Chapitres et versets citant Mamre

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 13.18 Then Abram removed his tent, and came and dwelt in the plain of Mamre, which is in Hebron, and built there an altar unto the Lord. Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan' i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an' i Jehovah izy. Dia nifindra toby Abrama ka nandeha nonina teo amin' ny terebintan' i Mambre, izay any Hebròna, ary teo izy nanangana otely ho an' ny Tompo. Avec ses tentes, Abram alla s'établir au Chêne de Mambré, qui est à Hébron, et là, il érigea un autel à Yahvé.
...............
Gen / Jen 14.13 And there came one that had escaped, and told Abram the Hebrew; for he dwelt in the plain of Mamre the Amorite, brother of Eshcol, and brother of Aner: and these were confederate with Abram. Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin' i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan' i Mamre Amorita, rahalahin' i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin' i Abrama. Dia tonga ny anankiray tamin' ireo mpandositra nilaza izany tamin' i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin' ireo terebintan' i Mambre, dia ilay Amoreana rahalahin' i Eskola sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin' i Abrama ireo. Un rescapé vint informer Abram l' Hébreu, qui demeurait au Chêne de l' Amorite Mambré, frère d' Eshkol et d' Aner; ils étaient les alliés d' Abram.
...............
Gen / Jen 14.24 Save only that which the young men have eaten, and the portion of the men which went with me, Aner, Eshcol, and Mamre; let them take their portion. afa-tsy izay efa nohanin' ny zatovo sy ny anjaran' ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin' ireo ny anjarany. Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin' ny zatovo, sy ny anjaran' ny olona momba ahy dia Anera sy Eskola ary Mambre; ireo dia haka ny anjarany. Rien pour moi. Seulement ce que mes serviteurs ont mangé et la part des hommes qui sont venus avec moi, Aner, Eshkol et Mambré; eux prendront leur part.
Gen / Jen 18.1 And the Lord appeared unto him in the plains of Mamre: and he sat in the tent door in the heat of the day; Ary Jehovah niseho tamin' i Abrahama teo an-kazo terebintan' i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran' ny lainy izy, raha nafana ny andro; Ary Iaveh niseho taminy, teo amin' ireo terebintan' i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran' ny lainy iny izy, tamin' ilay nigaingaina iny ny andro. Yahvé lui apparut au Chêne de Mambré, tandis qu' il était assis à l' entrée de la tente, au plus chaud du jour.
...............
Gen / Jen 23.17 And the field of Ephron which was in Machpelah, which was before Mamre, the field, and the cave which was therein, and all the trees that were in the field, that were in all the borders round about, were made sure Ary ny sahan' i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin' i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin' ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin' ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty Koa amin' izany ny sahan' i Efrona, ao Makpelà, tandrifin' i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin' ny hazo ao anaty saha, ary ny hazo eny amin' ny sisiny manodidina; Ainsi le champ d'Éphrôn, qui est à Makpéla, vis-à-vis de Mambré, le champ et la grotte qui y est sise, et tous les arbres qui sont dans le champ, dans sa limite,
...............
Gen / Jen 23.19 And after this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre: the same is Hebron in the land of Canaan. Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an' i Saraha vadiny tao amin' ny zohy tao amin' ny saha Makpela tandrifin' i Mamre (Hebrona izany), ao amin' ny tany Kanana; Izay Abrahama vao nandevina an' i Sarà vadiny, tao an-johin' i Makpelà, tandrifin' i Mambre dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana. Puis Abraham enterra Sara, sa femme, dans la grotte du champ de Makpéla, vis-à-vis de Mambré c' est Hébron, au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 25.9 And his sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre; Ary nalevin' Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin' ny zohy ao Makpela, tao amin' ny sahan' i Efrona, zanak' i Zohara Hetita, izay tandrifin' i Mamre, Nalevin' Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin' ny zohy any Makpela, amin' ny sahan' i Efrona, zanak' i Seora, Heteana, tandrifin' i Mambre, Isaac et Ismaèl, ses fils, l' enterrèrent dans la grotte de Makpéla, dans le champ d'Éphrôn fils de Çohar, le Hittite, qui est vis-à-vis de Mambré.
...............
Gen / Jen 35.27 And Jacob came unto Isaac his father unto Mamre, unto the city of Arbah, which is Hebron, where Abraham and Isaac sojourned. Ary Jakoba nankany amin' Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian' i Abrahama sy Isaka. Ary Jakoba tonga tany amin' Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat-Arabe; dia Hebròna izany, izay nitoeran' i Abrahama sy Isaaka. Jacob arriva chez son père Isaac, à Mambré, à Qiryat-Arba, - c' est Hébron, - où séjournèrent Abraham et Isaac.
...............
Gen / Jen 49.30 In the cave that is in the field of Machpelah, which is before Mamre, in the land of Canaan, which Abraham bought with the field of Ephron the Hittite for a possession of a buryingplace. ao anatin' ny zohy izay any amin' ny saha Makpela, izay tandrifin' i Mamre, any amin' ny tany Kanana, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. anatin' ny zohy amin' ny saha Makpelà, tandrifin' i Mambre, any amin' ny tany Kanaana: dia izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha, tamin' i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. dans la grotte du champ de Makpéla, en face de Mambré, au pays de Canaan, qu' Abraham a achetée à Éphrôn le Hittite comme possession funéraire.
...............
Gen / Jen 50.13 For his sons carried him into the land of Canaan, and buried him in the cave of the field of Machpelah, which Abraham bought with the field for a possession of a buryingplace of Ephron the Hittite, before Mamre. dia nitondra azy tany amin' ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin' ny zohy amin' ny saha Makpela, tandrifin' i Mamre, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. Nitondra azy ho any amin' ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin' ny zohy, amin' ny sahan' i Makpela, izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin' i Mambre. et ils le transportèrent au pays de Canaan et l' ensevelirent dans la grotte du champ de Makpéla, qu' Abraham avait acquise d'Éphrôn le Hittite comme possession funéraire, en face de Mambré.