<-
->

Mts / Mpits 5:1 Then sang Deborah and Barak the son of Abinoam on that day, saying, Ary Debora sy Baraka, zanak' i Abinoama, dia nihira tamin' izany andro izany ka nanao hoe: Tamin' izany andro izany, dia nihira Deborà sy Baràka zanak' i Abinoema nanao hoe: En ce jour-là, Débora et Baraq, fils d' Abinoam, chantèrent, disant :
Mts / Mpits 5:2 Praise ye the Lord for the avenging of Israel, when the people willingly offered themselves. Noho ny fitarihan' ny lehibe tamin' ny Isiraely sy ny fahazotoan' ny vahoaka nanolotena, dia miderà an' i Jehovah. Nitsangana hitarika ny lehibe ao amin' Israely; ny vahoaka nanolo-tena an-tsitra-po hiady; ka misaora an' ny Tompo amin' izany hianareo! Puisqu' en Israël des guerriers ont dénoué leur chevelure, puisque le peuple s' est offert librement, bénissez Yahvé!
Mts / Mpits 5:3 Hear, O ye kings; give ear, O ye princes; I, even I, will sing unto the Lord; I will sing praise to the Lord God of Israel. Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an' i Jehovah; hankalaza an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho. Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka: fa izaho dia izaho no hidera an' ny Tompo amin' ny hira, hilaza hira ho an' ny Tompo Andriamanitr' Israely aho. Écoutez, rois! Prêtez l' oreille, princes! Moi, pour Yahvé, moi je chanterai. Je célébrerai Yahvé, Dieu d' Israël.
Mts / Mpits 5:4 LORD, when thou wentest out of Seir, when thou marchedst out of the field of Edom, the earth trembled, and the heavens dropped, the clouds also dropped water. Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin' ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano. Tompo o, fony hianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan' i Edoma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona. Yahvé, quand tu sortis de Séïr, quand tu t' avanças des campagnes d'Édom, la terre trembla, les cieux se déversèrent, les nuées fondirent en eau.
Mts / Mpits 5:5 The mountains melted from before the Lord, even that Sinai from before the Lord God of Israel. Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan' i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Nihozongozona teo anatrehan' ny Tompo ny tendrombohitra, dia io Sinaia io teo anatrehan' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Les montagnes ruisselèrent devant Yahvé, celui du Sinaï, devant Yahvé, le Dieu d' Israël.
Mts / Mpits 5:6 In the days of Shamgar the son of Anath, in the days of Jael, the highways were unoccupied, and the travellers walked through byways. Tamin' ny andron' i Samgara, zanak' i Anata, sy tamin' ny andron' i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan' ny mpandeha. Tamin' ny andron' i Samigara, zanak' i Anata, tamin' ny andron' i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina, fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban' ny mpandeha. Aux jours de Shamgar fils d' Anat, aux jours de Yaèl, il n' y avait plus de caravanes; ceux qui s' en allaient par les chemins prenaient des sentiers détournés.
Mts / Mpits 5:7 The inhabitants of the villages ceased, they ceased in Israel, until that I Deborah arose, that I arose a mother in Israel. Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin' ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin' ny Isiraely. Lao ny tany an-tsahan' Israely, mandra-pitsangako, izaho Debora, mandra-pitsangako izaho reny teo amin' Israely. Les villages étaient morts en Israël, ils étaient morts, jusqu'à ton lever, ô Débora, jusqu'à ton lever, mère en Israël!
Mts / Mpits 5:8 They chose new gods; then was war in the gates: was there a shield or spear seen among forty thousand in Israel? Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin' izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin' ny olona efatra alina tamin' ny Isiraely? Fa nifidy andriamani-baovao ny olona, ka nitsidika eo am-bavahady ny ady, ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita, teo amin' ny olona efatra alina, amin' Israely. On choisissait des dieux nouveaux, alors la guerre était aux portes; on ne voyait ni bouclier ni lance pour quarante milliers en Israël!
