<-
->

1Tt / 1Tan 21:1 And Satan stood up against Israel, and provoked David to number Israel. Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin' ny Isiraely ka nanome saina an' i Davida hanisa ny Isiraely. Ary nitsangan-kamely an' Israely Satàna ka namoky an' i Davida hanisa an' Israely. Satan se dressa contre Israël et il incita David à dénombrer les Israélites.
1Tt / 1Tan 21:2 And David said to Joab and to the rulers of the people, Go, number Israel from Beersheba even to Dan; and bring the number of them to me, that I may know it. Dia hoy Davida tamin' i Joaba sy tamin' ireo lehiben' ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atý amiko ny isany mba ho fantatro. Dia hoy Davida tamin' i Joaba sy ny mpifehy vahoaka: Mandehana, isao Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany. David dit à Joab et aux chefs du peuple : " Allez compter Israël, de Bersabée à Dan, puis revenez m' en faire connaître le chiffre. "
1Tt / 1Tan 21:3 And Joab answered, The Lord make his people an hundred times so many more as they be: but, my lord the king, are they not all my lord' s servants? why then doth my lord require this thing? why will he be a cause of trespass to Israel? Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon' ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan' ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely? Fa hoy ny navalin' i Joaba: Hotongavin' ny Tompo in-jato toy izao anie ny hamaroan' ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon' ny tompoko avokoa va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan' ny tompoko an' izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin' Israely? Joab répondit : " Que Yahvé accroisse son peuple de cent fois autant! Monseigneur le roi, ne sont-ils pas tous les serviteurs de Monseigneur ? Pourquoi Monseigneur fait-il cette enquête ? Pourquoi Israël deviendrait-il coupable ? "
1Tt / 1Tan 21:4 Nevertheless the king' s word prevailed against Joab. Wherefore Joab departed, and went throughout all Israel, and came to Jerusalem. Nefa tsy azon' i Joaba nolavina ny tenin' ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy. Fa ny tenin' ny mpanjaka nanohitra an' i Joaba no nahery; ka dia niainga Joaba nitety an' Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema. Cependant l' ordre du roi s' imposa à Joab. Joab partit, il parcourut tout Israël, puis rentra à Jérusalem.
1Tt / 1Tan 21:5 And Joab gave the sum of the number of the people unto David. And all they of Israel were a thousand thousand and an hundred thousand men that drew sword: and Judah was four hundred threescore and ten thousand men that drew sword. Ary natolotr' i Joaba an' i Davida ny isan' ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin' ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin' ny Joda. Natolotr' i Joaba an' i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin' Israely rehetra, ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin' i Jodà. Joab fournit à David le chiffre obtenu pour le recensement du peuple; tout Israël comptait onze cent mille hommes tirant l'épée, et Juda quatre cent soixante-dix mille hommes tirant l'épée.
1Tt / 1Tan 21:6 But Levi and Benjamin counted he not among them: for the king' s word was abominable to Joab. Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin' i Joaba ny tenin' ny mpanjaka. Fa Levì sy Benjamina tao amin' izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin' ny sain' i Joaba ny didin' ny mpanjaka. L' ordre du roi avait tant répugné à Joab qu' il n' avait recensé ni Lévi ni Benjamin.
1Tt / 1Tan 21:7 And God was displeased with this thing; therefore he smote Israel. Ary tsy sitrak' Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy. Tsy sitrak' Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny Israely. Dieu vit avec déplaisir cette affaire et il frappa Israël.
