<-
->

Mat / Mt 12:1 At that time Jesus went on the sabbath day through the corn; and his disciples were an hungred, and began to pluck the ears of corn and to eat. Tamin' izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin' ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. Tamin' izany andro izany Jeso namaky ny tanimbary tamin' ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; En ce temps-là Jésus vint à passer, un jour de sabbat, à travers les moissons. Ses disciples eurent faim et se mirent à arracher des épis et à les manger.
Mat / Mt 12:2 But when the Pharisees saw it, they said unto him, Behold, thy disciples do that which is not lawful to do upon the sabbath day. Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin' ny Sabata. fa nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin' ny sabata. Ce que voyant, les Pharisiens lui dirent : " Voilà tes disciples qui font ce qu' il n' est pas permis de faire pendant le sabbat ! "
Mat / Mt 12:3 But he said unto them, Have ye not read what David did, when he was an hungred, and they that were with him; Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon' i Davida, raha noana izy mbamin' izay nanaraka azy, Ary hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon' i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, Mais il leur dit : " N' avez-vous pas lu ce que fit David lorsqu' il eut faim, lui et ses compagnons ?
Mat / Mt 12:4 How he entered into the house of God, and did eat the shewbread, which was not lawful for him to eat, neither for them which were with him, but only for the priests? Fa niditra tao amin' ny tranon' Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? fa niditra tao an-tranon' Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Comment il entra dans la demeure de Dieu et comment ils mangèrent les pains d' oblation, qu' il ne lui était pas permis de manger, ni à ses compagnons, mais aux prêtres seuls ?
Mat / Mt 12:5 Or have ye not read in the law, how that on the sabbath days the priests in the temple profane the sabbath, and are blameless? Ary tsy mbola novakinareo ao amin' ny lalàna va fa amin' ny Sabata ny mpisorona ao amin' ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? Sa tsy novakinareo ao amin' ny Lalàna va fa amin' ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin' ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? Ou n' avez-vous pas lu dans la Loi que, le jour du sabbat, les prêtres dans le Temple violent le sabbat sans être en faute ?
Mat / Mt 12:6 But I say unto you, That in this place is one greater than the temple. Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. Or, je vous le dis, il y a ici plus grand que le Temple.
Mat / Mt 12:7 But if ye had known what this meaneth, I will have mercy, and not sacrifice, ye would not have condemned the guiltless. Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo; Et si vous aviez compris ce que signifie : C' est la miséricorde que je veux, et non le sacrifice, vous n' auriez pas condamné des gens qui sont sans faute.
Mat / Mt 12:8 For the Son of man is Lord even of the sabbath day. Fa Tompon' ny Sabata ny Zanak' olona. satria tompon' ny sabata aza ny Zanak' olona. Car le Fils de l' homme est maître du sabbat. "
Mat / Mt 12:9 And when he was departed thence, he went into their synagogue: Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin' ny synagoga; Nony niala teo izy dia niditra tao amin' ny sinagogan' ireo, Parti de là, il vint dans leur synagogue.
Mat / Mt 12:10 And, behold, there was a man which had his hand withered. And they asked him, saying, Is it lawful to heal on the sabbath days? that they might accuse him. ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin' ny Sabata? mba hiampangany Azy. ary nisy lehilahy maty tànana teo, ka hoy ireo nanontany an' i Jeso: Moa mety va ny manasitrana amin' ny andro sabata? Mba hiampangany azy no nanaovan' izy ireo an' izany. Et voici un homme qui avait une main sèche, et ils lui posèrent cette question : " Est-il permis de guérir le jour du sabbat ? " afin de l' accuser.
Mat / Mt 12:11 And he said unto them, What man shall there be among you, that shall have one sheep, and if it fall into a pit on the sabbath day, will he not lay hold on it, and lift it out? Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin' ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Dia izao no navaliny azy: Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin' ny sabata ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao? Mais il leur dit : " Quel sera d' entre vous l' homme qui aura une seule brebis, et si elle tombe dans un trou, le jour du sabbat, n' ira la prendre et la révéler ?
Mat / Mt 12:12 How much then is a man better than a sheep? Wherefore it is lawful to do well on the sabbath days. Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin' izany dia mety ny manao soa amin' ny Sabata. Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin' izany, azo atao ny manao soa amin' ny sabata. Or, combien un homme vaut plus qu' une brebis ! Par conséquent il est permis de faire une bonne action le jour du sabbat. "
Mat / Mt 12:13 Then saith he to the man, Stretch forth thine hand. And he stretched it forth; and it was restored whole, like as the other. Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray. Ary tamin' izay dia hoy izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany. Alors il dit à l' homme : " Étends ta main. ". Il l'étendit et elle fut remise en état, saine comme l' autre.