Mts / Mpits 5:9 My heart is toward the governors of Israel, that offered themselves willingly among the people. Bless ye the Lord. Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin' ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin' ny vahoaka, miderà an' i Jehovah ianareo. Miantoraka amin' ny mpitondra an' Israely ny foko sy amin' ny vahoaka anisan' ny nanolo-tena: MIsaora an' ny Tompo! Mon coeur va aux chefs d' Israël, avec les libres engagés du peuple! Bénissez Yahvé!
Mts / Mpits 5:10 Speak, ye that ride on white asses, ye that sit in judgment, and walk by the way. Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin' ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin' ny lalana, samia milaza. Hianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy, hianareo izay mipetraka amin' ny karipetra, ary hianareo izay mizotra eny an-dalana, mihira hianareo. Vous qui montez des ânesses blanches, assis sur des tapis, et vous qui allez par les chemins, chantez,
Mts / Mpits 5:11 They that are delivered from the noise of archers in the places of drawing water, there shall they rehearse the righteous acts of the Lord, even the righteous acts toward the inhabitants of his villages in Israel: then shall the people of the Lord go down to the gates. Lavitra ny feon' ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin' ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon' i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin' ny tany Isily; Tamin' izany dia nidina ny olon' i Jehovah ho any am-bavahady. Aoka ny mpandefa zana-tsipika eo akaikin' ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin' ny feony ny fahamarinan' ny Tompo, dia ny fahamarinana nataony tamin' ny taniny, ao amin' Israely! Tamin' izay ny vahoakan' ny Tompo nidina ho eny am-bavahadiny. aux acclamations des pâtres, près des abreuvoirs. Là on célèbre les bienfaits de Yahvé, ses bienfaits pour ses villages d' Israël! Alors le peuple de Yahvé est descendu aux portes.
Mts / Mpits 5:12 Awake, awake, Deborah: awake, awake, utter a song: arise, Barak, and lead thy captivity captive, thou son of Abinoam. Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin' i Abinoama. Mifohaza, mifohaza, ry Debora, mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray! Mitsangana, ry Baraka, sambory izay ho babonao, ry zanak' i Abinoama. Éveille-toi, éveille-toi, Débora! Éveille-toi, éveille-toi, clame un chant! Courage! Debout, Baraq! et prends ceux qui t' ont pris, fils d' Abinoam!
Mts / Mpits 5:13 Then he made him that remaineth have dominion over the nobles among the people: the Lord made me have dominion over the mighty. Tamin' izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin' ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery. Midìna amin' izay ny sisan' ny andriana amin' ny vahoaka! Midìna ho aty amiko, Iaveh, eo amin' ireo olo-mahery! Alors Israël est descendu aux portes, le peuple de Yahvé est descendu pour sa cause, en héros.
Mts / Mpits 5:14 Out of Ephraim was there a root of them against Amalek; after thee, Benjamin, among thy people; out of Machir came down governors, and out of Zebulun they that handle the pen of the writer. Ny avy amin' i Efraima, izay miorina amin' i Amaleka, dia nomba anao teo amin' ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan' ny mpanao lalàna, ary avy tamin' i Zebolona ireo mitana ny tehin' ny mpifehy. Avy any amin' i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin' i Amaleka; nikambana tamin' ny antokonao Benjamina teo aorianao; avy any amin' i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin' i Zabolona nisy mpitondra nitana ny tehin' ny mpanoratra. Les princes d'Éphraïm sont dans la vallée. Derrière toi Benjamin est parmi les tiens. De Makir sont descendus des chefs, de Zabulon, ceux qui portent le bâton de commandement.
Mts / Mpits 5:15 And the princes of Issachar were with Deborah; even Issachar, and also Barak: he was sent on foot into the valley. For the divisions of Reuben there were great thoughts of heart. Ary ny andrianan' Isakara niaraka tamin' i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin' ny sakeli-dranon' i Robena! Miaraka amin' i Debora, ny andrianan' Isakara, eo anilan' i Baraka Isakara, teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy. Teo akaikin' ny sakeli-dranon-dRobena, nisy fikasana lehibe tao am-po: Les princes d' Issachar sont avec Débora, et Nephtali, avec Baraq, dans la vallée s' est lancé sur ses traces. Dans les clans de Ruben, on s' est concerté longuement.
