<-
->

Rom / Rm 10:1 Brethren, my heart' s desire and prayer to God for Israel is, that they might be saved. Ry rahalahy, ny irin' ny foko sy ny angatahiko amin' Andriamanitra ho an' ireny dia famonjena. Ry rahalahy, ny irin' ny foko sy angatahiko amin' Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahasoa ny famonjena. Frères, certes l'élan de mon coeur et ma prière à Dieu pour eux, c' est qu' ils soient sauvés.
Rom / Rm 10:2 For I bear them record that they have a zeal of God, but not according to knowledge. Fa vavolombelon' ireny aho fa mazoto ho an' Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana. Fa vavolombelon' ny fahazotoany ho an' Andriamanitra aho, saingy fahazotoana tsy ara-pahalalana ny azy; Car je leur rends témoignage qu' ils ont du zèle pour Dieu : mais c' est un zèle mal éclairé.
Rom / Rm 10:3 For they being ignorant of God' s righteousness, and going about to establish their own righteousness, have not submitted themselves unto the righteousness of God. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra. satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra. Méconnaissant la justice de Dieu et cherchant à établir la leur propre, ils ont refusé de se soumettre à la justice de Dieu.
Rom / Rm 10:4 For Christ is the end of the law for righteousness to every one that believeth. Fa Kristy no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino. Ny Kristy ihany anefa no anton' ny Lalàna, mba ho fanamarinana an' izay rehetra mino. Car la fin de la Loi, c' est le Christ pour la justification de tout croyant.
Rom / Rm 10:5 For Moses describeth the righteousness which is of the law, That the man which doeth those things shall live by them. Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin' ny lalàna no ho velona amin' izany (Lev. 18. 5). Izany no nilazan' i Moizy fa ny olona manatanteraka ny fahamarinana avy amin' ny Lalàna no ho velona amin' izany; Moïse écrit en effet de la justice née de la Loi qu' en l' accomplissant l' homme vivra par elle,
Rom / Rm 10:6 But the righteousness which is of faith speaketh on this wise, Say not in thine heart, Who shall ascend into heaven? (that is, to bring Christ down from above:) Fa ny fahamarinana izay avy amin' ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an' i Kristy izany,) ary izao kosa no lazain' ny fahamarinana avy amin' ny finoana: Aza manao anakam-po hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina ny Kristy izany); tandis que la justice née de la foi, elle, parle ainsi : Ne dis pas dans ton coeur : Qui montera au ciel ? entends : pour en faire descendre le Christ ;
Rom / Rm 10:7 Or, Who shall descend into the deep? (that is, to bring up Christ again from the dead.) na: Iza no hidina any amin' ny lalina? (dia ny hampiakatra an' i Kristy avy any amin' ny maty izany.) na hoe: Iza no hidina any amin' ny tevam-be? (dia ny hampiakatra ny Kristy avy amin' ny maty izany). ou bien : Qui descendra dans l' abîme ? entends : pour faire remonter le Christ de chez les morts.
Rom / Rm 10:8 But what saith it? The word is nigh thee, even in thy mouth, and in thy heart: that is, the word of faith, which we preach; Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin' ny finoana, izay torinay; Fa ahoana, hoy izy? Izao: Eo akaikinao ny teniny, fa eo am-bavanao, sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torinay. Que dit-elle donc ? La parole est tout près de toi, sur tes lèvres et dans ton coeur, entends : la parole de la foi que nous prêchons.
Rom / Rm 10:9 That if thou shalt confess with thy mouth the Lord Jesus, and shalt believe in thine heart that God hath raised him from the dead, thou shalt be saved. satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao ianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena ianao. Ka raha manaiky amin' ny vavanao hianao fa Jeso no Tompo, sy mino amin' ny fonao fa Andriamanitra nanangana azy tamin' ny maty, dia ho voavonjy hianao. En effet, si tes lèvres confessent que Jésus est Seigneur et si ton coeur croit que Dieu l' a ressuscité des morts, tu seras sauvé.
Rom / Rm 10:10 For with the heart man believeth unto righteousness; and with the mouth confession is made unto salvation. Fa amin' ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin' ny vava no anekena hahazoana famonjena. Satria ny finoana amin' ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin' ny vava no ahazoana famonjena, Car la foi du coeur obtient la justice, et la confession des lèvres, le salut.