Mat / Mt 12:14 Then the Pharisees went out, and held a council against him, how they might destroy him. Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. Ary lasa nivoaka ny Farisiana ka niara-nioko ny amin' izay hahafaty azy. Étant sortis, les Pharisiens tinrent conseil contre lui, en vue de le perdre.
Mat / Mt 12:15 But when Jesus knew it, he withdrew himself from thence: and great multitudes followed him, and he healed them all; Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; Fa nahalala izany Jeso ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin' ireny; L' ayant su, Jésus se retira de là. Beaucoup le suivirent et il les guérit tous
Mat / Mt 12:16 And charged them that they should not make him known: ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, nefa norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana azy, et il leur enjoignit de ne pas le faire connaître,
Mat / Mt 12:17 That it might be fulfilled which was spoken by Esaias the prophet, saying, mba hahatanteraka izay nampilazaina an' Isaia mpaminany hoe: mba ho tanteraka ny teny nolazain' Izaia mpaminany hoe: pour que s' accomplît l' oracle d' Isaïe le prophète :
Mat / Mt 12:18 Behold my servant, whom I have chosen; my beloved, in whom my soul is well pleased: I will put my spirit upon him, and he shall shew judgment to the Gentiles. Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin' ny jentilisa Izy; Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahan' ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin' ny jentily izy. Voici mon Serviteur que j' ai choisi, mon Bien-aimé qui a toute ma faveur. Je placerai sur lui mon Esprit et il annoncera le Droit aux nations.
Mat / Mt 12:19 He shall not strive, nor cry; neither shall any man hear his voice in the streets. Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dàlana; Il ne fera point de querelles ni de cris et nul n' entendra sa voix sur les grands chemins.
Mat / Mt 12:20 A bruised reed shall he not break, and smoking flax shall he not quench, till he send forth judgment unto victory. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; Le roseau froissé, il ne le brisera pas, et la mèche fumante, il ne l'éteindra pas, jusqu'à ce qu' il ait mené le Droit au triomphe :
Mat / Mt 12:21 And in his name shall the Gentiles trust. Ary ny anarany no hitokian' ny jentilisa (Isa. 42:1-4). ary ny jentily hitoky amin' ny anarany. en son nom les nations mettront leur espérance.
Mat / Mt 12:22 Then was brought unto him one possessed with a devil, blind, and dumb: and he healed him, insomuch that the blind and dumb both spake and saw. Dia nentina tany amin' i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. Tamin' izay nisy lehilahy azon' ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita. Alors on lui présenta un démoniaque aveugle et muet ; et il le guérit, si bien que le muet pouvait parler et voir.
Mat / Mt 12:23 And all the people were amazed, and said, Is not this the son of David? Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak' i Davida? Gaga avokoa ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa tsy ity va no Zanak' i Davida? Frappées de stupeur, toutes les foules disaient : " Celui-là n' est-il pas le Fils de David ? "
Mat / Mt 12:24 But when the Pharisees heard it, they said, This fellow doth not cast out devils, but by Beelzebub the prince of the devils. Fa nony ren' ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan' ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan' ny demonia. Fa nony nandre izany ny Farisiana dia nanao hoe: Tsy misy androahan' ilay iny ny demony afa-tsy Belzeboba lehiben' ny demony. Mais les Pharisiens, entendant cela, dirent : " Celui-là n' expulse les démons que par Béelzéboul, le prince des démons. "
Mat / Mt 12:25 And Jesus knew their thoughts, and said unto them, Every kingdom divided against itself is brought to desolation; and every city or house divided against itself shall not stand: Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Fantatr' i Jeso anefa ny heviny ka hoy izy: Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano. Connaissant leurs sentiments, il leur dit : " Tout royaume divisé contre lui-même court à la ruine ; et nulle ville, nulle maison, divisée contre elle-même, ne saurait se maintenir.
Mat / Mt 12:26 And if Satan cast out Satan, he is divided against himself; how shall then his kingdom stand? Ary raha Satana no mamoaka an' i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan' ny fanjakany? Raha Satana no mandroaka an' i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan' ny fanjakany? Or, si Satan expulse Satan, il s' est divisé contre lui-même : dès lors, comment son royaume se maintiendra-t-il ?
Mat / Mt 12:27 And if I by Beelzebub cast out devils, by whom do your children cast them out? therefore they shall be your judges. Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan' ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. Ary raha Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan' ny zanakareo azy? Koa amin' izany, izy ireo ihany no hitsara anareo. Et si moi, c' est par Béelzéboul que j' expulse les démons, par qui vos adeptes les expulsent-ils ? Aussi seront-ils eux-mêmes vos juges.
