<-
->

Rom / Rm 5:1 Therefore being justified by faith, we have peace with God through our Lord Jesus Christ: Koa amin' izany, satria efa nohamarinina tamin' ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa amin' izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jeso-Kristy Tompontsika, Ayant donc reçu notre justification de la foi, nous sommes en paix avec Dieu par notre Seigneur Jésus Christ,
Rom / Rm 5:2 By whom also we have access by faith into this grace wherein we stand, and rejoice in hope of the glory of God. Tamin' ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin' ny finoana ho amin' izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin' ny fanantenana ny voninahitr' Andriamanitra. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr' Andriamanitra. lui qui nous a donné d' avoir accès par la foi à cette grâce en laquelle nous sommes établis et nous nous glorifions dans l' espérance de la gloire de Dieu.
Rom / Rm 5:3 And not only so, but we glory in tribulations also: knowing that tribulation worketh patience; Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin' ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, Que dis-je ? Nous nous glorifions encore des tribulations, sachant bien que la tribulation produit la constance,
Rom / Rm 5:4 And patience, experience; and experience, hope: ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; la constance une vertu éprouvée, la vertu éprouvée l' espérance.
Rom / Rm 5:5 And hope maketh not ashamed; because the love of God is shed abroad in our hearts by the Holy Ghost which is given unto us. ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan' Andriamanitra ho ao am-pontsika. ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin' ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an' Andriamanitra. Et l' espérance ne déçoit point, parce que l' amour de Dieu a été répandu dans nos coeurs par le Saint Esprit qui nous fut donné.
Rom / Rm 5:6 For when we were yet without strength, in due time Christ died for the ungodly. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin' ny fotoan' andro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin' ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy. C' est en effet alors que nous étions sans force, c' est alors, au temps fixé, que le Christ est mort pour des impies -;
Rom / Rm 5:7 For scarcely for a righteous man will one die: yet peradventure for a good man some would even dare to die. Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. à peine en effet voudrait-on mourir pour un homme juste ; pour un homme de bien, oui, peut-être osera-t-on mourir -;
Rom / Rm 5:8 But God commendeth his love toward us, in that, while we were yet sinners, Christ died for us. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Fa izao kosa no nanehoan' Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika mais la preuve que Dieu nous aime, c' est que le Christ, alors que nous étions encore pécheurs, est mort pour nous.
Rom / Rm 5:9 Much more then, being now justified by his blood, we shall be saved from wrath through him. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin' ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin' ny ràny isika. no maty hamonjy antsika ny Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin' ny rany izao, dia tsy maintsy afany amin' ny fahatezerana mihitsy. Combien plus, maintenant justifiés dans son sang, serons-nous par lui sauvés de la colère.
Rom / Rm 5:10 For if, when we were enemies, we were reconciled to God by the death of his Son, much more, being reconciled, we shall be saved by his life. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin' Andriamanitra tamin' ny nahafatesan' ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin' ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin' Andriamanitra noho ny nahafatesan' ny Zanany, mainka fa rahefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Si, étant ennemis, nous fûmes réconciliés à Dieu par la mort de Son Fils, combien plus, une fois réconciliés, serons-nous sauvés par sa vie,
Rom / Rm 5:11 And not only so, but we also joy in God through our Lord Jesus Christ, by whom we have now received the atonement. Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin' Andriamanitra isika amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jeso-Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. et pas seulement cela, mais nous nous glorifions en Dieu par notre Seigneur Jésus Christ par qui dès à présent nous avons obtenu la réconciliation. Adam et Jésus Christ.
Rom / Rm 5:12 Wherefore, as by one man sin entered into the world, and death by sin; and so death passed upon all men, for that all have sinned: Koa izany dia tahaka ny nidiran' ny ota avy tamin' ny olona iray ho amin' izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran' ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran' ny fahotana tamin' izao tontolo izao tamin' ny olona iray, sy nidiran' ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin' ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: Voilà pourquoi, de même que par un seul homme le péché est entré dans le monde, et par le péché la mort, et qu' ainsi la mort a passé en tous les hommes, du fait que tous ont péché -;
Rom / Rm 5:13 (For until the law sin was in the world: but sin is not imputed when there is no law. fa hatrany alohan' ny lalàna aza dia nisy ota tamin' izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna; fa nisy ota ihany tamin' izao tontolo izao na talohan' ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. car jusqu'à la Loi il y avait du péché dans le monde, mais le péché n' est pas imputé quand il n' y a pas de loi ;
Rom / Rm 5:14 Nevertheless death reigned from Adam to Moses, even over them that had not sinned after the similitude of Adam' s transgression, who is the figure of him that was to come. fa ny fahafatesana nanjaka hatramin' i Adama ka hatramin' i Mosesy, na dia tamin' izay tsy nanota tahaka ny nanotan' i Adama aza, izay tandindon' ilay ho avy. Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin' i Adama ka hatramin' i Moizy, na dia tamin' izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon' i Adama aza; ary Adama dia tandindon' ilay Adama ho avy. cependant la mort a régné d' Adam à Moïse même sur ceux qui n' avaient point péché d' une transgression semblable à celle d' Adam, figure de celui qui devait venir...
