Chapitres et versets citant Satana

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
1Tt / 1Tan 21.1 And Satan stood up against Israel, and provoked David to number Israel. Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin' ny Isiraely ka nanome saina an' i Davida hanisa ny Isiraely. Ary nitsangan-kamely an' Israely Satàna ka namoky an' i Davida hanisa an' Israely. Satan se dressa contre Israël et il incita David à dénombrer les Israélites.

  Book of Job Joba Joba Livre de Job
...............
Job / Jb 1.6 Now there was a day when the sons of God came to present themselves before the Lord, and Satan came also among them. Ary tamin' ny indray andro nony avy ireo zanak' Andriamanitra hiseho teo anatrehan' i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan' ny Tompo ireo zanak' Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan' izy ireo koa Satana. Le jour où les Fils de Dieu venaient se présenter devant Yahvé, le Satan aussi s' avançait parmi eux.
Job / Jb 1.7 And the Lord said unto Satan, Whence comest thou? Then Satan answered the Lord, and said, From going to and fro in the earth, and from walking up and down in it. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an' i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin' ny tany aho ka nivezivezy teny. Ka hoy Iaveh tamin' i Satana: Avy aiza hianao? Dia hoy ny navalin' i Satana: Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny. Yahvé dit alors au Satan : " D' où viens-tu ? " - " De parcourir la terre, répondit-il, et de m' y promener. "
Job / Jb 1.8 And the Lord said unto Satan, Hast thou considered my servant Job, that there is none like him in the earth, a perfect and an upright man, one that feareth God, and escheweth evil? Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin' ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an' Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary hoy Iaveh tamin' i Satàna: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin' ny tany, marina, mahitsy, matahotra an' Andriamanitra, ary mifady ny ratsy. Et Yahvé reprit : " As-tu remarqué mon serviteur Job ? Il n' a point son pareil sur la terre : c' est un homme intègre et droit, qui craint Dieu et s'écarte du mal! "
Job / Jb 1.9 Then Satan answered the Lord, and said, Doth Job fear God for nought? Ary Satana dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran' i Joba an' Andriamanitra? Fa hoy Satana namaly an' ny Tompo: Moa matahotra an' Andriamanitra maimaim-poana va Joba? Et le Satan de répliquer à Yahvé : " Est-ce pour rien que Job craint Dieu ?
...............
Job / Jb 1.12 And the Lord said unto Satan, Behold, all that he hath is in thy power; only upon himself put not forth thine hand. So Satan went forth from the presence of the Lord. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan' i Jehovah. Ka hoy Iaveh tamin' i Satana: Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tànana. Dia niala teo anatrehan' ny Tompo Satana. " Soit! dit Yahvé au Satan, tout ce qu' il possède est en ton pouvoir. Évite seulement de porter la main sur lui. " Et le Satan sortit de devant Yahvé.
Job / Jb 2.1 Again there was a day when the sons of God came to present themselves before the Lord, and Satan came also among them to present himself before the Lord. Ary tamin' ny indray andro koa dia avy ireo zanak' Andriamanitra hiseho teo anatrehan' i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan' i Jehovah. Indray andro, raha tonga teo anatrehan' ny Tompo ireo zanak' Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan' izy ireo koa Satana, ka tonga teo anatrehan' ny Tompo. Un autre jour où les Fils de Dieu venaient se présenter devant Yahvé, le Satan aussi s' avançait parmi eux.
Job / Jb 2.2 And the Lord said unto Satan, From whence comest thou? And Satan answered the Lord, and said, From going to and fro in the earth, and from walking up and down in it. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin' ny tany aho ka nivezivezy teny. Ary hoy Iaveh tamin' i Satana: Avy aiza hianao? Ka hoy Satana namaly an' ny Tompo: Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny. Yahvé dit alors au Satan : " D' où viens-tu ? " - " De parcourir la terre, répondit-il, et de m' y promener. "
Job / Jb 2.3 And the Lord said unto Satan, Hast thou considered my servant Job, that there is none like him in the earth, a perfect and an upright man, one that feareth God, and escheweth evil? and still he holdeth fast his integrity, although thou movedst me against him, to destroy him without cause. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin' ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an' Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. Dia hoy Iaveh tamin' i Satana: Efa nandinika an' i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin' ny tany, marina, mahitsy, matahotra an' Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin' ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza aho. Et Yahvé reprit : " As-tu remarqué mon serviteur Job ? Il n' a point son pareil sur la terre : c' est un homme intègre et droit, qui craint Dieu et s'écarte du mal! Il persévère dans son intégrité et c' est en vain que tu m' as excité contre lui pour le détruire. "
Job / Jb 2.4 And Satan answered the Lord, and said, Skin for skin, yea, all that a man hath will he give for his life. Ary Satana dia namaly an' i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin' ny hoditra, eny, izay rehetra ananan' ny olona dia homeny ho-fefin' ny ainy. Fa hoy ny navalin' i Satana an' ny Tompo: Hoditra fefin' ny hoditra! Izay ananan' ny olona dia atolony ho fefin' ny ainy avokoa. Et le Satan de répliquer à Yahvé : " Peau après peau! Tout ce que l' homme possède, il le donne pour sa vie!
...............
Job / Jb 2.6 And the Lord said unto Satan, Behold, he is in thine hand; but save his life. Dia hoy Jehovah tamin' i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. Ka hoy Iaveh tamin' i Satana: Indro atolotro eo an-tànanao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino. " Soit! dit Yahvé au Satan, il est en ton pouvoir mais respecte pourtant sa vie. "
Job / Jb 2.7 So went Satan forth from the presence of the Lord, and smote Job with sore boils from the sole of his foot unto his crown. Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan' i Jehovah ka namely vay ratsy an' i Joba hatramin' ny faladiany ka hatramin' ny tampon-dohany. Dia niala teo anatrehan' ny tavan' ny Tompo Satana, ka nasiany habokana ratsy Joba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. Et le Satan sortit de devant Yahvé. Il frappa Job d' un ulcère malin, depuis la plante des pieds jusqu' au sommet de la tête.