Mat / Mt 12:28 But if I cast out devils by the Spirit of God, then the kingdom of God is come unto you. Fa raha ny Fanahin' Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan' Andriamanitra. Fa raha ny Fanahin' Andriamanitra ihany kosa no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan' Andriamanitra. Mais si c' est par l' Esprit de Dieu que j' expulse les démons, c' est donc que le Royaume de Dieu est arrivé jusqu'à vous.
Mat / Mt 12:29 Or else how can one enter into a strong man' s house, and spoil his goods, except he first bind the strong man? and then he will spoil his house. Fa hataon' ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon' ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. Fa hataon' ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon' ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. " Ou encore, comment quelqu' un peut-il pénétrer dans la maison d' un homme fort et s' emparer de ses affaires, s' il n' a d' abord ligoté cet homme fort ? Et alors il pillera sa maison.
Mat / Mt 12:30 He that is not with me is against me; and he that gathereth not with me scattereth abroad. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. Izay tsy momba ahy, manohitra ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. " Qui n' est pas avec moi est contre moi, et qui n' amasse pas avec moi dissipe.
Mat / Mt 12:31 Wherefore I say unto you, All manner of sin and blasphemy shall be forgiven unto men: but the blasphemy against the Holy Ghost shall not be forgiven unto men. Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin' ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin' ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin' ny ota rehetra sy amin' ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin' ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Aussi je vous le dis, tout péché et blasphème sera remis aux hommes, mais le blasphème contre l' Esprit ne sera pas remis.
Mat / Mt 12:32 And whosoever speaketh a word against the Son of man, it shall be forgiven him: but whosoever speaketh against the Holy Ghost, it shall not be forgiven him, neither in this world, neither in the world to come. Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak' olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin' izao fiainana izao, na amin' ny ho avy. Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak' olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin' ity fiainana ity na amin' ny ho avy. Et quiconque aura dit une parole contre le Fils de l' homme, cela lui sera remis ; mais quiconque aura parlé contre l' Esprit Saint, cela ne lui sera remis ni en ce monde ni dans l' autre.
Mat / Mt 12:33 Either make the tree good, and his fruit good; or else make the tree corrupt, and his fruit corrupt: for the tree is known by his fruit. Koa ataovy tsara ny hazo mbamin' ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin' ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo. " Prenez un arbre bon : son fruit sera bon ; prenez un arbre gâté : son fruit sera gâté. Car c' est au fruit qu' on reconnaît l' arbre.
Mat / Mt 12:34 O generation of vipers, how can ye, being evil, speak good things? for out of the abundance of the heart the mouth speaketh. Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin' ny haben' ny ao am-po no itenenan' ny vava. Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava. Engeance de vipères, comment pourriez-vous tenir un bon langage, alors que vous êtes mauvais ? Car c' est du trop-plein du coeur que la bouche parle.
Mat / Mt 12:35 A good man out of the good treasure of the heart bringeth forth good things: and an evil man out of the evil treasure bringeth forth evil things. Ny rakitra tsara no amoahan' ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan' ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. Ny olona tsara fanahy mamoaka zava-tsoa avy amin' ny rakitra soa ao am-pony; ary ny olona ratsy fanahy mamoaka zava-dratsy avy amin' ny rakitra ratsy ao am-pony. L' homme bon, de son bon trésor tire de bonnes choses ; et l' homme mauvais, de son mauvais trésor en tire de mauvaises.
Mat / Mt 12:36 But I say unto you, That every idle word that men shall speak, they shall give account thereof in the day of judgment. Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin' ny andro fitsarana noho ny amin' ny teny foana rehetra izay ataony. Ary lazaiko aminareo, fa amin' ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin' izay teny foana rehetra nolazainy, Or je vous le dis : de toute parole sans fondement que les hommes auront proférée, ils rendront compte au Jour du Jugement.
Mat / Mt 12:37 For by thy words thou shalt be justified, and by thy words thou shalt be condemned. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. Car c' est d' après tes paroles que tu seras justifié et c' est d' après tes paroles que tu seras condamné. "
Mat / Mt 12:38 Then certain of the scribes and of the Pharisees answered, saying, Master, we would see a sign from thee. Ary tamin' izany ny sasany tamin' ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. Tamin' izay ny sasany tamin' ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana namaly azy hoe: Tompo, mba ta-hahita famantarana avy aminao izahay. Alors quelques-uns des scribes et des Pharisiens prirent la parole et lui dirent : " Maître, nous désirons que tu nous fasses voir un signe. "
Mat / Mt 12:39 But he answered and said unto them, An evil and adulterous generation seeketh after a sign; and there shall no sign be given to it, but the sign of the prophet Jonas: Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin' i Jona mpaminany; Fa namaly izy ka nanao hoe: Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity, fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an' i Jonasa mpaminany izy; Il leur répondit : " Génération mauvaise et adultère ! elle réclame un signe, et de signe, il ne lui sera donné que le signe du prophète Jonas.
