<-
->

Apo / Ap 8:1 And when he had opened the seventh seal, there was silence in heaven about the space of half an hour. Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. Nony nosokafan' ny Zanak' ondry ny tombo-kase fahafito, dia nisy fahanginana sahabo ho an-tsasak' adiny tany an-danitra. Et lorsque l' Agneau ouvrit le septième sceau, il se fit un silence dans le ciel, environ une demi-heure...
Apo / Ap 8:2 And I saw the seven angels which stood before God; and to them were given seven trumpets. Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fito mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra aho, ary nomena trompetra fito izy ireo. Et je vis les sept Anges qui se tiennent devant Dieu ; on leur remit sept trompettes.
Apo / Ap 8:3 And another angel came and stood at the altar, having a golden censer; and there was given unto him much incense, that he should offer it with the prayers of all saints upon the golden altar which was before the throne. Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin' ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin' ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin' ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan' ny seza fiandrianana. Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan' ny otely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony otely volamena, izy eo anoloan' ny seza fiandrianan' Andriamanitra; Un autre Ange vint alors se placer près de l' autel, muni d' une pelle en or. On lui donna beaucoup de parfums pour qu' il les offrît, avec les prières de tous les saints, sur l' autel d' or placé devant le trône.
Apo / Ap 8:4 And the smoke of the incense, which came with the prayers of the saints, ascended up before God out of the angel' s hand. Ary ny fofon' ny ditin-kazo manitra mbamin' ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan' ny anjely ho eo anatrehan' Andriamanitra. ary ny fofon' ny emboka manitra, avy amin' ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan' Andriamanitra avy amin' ny tànan' ny Anjely. Et, de la main de l' Ange, la fumée des parfums s'éleva devant Dieu, avec les prières des saints.
Apo / Ap 8:5 And the angel took the censer, and filled it with fire of the altar, and cast it into the earth: and there were voices, and thunderings, and lightnings, and an earthquake. Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin' ny afo teo amin' ny alitara ka nanipy izany tamin' ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany. Ary nalain' ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony otely, dia nazerany tamin' ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany. Puis l' Ange saisit la pelle et l' emplit du feu de l' autel qu' il jeta sur la terre. Ce furent alors des tonnerres, des voix et des éclairs, et tout trembla.
Apo / Ap 8:6 And the seven angels which had the seven trumpets prepared themselves to sound. Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. Ary niomana hitsoka ny trompetra ny Anjely fito izay nitondra ny trompetra fito. Les sept Anges aux sept trompettes s' apprêtèrent à sonner.
Apo / Ap 8:7 The first angel sounded, and there followed hail and fire mingled with blood, and they were cast upon the earth: and the third part of trees was burnt up, and all green grass was burnt up. Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin' ny tany irany; ary may ny ampahatelon' ny tany, ary may ny ampahatelon' ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra. Dia nitsoka ny trompetra ny anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo rà nalatsaka tamin' ny tany, ary may ny ampahatelon' ny tany, may ny ampahatelon' ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra. Et le premier sonna... Il y eut alors de la grêle et du feu mêlés de sang qui furent jetés sur la terre : et le tiers de la terre fut consumé, et le tiers des arbres fut consumé, et toute herbe verte fut consumée.
Apo / Ap 8:8 And the second angel sounded, and as it were a great mountain burning with fire was cast into the sea: and the third part of the sea became blood; Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon' ny ranomasina; Nitsoka ny trompetra indray ny anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra mirehitra nazera tany anaty ranomasina, ka nanjary rà ny ampahatelon' ny ranomasina, Et le deuxième Ange sonna... Alors une énorme masse embrasée, comme une montagne, fut projetée dans la mer, et le tiers de la mer devint du sang :
Apo / Ap 8:9 And the third part of the creatures which were in the sea, and had life, died; and the third part of the ships were destroyed. ary maty ny ampahatelon' ny zava-manan' aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon' ny sambo. maty ny ampahatelon' ny zava-manana aina tao amin' ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon' ny sambo. il périt ainsi le tiers des créatures vivant dans la mer, et le tiers des navires fut détruit.
Apo / Ap 8:10 And the third angel sounded, and there fell a great star from heaven, burning as it were a lamp, and it fell upon the third part of the rivers, and upon the fountains of waters; Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin' ny ampahatelon' ny ony sy tamin' ny loharano izany; Nitsoka ny trompetra koa ny anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin' ny ampahatelon' ny ony, sy tamin' ny loharano. Et le troisième Ange sonna... Alors tomba du ciel un grand astre, brûlant comme une torche. Il tomba sur le tiers des fleuves et sur les sources ;
Apo / Ap 8:11 And the name of the star is called Wormwood: and the third part of the waters became wormwood; and many men died of the waters, because they were made bitter. ary ny anaran' ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon' ny rano; ary maro ny olona no matin' ny rano, satria efa nangidy izany. Imangidy no anaran' io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon' ny rano, ary maro ny olona matin' ny rano, noho izy tonga mangidy. l' astre se nomme " Absinthe " : le tiers des eaux se changea en absinthe, et bien des gens moururent de ces eaux devenues amères.
Apo / Ap 8:12 And the fourth angel sounded, and the third part of the sun was smitten, and the third part of the moon, and the third part of the stars; so as the third part of them was darkened, and the day shone not for a third part of it, and the night likewise. Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon' ny masoandro sy ny ampahatelon' ny volana ary ny ampahatelon' ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon' ny andro, mba ho toy izany koa ny alina. Nitsoka ny trompetra indray ny anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon' ny masoandro sy ny ampahatelon' ny volana ary ny ampahatelon' ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon' ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon' ny andro, ary toraka izany koa ny alina. Et le quatrième Ange sonna... Alors furent frappés le tiers du soleil et le tiers de la lune et le tiers des étoiles : ils s' assombrirent d' un tiers, et le jour perdit le tiers de sa clarté, et la nuit de même.
Apo / Ap 8:13 And I beheld, and heard an angel flying through the midst of heaven, saying with a loud voice, Woe, woe, woe, to the inhabiters of the earth by reason of the other voices of the trumpet of the three angels, which are yet to sound! Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan' ny lanitra aho, izay nanao tamin' ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an' izay monina eny ambonin' ny tany noho ny feo sisa an' ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka! Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan' ny lanitra, niantso tamin' ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an' izay monina eny ambonin' ny tany, noho ny feon' ny trompetra telo sisa izay efa hotsofin' ny anjely. Et ma vision se poursuivit. J' entendis un aigle volant au zénith et criant d' une voix puissante : " Malheur, malheur, malheur aux habitants de la terre, à cause de la voix des dernières trompettes dont les trois Anges vont sonner.

<-
->