<-
->

Efe / Ef 2:1 And you hath he quickened, who were dead in trespasses and sins; Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin' ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, Fahiny dia matin' ny fahadisoana amam-pahotanareo hianareo, Et vous qui étiez morts par suite des fautes et des péchés
Efe / Ef 2:2 Wherein in time past ye walked according to the course of this world, according to the prince of the power of the air, the spirit that now worketh in the children of disobedience: izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban' izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin' ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin' ny zanaky ny tsi-fanarahana; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan' izao tontolo izao, sy ny lehiben' izay fahefana eny amin' ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin' ny zanaky ny tsy finoana. dans lesquels vous avez vécu jadis, selon le cours de ce monde, selon le Prince de l' empire de l' air, cet Esprit qui poursuit son oeuvre en ceux qui résistent...
Efe / Ef 2:3 Among whom also we all had our conversation in times past in the lusts of our flesh, fulfilling the desires of the flesh and of the mind; and were by nature the children of wrath, even as others. teo amin' ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin' ny filan' ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin' ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. Ary tsy misy hivoasana amin' izany koa no toetray rehetra fony izahay nanaraka ny filan' ny nofonay, sy niliba araka ny danin' ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin' izany. Nous tous d' ailleurs, nous fûmes jadis de ceux-là, vivant selon nos convoitises charnelles, servant les caprices de la chair et des pensées coupables, si bien que nous étions par nature voués à la colère tout comme les autres...
Efe / Ef 2:4 But God, who is rich in mercy, for his great love wherewith he loved us, Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin' ny famindram-po, noho ny halehiben' ny fitiavany izay nitiavany antsika, Fa Andriamanitra izay manan-karena amin' ny famindram-po, noho ny halehiben' ny fitiavana izay nitiavany antsika, Mais Dieu, qui est riche en miséricorde, à cause du grand amour dont Il nous a aimés,
Efe / Ef 2:5 Even when we were dead in sins, hath quickened us together with Christ, (by grace ye are saved;) na dia fony mbola matin' ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin' i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); na dia fony mbola matin' ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin' ny Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); alors que nous étions morts par suite de nos fautes, nous a fait revivre avec le Christ - c' est par grâce que vous êtes sauvés ! -
Efe / Ef 2:6 And hath raised us up together, and made us sit together in heavenly places in Christ Jesus: ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin' i Kristy Jesosy, niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin' i Jeso-Kristy any an-danitra, avec lui Il nous a ressuscités et fait asseoir aux cieux, dans le Christ Jésus.
Efe / Ef 2:7 That in the ages to come he might shew the exceeding riches of his grace in his kindness toward us through Christ Jesus. mba hasehony amin' ny andro ho avy ny haben' ny haren' ny fahasoavany amin' ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin' i Kristy Jesosy. mba hanehoany amin' ny andro ho avy ny haben' ny harem-pahasoavany, amin' ny hatsaram-pony amintsika ao amin' ny Kristy Jeso. Il a voulu par là démontrer dans les siècles à venir l' extraordinaire richesse de sa grâce, par sa bonté pour nous dans le Christ Jésus.
Efe / Ef 2:8 For by grace are ye saved through faith; and that not of yourselves: it is the gift of God: Fa fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra; Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra, Car c' est bien par la grâce que vous êtes sauvés, moyennant la foi. Ce salut ne vient pas de vous, il est un don de Dieu ;
Efe / Ef 2:9 Not of works, lest any man should boast. tsy avy amin' ny asa, fandrao hisy hirehareha. tsy avy amin' ny asa, fandrao misy mirehareha. il ne vient pas des oeuvres, car nul ne doit pouvoir se glorifier.
Efe / Ef 2:10 For we are his workmanship, created in Christ Jesus unto good works, which God hath before ordained that we should walk in them. Fa asany isika, voaforona tao amin' i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin' Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin' ny Kristy Jeso, mba ho amin' ny asa soa voaomany rahateo hataontsika. Nous sommes en effet son ouvrage, créés dans le Christ Jésus en vue des bonnes oeuvres que Dieu a préparées d' avance pour que nous les pratiquions.