  Book of Zechariah Zakaria Zakaria Livre de Zacharie
Zak / Za 3.1 And he shewed me Joshua the high priest standing before the angel of the Lord, and Satan standing at his right hand to resist him. Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan' Ilay Anjelin' i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy. Nasehony ahy Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan' ilay anjelin' ny Tompo, ary Satana nitsangana teo ankavanan' io mba hanohitra azy. Il me fit voir Josué, le grand prêtre, qui se tenait devant l' ange de Yahvé, tandis que le Satan était debout à sa droite pour l' accuser.
Zak / Za 3.2 And the Lord said unto Satan, The Lord rebuke thee, O Satan; even the Lord that hath chosen Jerusalem rebuke thee: is not this a brand plucked out of the fire? Ary hoy Jehovah tamin' i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an' i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin' ny afo va ity? Dia hoy Iaveh tamin' i Satana: Aoka hosakanan' ny Tompo hianao, ry Satana, aoka hianao hosakanan' ny Tompo, izay nifidy an' i Jerosalema! Tsy forohana nosarihana avy ao amin' ny afo va ity? L' ange de Yahvé dit au Satan : Que Yahvé te réprime, Satan; que Yahvé te réprime, lui qui a fait choix de Jérusalem. Celui-ci n' est-il pas un tison tiré du feu ?

