<-
->

Gen / Jen 25:1 Then again Abraham took a wife, and her name was Keturah. Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. Ary Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany. Abraham prit encore une femme, qui s' appelait Qetura.
Gen / Jen 25:2 And she bare him Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. Dia niteraka an' i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin' i Abrahama izy. Ka izao no naterak' io taminy: Zamràna, Jeksàna, Madàna, Madiàna, Jesbaoka ary Soe. Elle lui enfanta Zimrân, Yoqshân, Medân, Madiân, Yishbaq et Shuah. -
Gen / Jen 25:3 And Jokshan begat Sheba, and Dedan. And the sons of Dedan were Asshurim, and Letushim, and Leummim. Ary Joksana niteraka an' i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin' i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. Jeksàna niteraka an' i Sabà sy Dadàna; ny zanakalahin' i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima; Yosqhân engendra Sheba et Dedân, et les fils de Dedân furent les Ashshurites, les Letushim et les Léummim. -
Gen / Jen 25:4 And the sons of Midian; Ephah, and Epher, and Hanoch, and Abidah, and Eldaah. All these were the children of Keturah. Ary ny zanakalahin' i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak' i Ketora. Ny zanakalahin' i Madiàna dia Efà, Ofera, Henoka, Abidà, ary Eldao. - Ireo no zanakalahin' i Setorà rehetra. Fils de Madiân : Épha, Épher, Hanok, Abida, Eldaa. Tous ceux-là sont fils de Qetura.
Gen / Jen 25:5 And Abraham gave all that he had unto Isaac. Dia natolotr' i Abrahama an' Isaka izay rehetra nananany. Natolotr' i Abrahama an' Isaaka ny fananany rehetra. Abraham donna tous ses biens à Isaac.
Gen / Jen 25:6 But unto the sons of the concubines, which Abraham had, Abraham gave gifts, and sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, unto the east country. Fa ny zanak' ireo vaditsindranony hafa, izay nananan' i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin' Isaka zanany hiantsinanana ho any amin' ny tany atsinanana. Fa tolotànana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin' Isaaka hiantsinanana any amin' ny tany Atsinanana. Quant aux fils de ses concubines, Abraham leur fit des présents et les envoya, de son vivant, loin de son fils Isaac à l' est, au pays d' Orient.
Gen / Jen 25:7 And these are the days of the years of Abraham' s life which he lived, an hundred threescore and fifteen years. Ary ny andro niainan' i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. Dimy amby fito-polo amby zato taona no andro niainan' i Abrahama, Voici la durée de la vie d' Abraham : cent soixante-quinze ans.
Gen / Jen 25:8 Then Abraham gave up the ghost, and died in a good old age, an old man, and full of years; and was gathered to his people. Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin' ny razany izy. ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin' ny razany. Puis Abraham expira, il mourut dans une vieillesse heureuse, âgé et rassasié de jours, et il fut réuni à sa parenté.
Gen / Jen 25:9 And his sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre; Ary nalevin' Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin' ny zohy ao Makpela, tao amin' ny sahan' i Efrona, zanak' i Zohara Hetita, izay tandrifin' i Mamre, Nalevin' Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin' ny zohy any Makpela, amin' ny sahan' i Efrona, zanak' i Seora, Heteana, tandrifin' i Mambre, Isaac et Ismaèl, ses fils, l' enterrèrent dans la grotte de Makpéla, dans le champ d'Éphrôn fils de Çohar, le Hittite, qui est vis-à-vis de Mambré.
Gen / Jen 25:10 The field which Abraham purchased of the sons of Heth: there was Abraham buried, and Sarah his wife. dia ilay saha izay novinidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta; tao no nandevenana an' i Abrahama sy Saraha vadiny. dia ilay saha novidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta. Tao no nalevina Abrahama sy Sarà vadiny. C' est le champ qu' Abraham avait acheté aux fils de Hèt; là furent enterrés Abraham et sa femme Sara.
Gen / Jen 25:11 And it came to pass after the death of Abraham, that God blessed his son Isaac; and Isaac dwelt by the well Lahairoi. Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin' Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin' i Bera-lahai-roy. Nony maty Abrahama nasian' Andriamanitra soa Isaaka zanany; ary tao akaikin' ny fantsakana "Lakaï-Roï" Isaaka no nonina. Après la mort d' Abraham, Dieu bénit son fils Isaac, et Isaac habita près du puits de Lahaï Roï.
Gen / Jen 25:12 Now these are the generations of Ishmael, Abraham' s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah' s handmaid, bare unto Abraham: Ary izao no taranak' Isimaela, zanakalahin' i Abrahama izay naterak' i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin' i Saraha, tamin' i Abrahama : Izao no tantaran' Ismaely zanak' i Abrahama izay naterak' i Agara Ejipsiana mpanompovavin' i Sarà tamin' i Abrahama. Voici la descendance d' Ismaèl, le fils d' Abraham, que lui enfanta Agar, la servante égyptienne de Sara.