Efe / Ef 2:11 Wherefore remember, that ye being in time past Gentiles in the flesh, who are called Uncircumcision by that which is called the Circumcision in the flesh made by hands; Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain' ny voaforan-tanana teo amin' ny nofo hoe tsy voafora - Tsarovinareo jentily araka ny nofo àry, dia hianareo antsoin' ny voaforan-tànana hoe tsy voafora, Rappelez-vous donc qu' autrefois, vous les païens - qui étiez tels dans la chair, vous qui étiez appelés " prépuce " par ceux qui s' appellent " circoncision ", . . . d' une opération pratiquée dans la chair ! -
Efe / Ef 2:12 That at that time ye were without Christ, being aliens from the commonwealth of Israel, and strangers from the covenants of promise, having no hope, and without God in the world: eny, tsarovy fa tamin' izany andro izany dia tsy nanana an' i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin' ny fanjakan' ny Isiraely ary vahiny tamin' ireo faneken' ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an' Andriamanitra teo amin' izao tontolo izao; fa tamin' ny andro tany aloha hianareo, dia tsy nanana ny Kristy, voasaraka tamin' ny fikambanan' Israely; olon-ko azy tamin' ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an' Andriamanitra teo amin' izao tontolo izao. rappelez-vous qu' en ce temps-là vous étiez sans Christ, exclus de la cité d' Israël, étrangers aux alliances de la Promesse, n' ayant ni espérance ni Dieu en ce monde !
Efe / Ef 2:13 But now in Christ Jesus ye who sometimes were far off are made nigh by the blood of Christ. fa ankehitriny kosa, ao amin' i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken' ny ran' i Kristy. Fa ankehitriny kosa, ao amin' ny Kristy Jeso, hianareo izay lavitra fahiny, dia tongan' ny ran' ny Kristy akaiky. Or voici qu'à présent, dans le Christ Jésus, vous qui jadis étiez loin, vous êtes devenus proches, grâce au sang du Christ.
Efe / Ef 2:14 For he is our peace, who hath made both one, and hath broken down the middle wall of partition between us; Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, Fa izy no fihavanantsika, izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; Car c' est lui qui est notre paix, lui qui des deux peuples n' en a fait qu' un, détruisant la barrière qui les séparait, supprimant en sa chair la haine,
Efe / Ef 2:15 Having abolished in his flesh the enmity, even the law of commandments contained in ordinances; for to make in himself of twain one new man, so making peace; fa tao amin' ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin' ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, tao amin' ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin' ny tenany; cette Loi des préceptes avec ses ordonnances, pour créer en sa personne les deux en un seul Homme Nouveau, faire la paix,
Efe / Ef 2:16 And that he might reconcile both unto God in one body by the cross, having slain the enmity thereby: ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin' Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin' Andriamanitra, noho ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. et les réconcilier avec Dieu, tous deux en un seul Corps, par la Croix : en sa personne il a tué la Haine.
Efe / Ef 2:17 And came and preached peace to you which were afar off, and to them that were nigh. Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin' izay akaiky koa. Ary tonga izy, nitory fihavanana tamin' izay lavitra, sy nitory fihavanana taminareo izay akaiky koa, Alors il est venu proclamer la paix, paix pour vous qui étiez loin et paix pour ceux qui étaient proches :
Efe / Ef 2:18 For through him we both have access by one Spirit unto the Father. Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin' ny Fanahy iray ho any amin' ny Ray. satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin' ny Fanahy iray ihany. par lui nous avons en effet, tous deux en un seul Esprit, libre accès auprès du Père.
Efe / Ef 2:19 Now therefore ye are no more strangers and foreigners, but fellowcitizens with the saints, and of the household of God; Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin' ny olona masina sady ankohonan' Andriamanitra, Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry hianareo, fa mpiray fanjakana amin' ny olo-masina sy isam-pianakavian' Andriamanitra; Ainsi donc, vous n'êtes plus des étrangers ni des hôtes ; vous êtes concitoyens des saints, vous êtes de la maison de Dieu.
Efe / Ef 2:20 And are built upon the foundation of the apostles and prophets, Jesus Christ himself being the chief corner stone; natsangana teo ambonin' ny fanorenan' ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jeso indrindra no vato fehizoro. Car la construction que vous êtes a pour fondation les apôtres et prophètes, et pour pierre d' angle le Christ Jésus lui-même.
Efe / Ef 2:21 In whom all the building fitly framed together groweth unto an holy temple in the Lord: ao aminy no irafetan' ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin' ny Tompo. Fa ao aminy no isondrotan' ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin' ny Tompo; En lui toute construction s' ajuste et grandit en un temple saint, dans le Seigneur ;
Efe / Ef 2:22 In whom ye also are builded together for an habitation of God through the Spirit. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan' Andriamanitra amin' ny Fanahy. ao aminy no andrafetan' ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan' Andriamanitra. en lui, vous aussi, vous êtes intégrés à la construction pour devenir une demeure de Dieu, dans l' Esprit.

<-
->