1Tt / 1Tan 21:8 And David said unto God, I have sinned greatly, because I have done this thing: but now, I beseech thee, do away the iniquity of thy servant; for I have done very foolishly. Ary hoy Davida tamin' Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin' izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho. Dia hoy Davida tamin' Andriamanitra: Efa nanao fahotana lehibe aho tamin' izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho. David dit alors à Dieu : " C' est un grand péché que j' ai commis en cette affaire! Maintenant, veuille pardonner cette faute à ton serviteur, car j' ai commis une grande folie. "
1Tt / 1Tan 21:9 And the Lord spake unto Gad, David' s seer, saying, Ary hoy Jehovah tamin' i Gada mpahitan' i Davida: Niteny tamin' i Gada, mpahitan' i Davida, Iaveh, nanao hoe: Yahvé dit alors à Gad, le voyant de David :
1Tt / 1Tan 21:10 Go and tell David, saying, Thus saith the Lord, I offer thee three things: choose thee one of them, that I may do it unto thee. Mandehana, ka lazao amin' i Davida hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. Mandehana milaza amin' i Davida hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao. " Va dire à David : Ainsi parle Yahvé. Je te propose trois choses : choisis-en une et je l' exécuterai pour toi. "
1Tt / 1Tan 21:11 So Gad came to David, and said unto him, Thus saith the Lord, Choose thee Ary Gada nankany amin' i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Mifidia: Dia nankany amin' i Davida Gada ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Donc Gad se rendit chez David et lui dit : " Ainsi parle Yahvé. Il te faut accepter
1Tt / 1Tan 21:12 Either three years' famine; or three months to be destroyed before thy foes, while that the sword of thine enemies overtaketh thee; or else three days the sword of the Lord, even the pestilence, in the land, and the angel of the Lord destroying throughout all the coasts of Israel. Now therefore advise thyself what word I shall bring again to him that sent me. Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan' ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr' i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin' i Jehovah handringana eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin' Izay naniraka ahy. Mifidiana hianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosehan' ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran' ny sabatry ny Tompo sy ny pesta amin' ny tany, ka hahavita fandringanana eran' ny tanin' Israely ny anjelin' ny Tompo? Hevero amin' izao izay valy homeko an' izay naniraka ahy. soit trois années de famine, soit un désastre de trois mois devant tes ennemis, l'épée de tes adversaires dans les reins, soit l'épée de Yahvé et trois jours de peste dans le pays, l' ange de Yahvé ravageant tout le territoire d' Israël! Vois maintenant ce que je dois répondre à celui qui m' envoie. "
1Tt / 1Tan 21:13 And David said unto Gad, I am in a great strait: let me fall now into the hand of the Lord; for very great are his mercies: but let me not fall into the hand of man. Ary hoy Davida tamin' i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon' ny tànan' i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon' izay tànan' olona. aleoko ho azon' ny tànan' i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon' izay tànan' olona. Ary hoy Davida tamin' i Gada: Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon' ny tànan' ny Tompo aho, fa be famindram-po indrindra izy, fa tsy ho azon' ny tànan' olombelona aho! David répondit à Gad : " Je suis dans une grande anxiété... Ah! que je tombe entre les mains de Yahvé, car sa miséricorde est immense, mais que je ne tombe pas entre les mains des hommes! "
1Tt / 1Tan 21:14 So the Lord sent pestilence upon Israel: and there fell of Israel seventy thousand men. Dia nasian' i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy. Ka dia nandefa pesta hamely an' Israely Iaveh, ka nahafatesana fito alina ny olona amin' Israely. Yahvé envoya donc la peste en Israël et, parmi les Israélites, soixante-dix mille hommes tombèrent.
1Tt / 1Tan 21:15 And God sent an angel unto Jerusalem to destroy it: and as he was destroying, the Lord beheld, and he repented him of the evil, and said to the angel that destroyed, It is enough, stay now thine hand. And the angel of the Lord stood by the threshingfloor of Ornan the Jebusite. Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin' ny loza ka nanao tamin' Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah nitsangana teo anilan' ny famoloan' i Araona Jebosita. Ary naniraka anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy izy tamin' ilay anjely nandrava: Aoka izay! Avonkony amin' izay ny tànanao. Teo akaikin' ny famoloan' i Ornàna Jeboseana ilay anjelin' ny Tompo tamin' izay. Puis Dieu envoya l' ange vers Jérusalem pour l' exterminer; mais au moment de l' exterminer, Yahvé regarda et se repentit de ce mal; et il dit à l' ange exterminateur : " Assez! Retire ta main. " L' ange de Yahvé se tenait alors près de l' aire d' Ornân le Jébuséen.