Rom / Rm 10:11 For the scripture saith, Whosoever believeth on him shall not be ashamed. Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16). araka ny tenin' ny Soratra Masina hoe: Izay mino azy tsy mba ho menatra. L'Écriture ne dit-elle pas : Quiconque croit en lui ne sera pas confondu ?
Rom / Rm 10:12 For there is no difference between the Jew and the Greek: for the same Lord over all is rich unto all that call upon him. Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon' izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. Tsy misy hafa na Jody na jentily; satria ny Tompo iray no iombonan' izy rehetra, manan-karena ho an' izay rehetra miantso azy; Aussi bien n' y a-t-il pas de distinction entre Juif et Grec : tous ont le même Seigneur riche envers tous ceux qui l' invoquent.
Rom / Rm 10:13 For whosoever shall call upon the name of the Lord shall be saved. Fa izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5). fa izay rehetra hiantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena. En effet, quiconque invoquera le nom du Seigneur sera sauvé.
Rom / Rm 10:14 How then shall they call on him in whom they have not believed? and how shall they believe in him of whom they have not heard? and how shall they hear without a preacher? Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory? Mais comment l' invoquer sans d' abord croire en lui ? Et comment croire sans d' abord l' entendre ? Et comment entendre sans prédicateur ?
Rom / Rm 10:15 And how shall they preach, except they be sent? as it is written, How beautiful are the feet of them that preach the gospel of peace, and bring glad tidings of good things! Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran' ny tongotr' iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7). Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: Endrey ny hatsaran' ny tongotr' ireo mitory hasambarana! Et comment prêcher sans être d' abord envoyé ? selon le mot de l'Écriture : Qu' ils sont beaux les pieds des messagers de bonnes nouvelles !
Rom / Rm 10:16 But they have not all obeyed the gospel. For Esaias saith, Lord, who hath believed our report? Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.) Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin' Izaia hoe: Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay? Mais tous n' ont pas obéi à la Bonne Nouvelle. Car Isaïe l' a dit : Seigneur, qui a cru à notre prédication ?
Rom / Rm 10:17 So then faith cometh by hearing, and hearing by the word of God. Koa ny finoana dia avy amin' ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin' ny tenin' i Kristy. Koa avy amin' ny toriteny ny finoana; ary avy amin' ny tenin' Andriamanitra ny toriteny. Ainsi la foi naît de la prédication et la prédication se fait par la parole du Christ.
Rom / Rm 10:18 But I say, Have they not heard? Yes verily, their sound went into all the earth, and their words unto the ends of the world. Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin' ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin' ny faran' izao rehetra izao (Sal. 19. 4). Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin' ny fara vazan-tany ny teniny. Or je demande : n' auraient-il pas entendu ? Et pourtant leur voix a retenti par toute la terre et leurs paroles jusqu' aux extrémités du monde.
Rom / Rm 10:19 But I say, Did not Israel know? First Moses saith, I will provoke you to jealousy by them that are no people, and by a foolish nation I will anger you. Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin' izay tsy firenena, Dia amin' ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21). Fa hoy indray aho: Sao tsy nahalala kosa Israely? Ehe, i Moizy ihany no voalohany nanoratra hoe: Hataoko velom-pialonana an' izay tsy firenena akory hianareo; ary hataoko entin-katezerana amin' ny firenena tsy misy saina. Mais je demande : Israël n' aurait-il pas compris ? Déjà Moïse dit : Je vous rendrai jaloux de ce qui n' est pas une nation, contre une nation sans intelligence j' exciterai votre dépit.
Rom / Rm 10:20 But Esaias is very bold, and saith, I was found of them that sought me not; I was made manifest unto them that asked not after me. Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan' izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin' izay tsy nanontany Ahy. Ny an' Izaia indray aza no manoatra, fa hoy izy: Hitan' izay tsy nitady ahy aho, ary niseho tamin' izay tsy nanontany ahy. Et Isaïe ose ajouter : J' ai été trouvé par ceux qui ne me cherchaient pas, je me suis manifesté à ceux qui ne m' interrogeaient pas,
Rom / Rm 10:21 But to Israel he saith, All day long I have stretched forth my hands unto a disobedient and gainsaying people. Fa ny amin' ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin' izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2). Fa hoy kosa izy nony milaza ny amin' Israely: Naninjitra ny tànako isan' andro amin' ny firenena tsy mino sy mpikomy aho. tandis qu' il dit à l' adresse d' Israël : Tout le jour j' ai tendu les mains vers un peuple désobéissant et rebelle.

<-
->