<-
->

Apo / Ap 6:1 And I saw when the Lamb opened one of the seals, and I heard, as it were the noise of thunder, one of the four beasts saying, Come and see. Ary nahita aho, rehefa novahan' ny Zanak' ondry ny anankiray tamin' ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin' ny zava-manan' aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. Ary hitako fa nosokafan' ny Zanak' ondry ny iray tamin' ny tombo-kase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin' ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: Avia hijery. Et ma vision se poursuivit. Lorsque l' agneau ouvrit le premier des sept sceaux, j' entendis le premier des quatre Vivants crier comme d' une voix de tonnerre : " Viens ! "
Apo / Ap 6:2 And I saw, and behold a white horse: and he that sat on him had a bow; and a crown was given unto him: and he went forth conquering, and to conquer. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy. Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satro-boninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy. Et voici qu' apparut à mes yeux un cheval blanc ; celui qui le montait tenait un arc ; on lui donna une couronne et il partit en vainqueur, et pour vaincre encore.
Apo / Ap 6:3 And when he had opened the second seal, I heard the second beast say, Come and see. Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan' aina faharoa nanao hoe: Avia. Nony nosokafany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny Zava-manana aina faharoa nanao hoe: Avia hijery. Lorsqu' il ouvrit le deuxième sceau, j' entendis le deuxième Vivant crier : " Viens ! "
Apo / Ap 6:4 And there went out another horse that was red: and power was given to him that sat thereon to take peace from the earth, and that they should kill one another: and there was given unto him a great sword. Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin' ny tany mba hifamonoan' ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy. Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin' ny tany, mba hifamonoan' ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy. Alors surgit un autre cheval, rouge feu ; celui qui le montait, on lui donna de bannir la paix hors de la terre, et de faire que l' on s' entr'égorgeât ; on lui donna une grande épée.
Apo / Ap 6:5 And when he had opened the third seal, I heard the third beast say, Come and see. And I beheld, and lo a black horse; and he that sat on him had a pair of balances in his hand. Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan' aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. Nony nosokafany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny Zava-manana aina fahatelo nanao hoe: Avia hijery. Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty, ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tànany. Lorsqu' il ouvrit le troisième sceau, j' entendis le troisième Vivant crier : " Viens ! " Et voici qu' apparut à mes yeux un cheval noir ; celui qui le montait tenait à la main une balance,
Apo / Ap 6:6 And I heard a voice in the midst of the four beasts say, A measure of wheat for a penny, and three measures of barley for a penny; and see thou hurt not the oil and the wine. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan' ny zava-manan' aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran' ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon' ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. Sady nisy toy ny feo koa reko avy tao afovoan ' ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: Denie iray ny varim-bazaha eran' ny fatam-bary; denie iray ny vary orja intelon' ny fatam-bary; ary aza manimba ny divay sy ny diloilo. et j' entendis comme une voix, du milieu des quatre Vivants, qui disait : " Un litre de blé pour un denier, trois litres d' orge pour un denier ! Quant à l' huile et au vin, ne les gâche pas ! "
Apo / Ap 6:7 And when he had opened the fourth seal, I heard the voice of the fourth beast say, Come and see. Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon' ny zava-manan' aina fahefatra nanao hoe: Avia. Nony nosokafany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon' ny Zava-manana aina fahefatra, nanao hoe: Avia hijery. Lorsqu' il ouvrit le quatrième sceau, j' entendis le cri du quatrième Vivant : " Viens ! "
Apo / Ap 6:8 And I looked, and behold a pale horse: and his name that sat on him was Death, and Hell followed with him. And power was given unto them over the fourth part of the earth, to kill with sword, and with hunger, and with death, and with the beasts of the earth. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran' izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin' ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin' ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etý an-tany. Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan' ny maty. Nomena fahefana amin' ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin' ny mosary amam-tsabatra, sy amin' ny fahafatesana mbamin' ny biby masiaka ety an-tany. Et voici qu' apparut à mes yeux un cheval verdâtre ; celui qui le montait, on le nomme : la Mort ; et l' Hadès le suivait. Alors, on leur donna pouvoir sur le quart de la terre, pour exterminer par l'épée, par la faim, par la peste, et par les fauves de la terre.