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 4.10 Then saith Jesus unto him, Get thee hence, Satan: for it is written, Thou shalt worship the Lord thy God, and him only shalt thou serve. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). Fa izao no navalin' i Jeso azy: Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. Alors Jésus lui dit : " Retire-toi, Satan ! Car il est écrit : C' est le Seigneur ton Dieu que tu adoreras, et à Lui seul tu rendras un culte. "
...............
Mat / Mt 12.26 And if Satan cast out Satan, he is divided against himself; how shall then his kingdom stand? Ary raha Satana no mamoaka an' i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan' ny fanjakany? Raha Satana no mandroaka an' i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan' ny fanjakany? Or, si Satan expulse Satan, il s' est divisé contre lui-même : dès lors, comment son royaume se maintiendra-t-il ?
...............
Mat / Mt 16.23 But he turned, and said unto Peter, Get thee behind me, Satan: thou art an offence unto me: for thou savourest not the things that be of God, but those that be of men. Fa Izy nihodina ka niteny tamin' i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra ianao, fa izay an' ny olona. Fa nihodina izy ka nilaza tamin' i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr' Andriamanitra, fa araka ny an' ny olona. Mais lui, se retournant, dit à Pierre : " Passe derrière moi, Satan ! tu me fais obstacle, car tes pensées ne sont pas celles de Dieu, mais celles des hommes ! "

  The Gospel according to Mark Marka Marka L'Évangile selon Saint Marc
...............
Mar / Mk 1.13 And he was there in the wilderness forty days, tempted of Satan; and was with the wild beasts; and the angels ministered unto him. Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain' i Satana fanahy; ary teo amin' ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. ka nitoetra tany efa-polo andro dia nalain' i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin' ny bibidia, ary ny anjely nanompo azy. Et il était dans le désert durant quarante jours, tenté par Satan. Et il était avec les bêtes sauvages, et les anges le servaient.
...............
Mar / Mk 3.23 And he called them unto him, and said unto them in parables, How can Satan cast out Satan? Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon' i Satana ahoana no famoaka an' i Satana? Nantsoin' i Jeso izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: Hataon' i Satana ahoana no fandroaka an' i Satana? Les ayant appelés près de lui, il leur disait en paraboles : " Comment Satan peut-il expulser Satan ?
...............
Mar / Mk 3.26 And if Satan rise up against himself, and be divided, he cannot stand, but hath an end. Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny. koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Or, si Satan s' est dressé contre lui-même et s' est divisé, il ne peut pas tenir, il est fini.
...............
Mar / Mk 4.15 And these are they by the way side, where the word is sown; but when they have heard, Satan cometh immediately, and taketh away the word that was sown in their hearts. Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin' izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. Ireto eo amoron-dàlana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Ceux qui sont au bord du chemin où la Parole est semée, sont ceux qui ne l' ont pas plus tôt entendue que Satan arrive et enlève la Parole semée en eux.
...............
Mar / Mk 8.33 But when he had turned about and looked on his disciples, he rebuked Peter, saying, Get thee behind me, Satan: for thou savourest not the things that be of God, but the things that be of men. Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an' i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra ianao, fa izay an' ny olona. Fa nihodina nijery ny mpianany izy, ary niteny mafy an' i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an' Andriamanitra hianao, fa araka ny olombelona. Mais lui, se retournant et voyant ses disciples, admonesta Pierre et dit : " Passe derrière moi, Satan ! car tes pensées ne sont pas celles de Dieu, mais celles des hommes ! "