Mts / Mpits 5:16 Why abodest thou among the sheepfolds, to hear the bleatings of the flocks? For the divisions of Reuben there were great searchings of heart. Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan' ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin' ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin' ny sakeli-dranon' i Robena! Nahoana no nijanona teo afovoan ' ny tanim-bilonao hianao, nihaino ny feon-tsodin' ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin' ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po. Pourquoi es-tu resté dans les enclos à l'écoute des sifflements, près des troupeaux ? Dans les clans de Ruben, on s' est concerté longuement.
Mts / Mpits 5:17 Gilead abode beyond Jordan: and why did Dan remain in ships? Asher continued on the sea shore, and abode in his breaches. Gileada nitoetra tany an-dafin' i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin' ny fitodiany no nipetrahany. Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin' i Jordany; ary Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony? Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina; teo am-pitodian-tsambony no nijanonany. Galaad est resté au-delà du Jourdain, et Dan, pourquoi vit-il sur des vaisseaux ? Asher est demeuré au bord de la mer, il habite tranquille dans ses ports.
Mts / Mpits 5:18 Zebulun and Naphtali were a people that jeoparded their lives unto the death in the high places of the field. Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin' ny fitoerana avo any an-tsaha. Fa Zabolona no firenena manao vy very ny ainy; torak' izany koa Neftali eo amin' ny havoany marin-tampona. Zabulon est un peuple qui a bravé la mort, ainsi que Nephtali, sur les hauteurs du pays.
Mts / Mpits 5:19 The kings came and fought, then fought the kings of Canaan in Taanach by the waters of Megiddo; they took no gain of money. Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan' i Kanana, dia teo anilan' ny ranon' i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin' izay ireo mpanjakan' i Kanaana, dia tao Tanaka teo amoron' ny ranon' i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza. Les rois sont venus, ils ont combattu, alors ils ont combattu, les rois de Canaan, à Tanak, aux eaux de Megiddo, mais ils n' ont pas ramassé d' argent en butin.
Mts / Mpits 5:20 They fought from heaven; the stars in their courses fought against Sisera. Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin' ny nalehany niady tamin' i Sisera. Ny tany an-danitra no niady ho antsika, ny kintana tamin' ny lalana ombany no niady tamin' i Sisara. Du haut des cieux les étoiles ont combattu, de leurs chemins, elles ont combattu Sisera.
Mts / Mpits 5:21 The river of Kishon swept them away, that ancient river, the river Kishon. O my soul, thou hast trodden down strength. Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko! Ny ranon-driaka Sisaona nanakodia ny fatin' ireny, dia ny ranon-driaka tamin' ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisaona. Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko o! Le torrent du Qishôn les a balayés, le torrent des temps anciens, le torrent du Qishôn! Marche hardiment, ô mon âme!
Mts / Mpits 5:22 Then were the horsehoofs broken by the means of the pransings, the pransings of their mighty ones. Tamin' izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny. Nikatrokatroka tamin' izay ny kitron' ny soavaly, tamin' ny hazakazaka, dia ny firiotran' ny mpiadiny. Alors les sabots des chevaux ont martelé le sol : ils galopent, ils galopent ses coursiers!
Mts / Mpits 5:23 Curse ye Meroz, said the angel of the Lord, curse ye bitterly the inhabitants thereof; because they came not to the help of the Lord, to the help of the Lord against the mighty. Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin' i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an' i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an' i Jehovah hamely ny mahery. Ozony Meroza, hoy ny anjelin' ny Tompo, Ozony dia ozony ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an' ny Tompo ireny, tsy nanampy an' ny Tompo ireny niaraka tamin' ny mahery. Maudissez Méroz, dit l' Ange de Yahvé, maudissez, maudissez ses habitants : car ils ne sont pas venus à l' aide de Yahvé, à l' aide de Yahvé parmi les héros.