1Tt / 1Tan 21:16 And David lifted up his eyes, and saw the angel of the Lord stand between the earth and the heaven, having a drawn sword in his hand stretched out over Jerusalem. Then David and the elders of Israel, who were clothed in sackcloth, fell upon their faces. Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin' i Jehovah nitsangana teo anelanelan' ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an' i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon' ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. Nony natopin' i Davida ny masony, dia hitany ilay anjelin' ny Tompo teo anelanelan' ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra vaotsoaka natondrony nanandrify an' i Jerosalema. Niankohoka Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo. Levant les yeux, David vit l' ange de Yahvé qui se tenait entre terre et ciel, l'épée dégainée à la main, tendue vers Jérusalem. Revêtus de sacs, David et les anciens tombèrent alors face contre terre,
1Tt / 1Tan 21:17 And David said unto God, Is it not I that commanded the people to be numbered? even I it is that have sinned and done evil indeed; but as for these sheep, what have they done? let thine hand, I pray thee, O Lord my God, be on me, and on my father' s house; but not on thy people, that they should be plagued. Ary hoy Davida tamin' Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin' ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin' ny areti-mandringana. Ary hoy Davida tamin' Andriamanitra: Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh, Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian' ikaky no aoka hasian' ny tànanao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana! et David dit à Dieu : " N' est-ce pas moi qui ai ordonné de recenser le peuple ? N' est-ce pas moi qui ai péché et qui ai commis le mal ? mais ceux-là, c' est le troupeau, qu' ont-ils fait ? Yahvé, mon Dieu, que ta main s' appesantisse donc sur moi et sur ma famille, mais que ton peuple échappe au fléau! "
1Tt / 1Tan 21:18 Then the angel of the Lord commanded Gad to say to David, that David should go up, and set up an altar unto the Lord in the threshingfloor of Ornan the Jebusite. Ary Gada nasain' Ilay Anjelin' i Jehovah hilaza amin' i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an' i Jehovah ao amin' ny famoloan' i Araona Jebosita. Dia nasain' ilay anjelin' ny Tompo nilazan' i Gada Davida hiakatra hanangana otely ho an' ny Tompo, ao am-pamoloan' i Ornàna Jeboseana. L' ange de Yahvé dit alors à Gad : " Que David monte et élève un autel à Yahvé sur l' aire d' Ornân le Jébuséen. "
1Tt / 1Tan 21:19 And David went up at the saying of Gad, which he spake in the name of the Lord. Koa dia niakatra Davida araka ny tenin' i Gada, izay nolazainy tamin' ny anaran' i Jehovah. Ka niakatra araka ny teny nolazain' i Gada tamin' ny anaran' ny Tompo Davida. David monta donc selon la parole que Gad lui avait dite au nom de Yahvé.
1Tt / 1Tan 21:20 And Ornan turned back, and saw the angel; and his four sons with him hid themselves. Now Ornan was threshing wheat. Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin' izay. Niherika Ornàna ka nahita ilay anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin' izay Ornàna. Or, en se retournant, Ornân avait vu l' ange et il se cachait avec ses quatre fils. Ornân était en train de battre le froment
1Tt / 1Tan 21:21 And as David came to Ornan, Ornan looked and saw David, and went out of the threshingfloor, and bowed himself to David with his face to the ground. Ary nony tonga teo amin' i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an' i Davida, ary dia niala avy teo amin' ny famoloana izy ka niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Davida. Nony tonga teo akaikin' i Ornàna Davida, nijery Ornana ka nahita an' i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Davida. lorsque David se rendit auprès de lui. Ornân regarda, vit David, sortit de l' aire, et se prosterna devant David, la face contre terre.