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 10.18 And he said unto them, I beheld Satan as lightning fall from heaven. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an' i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. Dia hoy Jeso taminy: Nahita an' i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra aho. Il leur dit : " Je voyais Satan tomber du ciel comme l'éclair !
...............
Lio / Lk 11.18 If Satan also be divided against himself, how shall his kingdom stand? because ye say that I cast out devils through Beelzebub. Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan' ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia. ka raha miady an-trano àry Satana, ahoana no haharetan' ny fanjakany? satria lazainareo fa Belzeboba no androahako ny demony. Si donc Satan s' est, lui aussi, divisé contre lui-même, comment son royaume se maintiendra-t-il ?... puisque vous dites que c' est par Béelzéboul que j' expulse les démons.
...............
Lio / Lk 13.16 And ought not this woman, being a daughter of Abraham, whom Satan hath bound, lo, these eighteen years, be loosed from this bond on the sabbath day? Koa ity vehivavy zanak' i Abrahama ity, izay efa nafatotr' i Satana izao valo ambin' ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin' izany fatorana izany amin' ny andro Sabata va? Ary ity zanakavavin' i Abrahama izay efa nafatotr' i Satana hatramin' ny valo ambin' ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin' izany fatorana izany amin' ny andro sabata? Et cette fille d' Abraham, que Satan a liée voici dix-huit ans, il n' eût pas fallu la délier de ce lien le jour du sabbat ! "
...............
Lio / Lk 22.3 Then entered Satan into Judas surnamed Iscariot, being of the number of the twelve. Fa Satana niditra tao anatin' i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin' ny roa ambin' ny folo lahy; Nidiran' i Satana kosa Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anisan' ny roa ambin' ny folo lahy, Or Satan entra dans Judas, appelé Iscariote, qui était du nombre des Douze.
...............
Lio / Lk 22.31 And the Lord said, Simon, Simon, behold, Satan hath desired to have you, that he may sift you as wheat: Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, " Simon, Simon, voici que Satan vous a réclamés pour vous cribler comme le froment ;

  The Gospel according to John Jaona Joany L'Évangile selon Saint Jean
...............
Jao / Jo 13.27 And after the sop Satan entered into him. Then said Jesus unto him, That thou doest, do quickly. Ary manaraka izany no nidiran' i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana. Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo Jodasy dia nidiran' ny demony, ka hoy Jeso taminy: Ataovy haingana izay ataonao. Après la bouchée, alors Satan entra en lui. Jésus lui dit donc : " Ce que tu fais, fais-le vite. "

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 5.3 But Peter said, Ananias, why hath Satan filled thine heart to lie to the Holy Ghost, and to keep back part of the price of the land? Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin' ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin' ny tany? Fa hoy Piera: Ry Anania, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin' ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin' ny vidin' ny tany? " Ananie, lui dit alors Pierre, pourquoi Satan a-t-il rempli ton coeur, que tu mentes à l' Esprit Saint et détournes une partie du prix du champ ?
...............
Asa 26.18 To open their eyes, and to turn them from darkness to light, and from the power of Satan unto God, that they may receive forgiveness of sins, and inheritance among them which are sanctified by faith that is in me. hampahiratra ny masony hialany amin' ny maizina ho amin' ny mazava, ary amin' ny fahefan' i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin' izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. mba hampahiratra ny mason' izy ireo, hialany amin' ny maizina ho amin' ny mazava, sy avy amin' ny fahefan' i Satana ho amin' Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin' ny olo-masina noho ny finoana ahy. pour leur ouvrir les yeux, afin qu' elles reviennent des ténèbres à la lumière et de l' empire de Satan à Dieu, et qu' elles obtiennent, par la foi en moi, la rémission de leurs péchés et une part d' héritage avec les sanctifiés. "

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
...............
Rom / Rm 16.20 And the God of peace shall bruise Satan under your feet shortly. The grace of our Lord Jesus Christ be with you. Amen. Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an' i Satana faingana eo ambanin' ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan' i Jesosy Kristy Tompontsika. Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana ny an' i Satana eo ambanin' ny tongotrareo. Ary ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan' i Jeso-Kristy Tompontsika. Le Dieu de la paix écrasera bien vite Satan sous vos pieds. Que la grâce de notre Seigneur Jésus Christ soit avec vous !

