And after that many days were fulfilled, the Jews took counsel to kill him: Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy; Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody; Au bout d' un certain temps, les Juifs se concertèrent pour le faire périr.
Asa 9:24 But their laying await was known of Saul. And they watched the gates day and night to kill him. nefa fantatr' i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman' alina hamonoany azy. fantatr' i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan' izy ireo andro aman' alina ny vavahady mba hamonoany azy; Mais Saul eut vent de leur complot. On gardait même les portes de la ville jour et nuit, afin de le faire périr.
Asa 9:25 Then the disciples took him by night, and let him down by the wall in a basket. Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin' ny sobiky avy eo amin' ny mànda. kanjo nalain' ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin' ny sobiky, dia nampidininy tamin' ny manda. Alors les disciples le prirent de nuit et le descendirent dans une corbeille le long de la muraille.
Asa 9:26 And when Saul was come to Jerusalem, he assayed to join himself to the disciples: but they were all afraid of him, and believed not that he was a disciple. Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin' ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra. Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin' ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr' i Jeso koa izy. Arrivé à Jérusalem, il essayait de se joindre aux disciples, mais tous en avaient peur, ne croyant pas qu' il fût vraiment disciple.
Asa 9:27 But Barnabas took him, and brought him to the apostles, and declared unto them how he had seen the Lord in the way, and that he had spoken to him, and how he had preached boldly at Damascus in the name of Jesus. Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin' ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran' i Jesosy tany Damaskosy. Tamin' izay nalain' i Barnabe izy ka nentiny tao amin' ny Apostoly, dia notantarainy tamin' izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dàlana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin' ny nitoriany ny anaran' i Jeso tao Damasa. Alors Barnabé le prit avec lui, l' amena aux apôtres et leur raconta comment, sur le chemin, Saul avait vu le Seigneur, qui lui avait parlé, et avec quelle assurance il avait prêché à Damas au nom de Jésus.
Asa 9:28 And he was with them coming in and going out at Jerusalem. Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin' ireo tany Jerosalema, Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin' ny anaran' ny Tompo. Dès lors il allait et venait avec eux dans Jérusalem, prêchant avec assurance au nom du Seigneur.
Asa 9:29 And he spake boldly in the name of the Lord Jesus, and disputed against the Grecians: but they went about to slay him. sady nitory tamin' ny anaran' ny Tompo tamin' ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin' ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy. Niresaka tamin' ny jentily koa izy, ary niady hevitra tamin' ny Helenista; kanjo notadiavin' ireo hovonoina. Il s' adressait aussi aux Hellénistes et discutait avec eux ; mais ceux-ci machinaient sa perte.
Asa 9:30 Which when the brethren knew, they brought him down to Caesarea, and sent him forth to Tarsus. Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy. Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsy. L' ayant su, les frères le ramenèrent à Césarée, d' où ils le firent partir pour Tarse.
Asa 9:31 Then had the churches rest throughout all Judaea and Galilee and Samaria, and were edified; and walking in the fear of the Lord, and in the comfort of the Holy Ghost, were multiplied. Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran' i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin' ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan' ny Fanahy ka nihamaro. Niadana ny Eglizy eran' i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin' ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin' ny famporisihan' ny Fanahy Masina koa. Cependant les Églises jouissaient de la paix dans toute la Judée, la Galilée et la Samarie ; elles s'édifiaient et vivaient dans la crainte du Seigneur, et elles étaient comblées de la consolation du Saint Esprit. Pierre guérit un paralytique à Lydda.
Asa 9:32 And it came to pass, as Peter passed throughout all quarters, he came down also to the saints which dwelt at Lydda. Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin' ny olona masina nonina tany Lyda koa. Tamin' izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin' ny olona masina izay nonina tao Lidà koa, Pierre, qui passait partout, descendit également chez les saints qui habitaient Lydda.
Asa 9:33 And there he found a certain man named Aeneas, which had kept his bed eight years, and was sick of the palsy. Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin' ny paralysisa. ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin' ny valo taona, fa malemy, Il y trouva un homme du nom d'Énée, qui gisait sur un grabat depuis huit ans ; c'était un paralytique.