Mts / Mpits 5:24 Blessed above women shall Jael the wife of Heber the Kenite be, blessed shall she be above women in the tent. Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin' i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. Hosoavina noho ny vehivavy Jahela vadin' i Hebera, Kineana; hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy. Bénie entre les femmes soit Yaèl la femme de Héber le Qénite , entre les femmes qui habitent les tentes, bénie soit-elle!
Mts / Mpits 5:25 He asked water, and she gave him milk; she brought forth butter in a lordly dish. Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian' andriana no nitondrany rononomandry. Rano no nangatahiny, ronono no nomeny azy; ronono tsy misy fangarony no natolony tamin' ny kopy mihaja. Il demandait de l' eau, elle a donné du lait, dans la coupe des nobles elle a offert de la crème.
Mts / Mpits 5:26 She put her hand to the nail, and her right hand to the workmen' s hammer; and with the hammer she smote Sisera, she smote off his head, when she had pierced and stricken through his temples. Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan' ny mpiasa, dia namely an' i Sisera tamin' ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany. Ny tanany anila mandray ny tsima-day, ary ny tanany havanana ny tantanan' ny mpiasa. Dia asiany Sisara, vakìny ny lohany; torotoroiny, gorobahany ny fihirifany. Elle a tendu la main pour saisir le piquet, la droite pour saisir le marteau des travailleurs. Elle a frappé Sisera, elle lui a brisé la tête, elle lui a percé et fracassé la tempe.
Mts / Mpits 5:27 At her feet he bowed, he fell, he lay down: at her feet he bowed, he fell: where he bowed, there he fell down dead. Teo amin' ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin' ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin' izay niondrehany no niamparan' ny fatiny. Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy; miretaka eo an-tongony lavo izy, ary eo amin' izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony. Entre ses pieds il s' est écroulé, il est tombé, il s' est couché, à ses pieds il s' est écroulé, il est tombé. Où il s' est écroulé, là il est tombé, anéanti.
Mts / Mpits 5:28 The mother of Sisera looked out at a window, and cried through the lattice, Why is his chariot so long in coming? why tarry the wheels of his chariots? Tao amin' ny varavarankely no nitsirihan' ny renin' i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin' ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian' ny kalesiny? Eo am-baravaran-kely amin' ny makarakara, no mijery ny renin' i Sisara sady mikiakiaka: Nahoana izato kalesiny no dia ela fihavy? Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha? Par la fenêtre elle se penche, elle guette, la mère de Sisera, à travers le grillage : " Pourquoi son char tarde-t-il à venir ? Pourquoi sont-ils si lents, ses attelages ? "
Mts / Mpits 5:29 Her wise ladies answered her, yea, she returned answer to herself, Izay hendry tamin' ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe: Ny mahira-tsaina amin' ny andriambavy tandapany no mamaly azy; ary ny tenin' ireo no averiny ao am-pony: La plus avisée de ses princesses lui répond, et elle se répète à elle-même :
Mts / Mpits 5:30 Have they not sped? have they not divided the prey; to every man a damsel or two; to Sisera a prey of divers colours, a prey of divers colours of needlework, of divers colours of needlework on both sides, meet for the necks of them that take the spoil? Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an' ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon' i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon' ny nahazo babo. Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an' ny isam-piady; lamba misoratsoratra ho babon' i Sisara; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samihafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy. " Sans doute ils recueillent, ils partagent le butin : une jeune fille, deux jeunes filles par guerrier! un butin d'étoffes de couleur brodées pour Sisera, une broderie, deux broderies pour mon cou! "
Mts / Mpits 5:31 So let all thine enemies perish, O Lord: but let them that love him be as the sun when he goeth forth in his might. And the land had rest forty years. Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin' ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Tompo o, ary izay tia anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin' ny heriny izy! Ainsi périssent tous tes ennemis, Yahvé! et ceux qui t' aiment, qu' ils soient comme le soleil quand il se lève dans sa force! Et le pays fut en repos pendant quarante ans.
Mts / Mpits 5:32 Dia nandry efapolo taona ny tany.

<-
->