  1st Letter to the Corinthians 1 Korintianina Korintiana I 1ère Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
1Kr / 1Kor 5.5 To deliver such an one unto Satan for the destruction of the flesh, that the spirit may be saved in the day of the Lord Jesus. hanolotra izany anankiray izany ho an' i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin' ny andron' i Jesosy Tompo. dia aoka izany olona izany hatolotra an' i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin' ny andron' ny Tompo. nous livrions cet individu à Satan pour la perte de sa chair, afin que l' esprit soit sauvé au Jour du Seigneur.
...............
1Kr / 1Kor 7.5 Defraud ye not one the other, except it be with consent for a time, that ye may give yourselves to fasting and prayer; and come together again, that Satan tempt you not for your incontinency. Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin' izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan' i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo. Aza misara-pandriana hianareo, afa-tsy amin' ny andro sasany ifanekenareo holanina amin' ny fivavahana; rahefa izany, dia miraisa indray fandrao alain' i Satana fanahy hianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena; Ne vous refusez pas l' un à l' autre, si ce n' est d' un commun accord, pour un temps, afin de vaquer à la prière ; et de nouveau soyez ensemble, de peur que Satan ne profite, pour vous tenter, de votre incontinence.

  2nd Letter to the Corinthians 2 Korintianina Korintiana II 2ème Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
2Kr / 2Kor 2.11 Lest Satan should get an advantage of us: for we are not ignorant of his devices. fandrao ho resin' ny fitak' i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. mba tsy ho voan' ny teti-dratsin' i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. Il ne s' agit pas d'être dupes de Satan, car nous n' ignorons pas ses desseins.
...............
2Kr / 2Kor 11.14 And no marvel; for Satan himself is transformed into an angel of light. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin' ny mazava. Ary aza gaga amin' izany hianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny anjelin' ny mazava koa; Et rien d'étonnant : Satan lui-même se déguise bien en ange de lumière.
...............
2Kr / 2Kor 12.7 And lest I should be exalted above measure through the abundance of the revelations, there was given to me a thorn in the flesh, the messenger of Satan to buffet me, lest I should be exalted above measure. Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin' ny nofo, dia irak' i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben' ireo fanambarana aho, dia nasiana tsilo tao amin' ny nofoko, dia anjelin' i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. Et pour que l' excellence même de ces révélations ne m' enorgueillisse pas, il m' a été mis une écharde en la chair, un ange de Satan chargé de me souffleter - pour que je ne m' enorgueillisse pas !

  1st Letter to the Thessalonians 1 Tesalonianina Tesalonisiana I 1ère Épître de Saint Paul aux Thessaloniciens
...............
1Te / 1Tes 2.18 Wherefore we would have come unto you, even I Paul, once and again; but Satan hindered us. Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan' i Satana izahay. ka indray maka na indroa aza dia efa nikasa ny hankaty aminareo mihitsy izahay, indrindra fa izaho Paoly, nefa nosakanan' i Satana. Nous avons donc voulu venir jusqu'à vous - moi-même, Paul, à plusieurs reprises -, mais Satan nous en a empêchés.

  2nd Letter to the Thessalonians 2 Tesalonianina Tesalonisiana II 2ème Épître de Saint Paul aux Thessaloniciens
...............
2Te / 2Tes 2.9 Even him, whose coming is after the working of Satan with all power and signs and lying wonders, ny fihavin' ilehiny dia araka ny fiàsan' i Satana amin' ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra Ary ny fisehoan' ilay ratsy, noho ny asan' i Satana dia homban' ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra, Sa venue à lui, l' Impie, aura été marquée, par l' influence de Satan, de toute espèce d' oeuvres de puissance, de signes et de prodiges mensongers,

  1st Letter to Tomothy 1 Timoty Timote I 1ère Épître de Saint Paul à Timothée
...............
1Tm 1.20 Of whom is Hymenaeus and Alexander; whom I have delivered unto Satan, that they may learn not to blaspheme. naman' ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an' i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. anisan' ireny Himeneo sy Aleksandra, izay natolotro an' i Satana, mba hofaizina tsy hiteny ratsy. entre autres, Hyménée et Alexandre, que j' ai livrés à Satan pour leur apprendre à ne plus blasphémer.
...............
1Tm 5.15 For some are already turned aside after Satan. Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an' i Satana. satria efa nisy lasa nivily sahady hanaraka an' i Satana. Il en est déjà qui se sont fourvoyées à la suite de Satan.