Mat / Mt 12:40 For as Jonas was three days and three nights in the whale' s belly; so shall the Son of man be three days and three nights in the heart of the earth. fa tahaka ny nitoeran' i Jona hateloan' andro sy hateloan' alina tao an-kibon' ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran' ny Zanak' olona hateloan' Andro sy hateloan' alina ao anatin' ny tany. fa tahaka ny nitoeran' i Jonasa hateloan' andro sy hateloan' alina tany an-kibon' ny hazandrano lehibe no hitoeran' ny Zanak' olona hateloan' andro sy hateloan' alina ao anatin' ny tany koa. De même, en effet, que Jonas fut dans le ventre du monstre marin durant trois jours et trois nuits, de même le Fils de l' homme sera dans le sein de la terre durant trois jours et trois nuits.
Mat / Mt 12:41 The men of Nineveh shall rise in judgment with this generation, and shall condemn it: because they repented at the preaching of Jonas; and, behold, a greater than Jonas is here. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin' ity taranaka ity amin' ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin' ny nitorian' i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin' ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian' i Jonasa teny; nefa indro misy lehibe noho Jonasa eto. Les hommes de Ninive se dresseront lors du Jugement avec cette génération et ils la condamneront, car ils se repentirent à la proclamation de Jonas, et il y a ici plus que Jonas !
Mat / Mt 12:42 The queen of the south shall rise up in the judgment with this generation, and shall condemn it: for she came from the uttermost parts of the earth to hear the wisdom of Solomon; and, behold, a greater than Solomon is here. Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin' ity taranaka ity amin' ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin' ny faran' ny tany izy hihaino ny fahendren' i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin' ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin' ny faravazan-tany izy ka nankatý hihaino ny fahendren' i Salomona, nefa indro misy lehibe noho Salomona eto. La reine du Midi se lèvera lors du Jugement avec cette génération et elle la condamnera, car elle vint des extrémités de la terre pour écouter la sagesse de Salomon, et il y a ici plus que Salomon !
Mat / Mt 12:43 When the unclean spirit is gone out of a man, he walketh through dry places, seeking rest, and findeth none. Raha mivoaka amin' ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. Rahefa nivoaka avy amin' ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin' ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy, " Lorsque l' esprit est sorti de l' homme, il erre par des lieux arides en quête de repos, et il n' en trouve pas.
Mat / Mt 12:44 Then he saith, I will return into my house from whence I came out; and when he is come, he findeth it empty, swept, and garnished. Dia hoy izy: Hody any amin' ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. ka hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano, Alors il dit : "Je vais retourner dans ma demeure, d' où je suis sorti. " Étant venu, il la trouve libre, balayée, bien en ordre.
Mat / Mt 12:45 Then goeth he, and taketh with himself seven other spirits more wicked than himself, and they enter in and dwell there: and the last state of that man is worse than the first. Even so shall it be also unto this wicked generation. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran' izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin' ity taranaka ratsy fanahy ity. dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran' izany olona izany no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ity. Alors il s' en va prendre avec lui sept autres esprits plus mauvais que lui ; ils reviennent et y habitent. Et l'état final de cet homme devient pire que le premier. Ainsi en sera-t-il également de cette génération mauvaise. "
Mat / Mt 12:46 While he yet talked to the people, behold, his mother and his brethren stood without, desiring to speak with him. Ary raha mbola niteny tamin' ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin' ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy. Raha mbola niteny tamin' ny vahoaka izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, Comme il parlait encore aux foules, voici que sa mère et ses frères se tenaient dehors, cherchant à lui parler [
Mat / Mt 12:47 Then one said unto him, Behold, thy mother and thy brethren stand without, desiring to speak with thee. Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin' ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao. ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady anao. ].
Mat / Mt 12:48 But he answered and said unto him that told him, Who is my mother? and who are my brethren? Fa namaly Izy ka nanao tamin' ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko? Fa izao no navaliny an' ilay nilaza taminy: Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko? A celui qui l' en informait Jésus répondit : " Qui est ma mère et qui sont mes frères ? "
Mat / Mt 12:49 And he stretched forth his hand toward his disciples, and said, Behold my mother and my brethren! Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko; Dia naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko. Et tendant sa main vers ses disciples, il dit : " Voici ma mère et mes frères.
Mat / Mt 12:50 For whosoever shall do the will of my Father which is in heaven, the same is my brother, and sister, and mother. Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon' ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon' ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko. Car quiconque fait la volonté de mon Père qui est aux cieux, celui-là m' est un frère et une soeur et une mère. " Introduction.

<-
->