Asa 9:34 And Peter said unto him, Aeneas, Jesus Christ maketh thee whole: arise, and make thy bed. And he arose immediately. Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin' izay izy. ary nanao taminy hoe: Ry Enea, hanasitrana anao Jeso-Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin' izay izy. Pierre lui dit : " Énée, Jésus Christ te guérit. Lève-toi et fais toi-même ton lit. " Et il se leva aussitôt.
Asa 9:35 And all that dwelt at Lydda and Saron saw him, and turned to the Lord. Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin' ny Tompo. Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Saròna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa. Tous les habitants de Lydda et de la plaine de Saron le virent, et ils se convertirent au Seigneur.
Asa 9:36 Now there was at Joppa a certain disciple named Tabitha, which by interpretation is called Dorcas: this woman was full of good works and almsdeeds which she did. Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon' izany vehivavy izany. Ary tany Jope nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dorkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka. Il y avait à Joppé parmi les disciples une femme du nom de Tabitha, en grec Dorcas. Elle était riche des bonnes oeuvres et des aumônes qu' elle faisait.
Asa 9:37 And it came to pass in those days, that she was sick, and died: whom when they had washed, they laid her in an upper chamber. Ary narary izy tamin' izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony. Narary izy tamin' izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroiny ny fatiny, dia napetrany tao amin' ny efi-trano ambony. Or il se fit qu' elle tomba malade en ces jours-là et mourut. Après l' avoir lavée, on la déposa dans la chambre haute.
Asa 9:38 And forasmuch as Lydda was nigh to Joppa, and the disciples had heard that Peter was there, they sent unto him two men, desiring him that he would not delay to come to them. Ary satria Lyda akaikin' i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatý aminay. Ary Lidà moa dia akaikin' i Jope ihany; ka ren' ny mpianatra fa hoe ao Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: Aza miatoato hankaty aminay. Comme Lydda n' est pas loin de Joppé, les disciples, apprenant que Pierre s' y trouvait, lui dépêchèrent deux hommes pour lui adresser cette prière : " Viens chez nous sans tarder. "
Asa 9:39 Then Peter arose and went with them. When he was come, they brought him into the upper chamber: and all the widows stood by him weeping, and shewing the coats and garments which Dorcas made, while she was with them. Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin' i Dorkasy fony fahavelony. Dia nitsangana Piera ka niara-nandeha tamin' ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin' ny efitra ambony, ka nohodidinin' ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman' akanjo nataon' i Dorkasy fony fahavelony. Pierre partit tout de suite avec eux. Aussitôt arrivé, on le fit monter à la chambre haute, où toutes les veuves en pleurs s' empressèrent autour de lui, lui montrant les tuniques et les manteaux que faisait Dorcas lorsqu' elle était avec elles.
Asa 9:40 But Peter put them all forth, and kneeled down, and prayed; and turning him to the body said, Tabitha, arise. And she opened her eyes: and when she saw Peter, she sat up. Ary navoak' i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an' i Petera izy, dia niarina. Navoakan' i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna. Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an' i Piera izy, dia niarina. Pierre mit tout le monde dehors, puis, à genoux, pria. Se tournant ensuite vers le corps, il dit : " Tabitha, lève-toi. " Elle ouvrit les yeux et, voyant Pierre, se mit sur son séant.
Asa 9:41 And he gave her his hand, and lifted her up, and when he had called the saints and widows, presented her alive. Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. Ary Piera kosa nanolo-tànana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin' izy ireo. Lui prenant la main, Pierre la fit lever. Appelant alors les saints et les veuves, il la leur présenta vivante.
Asa 9:42 And it was known throughout all Joppa; and many believed in the Lord. Ary dia fantatra eran' i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo. Niely eran' i Jope manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo. Tout Joppé sut la chose, et beaucoup crurent au Seigneur.
Asa 9:43 And it came to pass, that he tarried many days in Joppa with one Simon a tanner. Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin' i Simona mpandon-koditra. Ary Piera nitoetra andro maromaro tany Jope, tao amin' ny mpandon-koditra anankiray atao hoe Simona. Pierre demeura un certain temps à Joppé chez un corroyeur appelé Simon.

<-
->