Gen / Jen 25:13 And these are the names of the sons of Ishmael, by their names, according to their generations: the firstborn of Ishmael, Nebajoth; and Kedar, and Adbeel, and Mibsam, Izao no anaran' ny zanakalahin' Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan' Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama Izao no anaran' ny zanakalahin' Ismaely, araka ny anaran' ny taranany avy: Nebaiota no lahimatoan' Ismaely, dia Sedara, Adbeela, Mabsama, Voici les noms des fils d' Ismaèl, selon leurs noms et leur lignée : le premier-né d' Ismaèl Nebayot, puis Qédar, Adbéel, Mibsam,
Gen / Jen 25:14 And Mishma, and Dumah, and Massa, sy Misma sy Doma sy Masa Masmà, Domà, Masà, Mishma, Duma, Massa,
Gen / Jen 25:15 Hadar, and Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah: sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema. Hadada, Temà, Jetora, Nafisy ary Sedmà. Hadad, Téma, Yetur, Naphish et Qédma.
Gen / Jen 25:16 These are the sons of Ishmael, and these are their names, by their towns, and by their castles; twelve princes according to their nations. Izy ireo no zanakalahin' Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin' ny folo araka ny fireneny. Ireo no zanakalahin' Ismaely, ireo no anarany araka ny vohiny sy ny tobiny avy; ireo no filohany roa ambin' ny folo amin' ny fokony. Ce sont là les fils d' Ismaèl et tels sont leurs noms, d' après leurs douars et leurs camps, douze chefs d' autant de clans.
Gen / Jen 25:17 And these are the years of the life of Ishmael, an hundred and thirty and seven years: and he gave up the ghost and died; and was gathered unto his people. Ary ny andro niainan' Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin' ny razany . Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan' Ismaely dia niala aina izy; ka maty, ary nakambana tamin' ny razany. Voici la durée de la vie d' Ismaèl : cent trente-sept ans. Puis il expira; il mourut et il fut réuni à sa parenté.
Gen / Jen 25:18 And they dwelt from Havilah unto Shur, that is before Egypt, as thou goest toward Assyria: and he died in the presence of all his brethren. Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin' i Egypta amin' ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin' ny rahalahiny rehetra no nitoerany. Ny taranany dia nonina hatrany Hevila ka hatrany Sora, tandrifin' i Ejipta tamin' ny làlana mankany Asiria. Nitatra tandrifin' ny rahalahiny rehetra izy. Il habita depuis Havila jusqu'à Shur, qui est à l' est de l'Égypte, en allant vers l' Assyrie. Il s'était établi à la face de tous ses frères.
Gen / Jen 25:19 And these are the generations of Isaac, Abraham' s son: Abraham begat Isaac: Ary izao no taranak' Isaka, zanakalahin' i Abrahama: Izao no tantaran' Isaaka zanak' i Abrahama. Voici l' histoire d' Isaac fils d' Abraham. Abraham engendra Isaac.
Gen / Jen 25:20 And Isaac was forty years old when he took Rebekah to wife, the daughter of Bethuel the Syrian of Padanaram, the sister to Laban the Syrian. Abrahama niteraka an' Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin' i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin' i Labana Syriana. Abrahama niteraka an' Isaaka. Ary efa efa-polo taona Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak' i Batoela Arameana any Padan-Arama, sy anabavin' i Labana Arameana. Isaac avait quarante ans lorsqu' il épousa Rébecca, fille de Bétuel, l' Araméen de Paddân-Aram, et soeur de Laban l' Araméen.
Gen / Jen 25:21 And Isaac intreated the Lord for his wife, because she was barren: and the Lord was intreated of him, and Rebekah his wife conceived. Ary Isaka nangataka tamin' i Jehovah ho an' ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin' i Jehovah ny fangatahany, dia nanan' anaka Rebeka vadiny. Nangataka tamin' ny Tompo ho an' ny vadiny Isaaka, fa momba ravehivavy; ary nohenoin' ny Tompo ny fangatahany, ka dia nanana anaka Rebekà vadiny. Isaac implora Yahvé pour sa femme, car elle était stérile : Yahvé l' exauça et sa femme Rébecca devint enceinte.
