<-
->

Efe / Ef 3:1 For this cause I Paul, the prisoner of Jesus Christ for you Gentiles, Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an' i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, - Ary noho izany, izaho Paoly mpifatotry ny Kristy Jeso noho ny aminareo jentily - C' est pourquoi moi, Paul, prisonnier du Christ à cause de vous, païens...
Efe / Ef 3:2 If ye have heard of the dispensation of the grace of God which is given me to you-ward: raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan' Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, raha mba renareo ihany ny fanambarana ny fahasoavan' Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, Car vous avez appris, je pense, comment Dieu m' a dispensé la grâce qu' il m' a confiée pour vous,
Efe / Ef 3:3 How that by revelation he made known unto me the mystery; (as I wrote afore in few words, fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin' ny teny fohifohy teo. izany hoe, ny fanambarana nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin' ny teny fohifohy teo. m' accordant par révélation la connaissance du Mystère, tel que je viens de l' exposer en peu de mots :
Efe / Ef 3:4 Whereby, when ye read, ye may understand my knowledge in the mystery of Christ) Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin' i Kristy, Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin' ny Kristy, à me lire, vous pouvez vous rendre compte de l' intelligence que j' ai du Mystère du Christ.
Efe / Ef 3:5 Which in other ages was not made known unto the sons of men, as it is now revealed unto his holy apostles and prophets by the Spirit; izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak' olombelona tamin' ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran' ny Fanahy ankehitriny amin' ny Apostoly masina sy ny mpaminany, izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak' olombelona tamin' ny taranaka tany aloha, toy ny nanambarana azy ankehitriny tamin' ny Apostoliny masina sy ny mpaminaniny ao amin' ny Fanahy, Ce Mystère n' avait pas été communiqué aux hommes des temps passés comme il vient d'être révélé maintenant à ses saints apôtres et prophètes, dans l' Esprit :
Efe / Ef 3:6 That the Gentiles should be fellowheirs, and of the same body, and partakers of his promise in Christ by the gospel: dia ny ahatongavan' ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin' i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, dia izao: Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin' ny Jody ao amin' ny Kristy Jeso, noho ny ninoany ny Evanjely; les païens sont admis au même héritage, membres du même Corps, bénéficiaires de la même Promesse, dans le Christ Jésus, par le moyen de l'Évangile.
Efe / Ef 3:7 Whereof I was made a minister, according to the gift of the grace of God given unto me by the effectual working of his power. izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan' ny fahasoavan' Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan' ny heriny. ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin' izany, araka ny fanomezam-pahasoavan' Andriamanitra nomena ahy tamin' ny herin' ny fahefany. Et de cet Évangile je suis devenu ministre par le don de la grâce que Dieu m' a confiée en y déployant sa puissance :
Efe / Ef 3:8 Unto me, who am less than the least of all saints, is this grace given, that I should preach among the Gentiles the unsearchable riches of Christ; Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin' ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin' ny jentilisa ny haren' i Kristy tsy hita lany, Eny, izaho izay kely indrindra amin' ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin' ny jentily ny haren' ny Kristy tsy hita pesipesenina, à moi, le moindre de tous les saints, a été confiée cette grâce-là, d' annoncer aux païens l' insondable richesse du Christ
Efe / Ef 3:9 And to make all men see what is the fellowship of the mystery, which from the beginning of the world hath been hid in God, who created all things by Jesus Christ: ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin' ny nanaovana izao tontolo izao tao amin' Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; sy ny hanazava amin' ny olona rehetra ny filaharan' ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin' Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra. et de mettre en pleine lumière la dispensation du Mystère : il a été tenu caché depuis les siècles en Dieu, le Créateur de toutes choses,
Efe / Ef 3:10 To the intent that now unto the principalities and powers in heavenly places might be known by the church the manifold wisdom of God, mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin' izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren' Andriamanitra amin' ny fitondrany ny fiangonana, Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin' ny alalan' ny Eglizy, ka tonga fantatr' ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan' Andriamanitra mamoron-kevitra, pour que les Principautés et les Puissances célestes aient maintenant connaissance, par le moyen de l'Église, de la sagesse infinie en ressources déployée par Dieu
Efe / Ef 3:11 According to the eternal purpose which he purposed in Christ Jesus our Lord: araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika, araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin' ny Kristy Jeso Tompontsika, en ce dessein éternel qu' il a conçu dans le Christ Jésus notre Seigneur,
Efe / Ef 3:12 In whom we have boldness and access with confidence by the faith of him. Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin' ny fahatokiana noho ny finoana Azy. izay ananantsika fahasahiana hanatona an' Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana azy. et qui nous donne d' oser nous approcher en toute confiance par le chemin de la foi au Christ.