  The Revelation Apokalypsy Fanambaràna L'Apocalypse
...............
Apo / Ap 2.9 I know thy works, and tribulation, and poverty, (but thou art rich) and I know the blasphemy of them which say they are Jews, and are not, but are the synagogue of Satan. Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon' izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan' i Satana. Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena hianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin' ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan' i Satana. Je connais tes épreuves et ta pauvreté - tu es riche pourtant - et les diffamations de ceux qui usurpent le titre de Juifs - une synagogue de Satan plutôt ! -
...............
Apo / Ap 2.13 I know thy works, and where thou dwellest, even where Satan' s seat is: and thou holdest fast my name, and hast not denied my faith, even in those days wherein Antipas was my faithful martyr, who was slain among you, where Satan dwelleth. Fantatro izay onenanao, dia ao amin' ny itoeran' ny seza fiandrianan' i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin' ny andron' i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin' izay onenan' i Satana. Fantatro ny itoeranao, dia eo amin' ny misy ny seza fiandrianan' i Satana; nefa mitana mafy ny anarako hianao, ka tsy nandà ny finoana ahy na dia tamin' ny andron' i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin' izay onenan' i Satana. Je sais où tu demeures : là est le trône de Satan. Mais tu tiens ferme à mon nom et tu n' as pas renié ma foi, même aux jours d' Antipas, mon témoin fidèle, qui fut mis à mort chez vous, là où demeure Satan. 73.002.013
...............
Apo / Ap 2.24 But unto you I say, and unto the rest in Thyatira, as many as have not this doctrine, and which have not known the depths of Satan, as they speak; I will put upon you none other burden. Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon' ireo hoe "sain-dalin' i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; Ary indreo hianareo mpino sisa any Tiatira, izay tsy manana izany fampianarana izany, sy izay rehetra tsy nahalala ireny antsoin' ny sasany hoe sain-dalin' i Satana ireny, dia izao kosa no lazaiko aminareo: Tsy hovesarako entana hafa hianareo, Quant à vous autres, à Thyatire, qui ne partagez pas cette doctrine, vous qui n' avez pas connu " les profondeurs de Satan ", comme ils disent, je vous déclare que je ne vous impose pas d' autre fardeau ;
...............
Apo / Ap 3.9 Behold, I will make them of the synagogue of Satan, which say they are Jews, and are not, but do lie; behold, I will make them to come and worship before thy feet, and to know that I have loved thee. Indro, alaiko ny sasany amin' ny synagogan' i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan' ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. Indro, atolotro anao ny sasany amin' ny sinagogan' i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao aho. Voici, je forcerai ceux de la synagogue de Satan - ils usurpent la qualité de Juifs, les menteurs -, oui, je les forcerai à venir se prosterner devant tes pieds, à reconnaître que je t' ai aimé.
...............
Apo / Ap 12.9 And the great dragon was cast out, that old serpent, called the Devil, and Satan, which deceiveth the whole world: he was cast out into the earth, and his angels were cast out with him. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin' ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin' ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy. On le jeta donc, l'énorme Dragon, l' antique Serpent, le Diable ou le Satan, comme on l' appelle, le séducteur du monde entier, on le jeta sur la terre et ses Anges furent jetés avec lui.
...............
Apo / Ap 20.2 And he laid hold on the dragon, that old serpent, which is the Devil, and Satan, and bound him a thousand years, dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, Nosamborin' izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona, Il maîtrisa le Dragon, l' antique Serpent - c' est le Diable, Satan - et l' enchaîna pour mille années.
...............
Apo / Ap 20.7 And when the thousand years are expired, Satan shall be loosed out of his prison, Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin' ny tranomaizina nitoerany Rahefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana hiala amin' ny tranomaizina i Satana, ka hivoaka hamitaka ny firenena amin' ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy Magoga, izay hoatra ny fasiky ny ranomasina ny isany, mba hamory azy ho amin' ny ady. Les mille ans écoulés, Satan, relâché de sa prison,