Gen / Jen 25:22 And the children struggled together within her; and she said, If it be so, why am I thus? And she went to enquire of the Lord. Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin' i Jehovah izy. Nifanosika tao an-kibo ireo zaza, ka hoy izy: Raha izany no izy, nahoana foana aho no dia bevohoka? Dia lasa nanontany tamin' ny Tompo izy, Or les enfants se heurtaient en elle et elle dit : S' il en est ainsi, à quoi bon vivre ? Elle alla donc consulter Yahvé, et Yahvé lui dit : Il y a deux nations en ton sein, deux peuples, issus de toi, se sépareront, un peuple dominera un peuple, l' aîné
Gen / Jen 25:23 And the Lord said unto her, Two nations are in thy womb, and two manner of people shall be separated from thy bowels; and the one people shall be stronger than the other people; and the elder shall serve the younger. Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. Ka hoy Iaveh taminy: Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin' ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely. et Yahvé lui dit "Il y a deux nations en ton sein, deux peuples, issus de toi, se sépareront, un peuple dominera un peuple, l' aîné servira le cadet."
Gen / Jen 25:24 And when her days to be delivered were fulfilled, behold, there were twins in her womb. Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. Dia tonga ny fotoana hahaterahany, ary zaza kambana no tao an-kibony. Quand vint le temps de ses couches, voici qu' elle portait des jumeaux.
Gen / Jen 25:25 And the first came out red, all over like an hairy garment; and they called his name Esau. Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr' i Esao, ary nataony hoe Jakoba no anarany. Le premier sortit : il était roux et tout entier comme un manteau de poils; on l' appela Ésaü.
Gen / Jen 25:26 And after that came his brother out, and his hand took hold on Esau' s heel; and his name was called Jacob: and Isaac was threescore years old when she bare them. Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr' i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin' ny niterahana azy mirahalahy. Efa enim-polo taona Isaaka tamin' ny nahaterahan' izy ireo. Ensuite sortit son frère et sa main tenait le talon d'Ésaü; on l' appela Jacob. Isaac avait soixante ans à leur naissance.
Gen / Jen 25:27 And the boys grew: and Esau was a cunning hunter, a man of the field; and Jacob was a plain man, dwelling in tents. Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. Dia nitombo ireo zaza ireo ka Esao moa tonga mpihaza mahay, sy lehilahy mpiantsaha; fa Jakoba kosa lehilahy nandry fahizay, faly nipetraka tao an-day. Les garçons grandirent : Ésaü devint un habile chasseur, courant la steppe, Jacob était un homme tranquille, demeurant sous les tentes.
Gen / Jen 25:28 And Isaac loved Esau, because he did eat of his venison: but Rebekah loved Jacob. Ary Isaka tia an' i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an' i Jakoba. Isaaka raiki-pitia an' i Esao, satria nankafy ny haza; fa Rebekà kosa tia an' i Jakoba. Isaac préférait Ésaü car le gibier était à son goût, mais Rébecca préférait Jacob.
Gen / Jen 25:29 And Jacob sod pottage: and Esau came from the field, and he was faint: Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. Nahandro hanina indrindra Jakoba no tonga avy any an-tsaha Esao, efa trotraky ny harerahana. Une fois, Jacob prépara un potage et Ésaü revint de la campagne, épuisé.
Gen / Jen 25:30 And Esau said to Jacob, Feed me, I pray thee, with that same red pottage; for I am faint: therefore was his name called Edom. Dia hoy Esao tamin' i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). Ka hoy Esao tamin' i Jakoba: Mba avelao aho hihinana amin' ny mena, dia amin' io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anaran' i Esao hoe Edoma. Ésaü dit à Jacob : Laisse-moi avaler ce roux, ce roux-là; je suis épuisé. - C' est pourquoi on l' a appelé Édom. -
Gen / Jen 25:31 And Jacob said, Sell me this day thy birthright. Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. Ary hoy Jakoba: Amidio amiko àry Jacob dit : Vends-moi d' abord ton droit d' aînesse.
Gen / Jen 25:32 And Esau said, Behold, I am at the point to die: and what profit shall this birthright do to me? Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? Dia hoy Esao: Izaho aza efa ho faty, ka ho inoko akory izay fizokiana? Ésaü répondit : Voici que je vais mourir, à quoi me servira le droit d' aînesse ?
Gen / Jen 25:33 And Jacob said, Swear to me this day; and he sware unto him: and he sold his birthright unto Jacob. Ary hoy Jakoba: MianianaJakoba ny fizokiany. Fa hoy Jakoba: MianiànaJakoba. Jacob reprit : Prête-moi d' abord serment; il lui prêta serment et vendit son droit d' aînesse à Jacob.
Gen / Jen 25:34 Then Jacob gave Esau bread and pottage of lentiles; and he did eat and drink, and rose up, and went his way: thus Esau despised his birthright. Ary Jakoba nanome an' i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan' i Esao ny fizokiany. Izay vao nomen' i Jakoba mofo sy sosam-boanemba Esao; ka nony efa nihinana sy nisotro izy, dia nitsangana ka lasa nandeha. Toy izany no nanamavoan' i Esao ny fizokiany. Alors Jacob lui donna du pain et du potage de lentilles, il mangea et but, se leva et partit. C' est tout le cas qu'Ésaü fit du droit d' aînesse.

<-
->