Efe / Ef 3:13 Wherefore I desire that ye faint not at my tribulations for you, which is your glory. Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin' ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany. Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin' ny fahoriako ho anareo, fa voninahitra ho anareo izany. Ainsi, je vous en prie, ne vous laissez pas abattre par les épreuves que j' endure pour vous ; elles sont votre gloire !
Efe / Ef 3:14 For this cause I bow my knees unto the Father of our Lord Jesus Christ, Ary noho izany no andohalehako amin' ny Ray Eny, noho izany no andohalehako amin' ny Ray, C' est pourquoi je fléchis les genoux en présence du Père
Efe / Ef 3:15 Of whom the whole family in heaven and earth is named, Izay ahazoan' ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etý an-tany anarana, izay angalan' ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, de qui toute paternité, au ciel et sur la terre, tire son nom.
Efe / Ef 3:16 That he would grant you, according to the riches of his glory, to be strengthened with might by his Spirit in the inner man; mba homeny anareo, araka ny haren' ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin' ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba homeny anareo, araka ny haren' ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin' ny Fanahy, Qu' Il daigne, selon la richesse de sa gloire, vous armer de puissance par son Esprit pour que se fortifie en vous l' homme intérieur,
Efe / Ef 3:17 That Christ may dwell in your hearts by faith; that ye, being rooted and grounded in love, mba hitoeran' i Kristy ao am-ponareo amin' ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin' ny fitiavana ianareo, sy ny hitoeran' ny Kristy ao am-ponareo amin' ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin' ny fitiavana hianareo, que le Christ habite en vos coeurs par la foi, et que vous soyez enracinés, fondés dans l' amour.
Efe / Ef 3:18 May be able to comprehend with all saints what is the breadth, and length, and depth, and height; mba hahaizanareo mbamin' ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. ka hiara-mahafantatra tsara amin' ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary hahavony sy halaliny, Ainsi vous recevrez la force de comprendre, avec tous les saints, ce qu' est la Largeur, la Longueur, la Hauteur et la Profondeur,
Efe / Ef 3:19 And to know the love of Christ, which passeth knowledge, that ye might be filled with all the fulness of God. ary hahalala ny fitiavan' i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin' ny fahafenoan' Andriamanitra rehetra. sady hahalala ny fitiavan' ny Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon' ny hafenoan' Andriamanitra rehetra hianareo. vous connaîtrez l' amour du Christ qui surpasse toute connaissance, et vous entrerez par votre plénitude dans toute la Plénitude de Dieu.
Efe / Ef 3:20 Now unto him that is able to do exceeding abundantly above all that we ask or think, according to the power that worketh in us, Ary ho an' izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, Ary ho an' ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, A Celui dont la puissance agissant en nous est capable de faire bien au-delà, infiniment au-delà de tout ce que nous pouvons demander ou concevoir,
Efe / Ef 3:21 Unto him be glory in the church by Christ Jesus throughout all ages, world without end. Amen. ho Azy anie ny voninahitra ao amin' ny fiangonana sy ao amin' i Kristy Jesosy hatramin' ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. eny, ho azy anie ny voninahitra ao amin' ny Eglizy, sy ao amin' ny Kristy Jeso, hatramin' ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amena. à Lui la gloire, dans l'Église et le Christ Jésus, pour tous les âges et tous les siècles ! Amen.

<-
->