Apo / Ap 6:9 And when he had opened the fifth seal, I saw under the altar the souls of them that were slain for the word of God, and for the testimony which they held: Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin' ny alitara ny fanahin' izay voavono noho ny tenin' Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. Nony nosokafany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambany otely ny fanahin' ireo novonoina noho ny tenin' Andriamanitra sy ny fanambaran' i Jeso izay nananany. Lorsqu' il ouvrit le cinquième sceau, je vis sous l' autel les âmes de ceux qui furent égorgés pour la Parole de Dieu et le témoignage qu' ils avaient rendu.
Apo / Ap 6:10 And they cried with a loud voice, saying, How long, O Lord, holy and true, dost thou not judge and avenge our blood on them that dwell on the earth? Ary niantso tamin' ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin' izay monina eny ambonin' ny tany? Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re hianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin' ny mponina eny ambonin' ny tany? Ils crièrent d' une voix puissante : " Jusques à quand, Maître saint et vrai, tarderas-tu à faire justice, à tirer vengeance de notre sang sur les habitants de la terre ? "
Apo / Ap 6:11 And white robes were given unto every one of them; and it was said unto them, that they should rest yet for a little season, until their fellowservants also and their brethren, that should be killed as they were, should be fulfilled. Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa. Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina hiandry kely aloha mandra-pahafenon' ny isan' ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay hovonoina toa azy koa. Alors on leur donna à chacun une robe blanche en leur disant de patienter encore un peu, le temps que fussent au complet leurs compagnons de service et leurs frères qui doivent être mis à mort comme eux.
Apo / Ap 6:12 And I beheld when he had opened the sixth seal, and, lo, there was a great earthquake; and the sun became black as sackcloth of hair, and the moon became as blood; Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon' osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. Nony nosokafany ny tombo-kase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny rà; Et ma vision se poursuivit. Lorsqu' il ouvrit le sixième sceau, alors il se fit un violent tremblement de terre, et le soleil devint noir comme une étoffe de crin, et la lune devint tout entière comme du sang,
Apo / Ap 6:13 And the stars of heaven fell unto the earth, even as a fig tree casteth her untimely figs, when she is shaken of a mighty wind. Ary ny kintana tamin' ny lanitra dia niraraka tamin' ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin' ny rivotra mahery izy. ary ny kintan' ny lanitra niraraka tamin' ny tany, toy ny voan' aviavy manta mihintsana fa voahozongozon' ny rivotra mafy. et les astres du ciel s' abattirent sur la terre comme les figures avortées que projette un figuier tordu par la tempête,
Apo / Ap 6:14 And the heaven departed as a scroll when it is rolled together; and every mountain and island were moved out of their places. Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin' ny fitoerany. Ny lanitra niampirina toy ny horonan-taratasy, ary ny nosy amam-tendrombohitra rehetra nesorina tamin' ny toerany. et le ciel disparut comme un livre qu' on roule, et les monts et les îles s' arrachèrent de leur place ;
Apo / Ap 6:15 And the kings of the earth, and the great men, and the rich men, and the chief captains, and the mighty men, and every bondman, and every free man, hid themselves in the dens and in the rocks of the mountains; Ary ny mpanjakan' ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin' ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin' ny lavaka sy tao amin' ny vatolampy eny an-tendrombohitra; Ny mpanjakan' ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny andevo sy ny olom-potsy dia nisitrika tany amin' ny zohy sy vaton' ny tendrombohitra, et les rois de la terre, et les hauts personnages, et les grands capitaines, et les gens enrichis, et les gens influents, et tous enfin, esclaves ou libres, ils allèrent se terrer dans les cavernes et parmi les rochers des montagnes,
Apo / Ap 6:16 And said to the mountains and rocks, Fall on us, and hide us from the face of him that sitteth on the throne, and from the wrath of the Lamb: ary hoy izy tamin' ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin' ny tavan' ilay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianana sy amin' ny fahatezeran' ny Zanak' ondry; ary nilaza tamin' ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: Mianjerà aminay, ka afeno amin' ny tavan' ilay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana sy amin' ny fahatezeran' ny Zanak' ondry izahay; disant aux montagnes et aux rochers : " Croulez sur nous et cachez-nous loin de Celui qui siège sur le trône et loin de la colère de l' Agneau. "
Apo / Ap 6:17 For the great day of his wrath is come; and who shall be able to stand? fa tonga ny andro lehiben' ny fahatezeran' ireo, ka iza no mahajanona? fa tonga ny androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona? Car il est arrivé, le grand Jour de sa colère, et qui donc peut tenir ?

<-
->