Rom / Rm 5:15 But not as the offence, so also is the free gift. For if through the offence of one many be dead, much more the grace of God, and the gift by grace, which is by one man, Jesus Christ, hath abounded unto many. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan' ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an' ny maro, mainka ny fahasoavan' Andriamanitra sy ny fanomezana amin' ny fahasoavan' ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an' ny maro kosa. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahafatesan' ny anankiray aza nahafatesan' ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan' ny olona iray, dia Jeso-Kristy, no nandraisan' ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan' Andriamanitra sy ny fanomezana. Mais il n' en va pas du don comme de la faute. Si, par la faute d' un seul, la multitude est morte, combien plus la grâce de Dieu et le don conféré par la grâce d' un seul homme, Jésus Christ, se sont-ils répandus à profusion sur la multitude.
Rom / Rm 5:16 And not as it was by one that sinned, so is the gift: for the judgment was by one to condemnation, but the free gift is of many offences unto justification. Ary tsy tahaka ny avy amin' ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon' ny anankiray no nisehoan' ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan' ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana: satria noho ny ota anankiray no nisian' ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian' ny fahasoavana ho fanamarinana. Et il n' en va pas du don comme des conséquences du péché d' un seul : le jugement venant après un seul péché aboutit à une condamnation, l' oeuvre de grâce à la suite d' un grand nombre de fautes aboutit à une justification.
Rom / Rm 5:17 For if by one man' s offence death reigned by one; much more they which receive abundance of grace and of the gift of righteousness shall reign in life by one, Jesus Christ.) Fa raha ny fahadisoan' ny olona anankiray no nanjakan' ny fahafatesana noho ny nataon' ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben' ny fahasoavana sy ny fanomezan' ny fahamarinana no hanjaka amin' ny fiainana noho ny nataon' ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. Satria raha ny fahadisoan' ny anankiray aza nanjakan' ny fahafatesana noho ny nataon' io anankiray io, mainka fa ny nataon' ny anankiray, dia Jeso-Kristy, no hanjakan' izay mahazo ny haben' ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin' ny fiainana. Si, en effet, par la faute d' un seul, la mort a régné du fait de ce seul homme, combien plus ceux qui reçoivent avec profusion la grâce et le don de la justice régneront-ils dans la vie par le seul Jésus Christ.
Rom / Rm 5:18 Therefore as by the offence of one judgment came upon all men to condemnation; even so by the righteousness of one the free gift came upon all men unto justification of life. Koa tahaka ny nahatongavan' ny fanamelohana ho an' ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan' ny fanamarinana ho amin' ny fiainana kosa ho an' ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Koa tahaka ny nahatongavan' ny fanamelohana ho an' ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan' ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an' ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Ainsi donc, comme la faute d' un seul a entraîné sur tous les hommes une condamnation, de même l' oeuvre de justice d' un seul procure à tous une justification qui donne la vie.
Rom / Rm 5:19 For as by one man' s disobedience many were made sinners, so by the obedience of one shall many be made righteous. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan' ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan' ny Anankiray. Fa tahaka ny nahatongavan' ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken' ny olona iray no hahatongavan' ny maro ho marina kosa noho ny naneken' ny olona iray. Comme en effet par la désobéissance d' un seul homme la multitude a été constituée pécheresse, ainsi par l' obéissance d' un seul la multitude sera-t-elle constituée juste.
Rom / Rm 5:20 Moreover the law entered, that the offence might abound. But where sin abounded, grace did much more abound: Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin' izay nihabiazan' ny ota no nihoaran' ny fahasoavana be lavitra, Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin' izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran' ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan' ny fahotana hahafaty no hanjakan' ny fahasoavana amin' ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin' ny alalan' i Jeso-Kristy Tompontsika. La Loi, elle, est intervenue pour que se multipliât la faute ; mais où le péché s' est multiplié, la grâce a surabondé :
Rom / Rm 5:21 That as sin hath reigned unto death, even so might grace reign through righteousness unto eternal life by Jesus Christ our Lord. mba ho tahaka ny nanjakan' ny ota tao amin' ny fahafatesana no hanjakan' ny fahasoavana kosa amin' ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Tompontsika. ainsi, de même que le péché a régné dans la mort, de même la grâce régnerait par la justice pour la vie éternelle par Jésus Christ notre Seigneur.

<-
->