1Tt / 1Tan 21:22 Then David said to Ornan, Grant me the place of this threshingfloor, that I may build an altar therein unto the Lord: thou shalt grant it me for the full price: that the plague may be stayed from the people. Ary hoy Davida tamin' i Araona: Mba omeo ahy amin' izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an' i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan' ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka. Dia hoy Davida tamin' i Ornàna: Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako otely ho an' ny Tompo; afoizo ho ahy amin' izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan' ny aretina mandringana ny vahoaka. David dit alors à Ornân : " Cède-moi l' emplacement de cette aire afin que j' y construise un autel pour Yahvé. Cède-le-moi pour sa pleine valeur en argent. Ainsi le fléau s'écartera du peuple. "
1Tt / 1Tan 21:23 And Ornan said unto David, Take it to thee, and let my lord the king do that which is good in his eyes: lo, I give thee the oxen also for burnt offerings, and the threshing instruments for wood, and the wheat for the meat offering; I give it all. Fa hoy Araona tamin' i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra. Ary hoy Ornàna tamin' i Davida: Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany. Ornân dit alors à David : " Prends, et que Monseigneur le roi fasse ce qui lui semble bon! Vois : je donne les boeufs pour les holocaustes, le traîneau pour le bois et le grain pour l' oblation. Je donne le tout. "
1Tt / 1Tan 21:24 And king David said to Ornan, Nay; but I will verily buy it for the full price: for I will not take that which is thine for the Lord, nor offer burnt offerings without cost. Fa hoy Davida mpanjaka tamin' i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an' i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin' izay azoko fotsiny. Fa hoy Davida mpanjaka tamin' i Ornàna: Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an' ny Tompo aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina. Mais le roi David répondit à Ornân : " Non pas! je veux l' acheter pour sa pleine valeur en argent; car je ne veux pas prendre pour Yahvé ce qui t' appartient et offrir ainsi des holocaustes qui ne me coûtent rien. "
1Tt / 1Tan 21:25 So David gave to Ornan for the place six hundred shekels of gold by weight. Dia nomen' i Davida sekely volamena lanjan' enin-jato Araona ho vidin' ny tany. Koa nomen' i Davida volamena lanjan' enin-jato sikla Ornàna ho vidin' ny tokotany. David donna à Ornân pour ce lieu le poids de six cents sicles d' or.
1Tt / 1Tan 21:26 And David built there an altar unto the Lord, and offered burnt offerings and peace offerings, and called upon the Lord; and he answered him from heaven by fire upon the altar of burnt offering. Ary Davida nanorina alitara teo ho an' i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an' i Jehovah izy ka novaliany tamin' ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin' ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. Dia nanangana otely teo Davida, ho an' ny Tompo, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an' ny Tompo, ary Iaveh namaly azy tamin' ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin' ny otely nisy ny sorona dorana. David construisit là un autel pour Yahvé, et il offrit des holocaustes et des sacrifices de communion. Il invoqua Yahvé; Yahvé lui répondit en faisant tomber du ciel le feu sur l' autel des holocaustes
1Tt / 1Tan 21:27 And the Lord commanded the angel; and he put up his sword again into the sheath thereof. Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin' ny tranony ny sabany. Dia niteny tamin' ilay anjely Iaveh, ka nampidirin' io tamin' ny tranony ny sabany. et il ordonna à l' ange de remettre l'épée au fourreau.
1Tt / 1Tan 21:28 At that time when David saw that the Lord had answered him in the threshingfloor of Ornan the Jebusite, then he sacrificed there. Tamin' izany andro izany, nony hitan' i Davida fa novalian' i Jehovah teo amin' ny famoloan' i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy. Tamin' izany andro izany, nony hitan' i Davida fa nihaino azy Iaveh tao amin' ny famoloan' i Ornàna Jeboseana, dia nanatitra sorona tao izy. A cette époque, voyant que Yahvé lui avait répondu sur l' aire d' Ornân le Jébuséen, David y fit un sacrifice.
1Tt / 1Tan 21:29 For the tabernacle of the Lord, which Moses made in the wilderness, and the altar of the burnt offering, were at that season in the high place at Gibeon. Fa ny tabernakelin' i Jehovah izay nataon' i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin' ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; Ilay tabernaklan' ny Tompo nataon' i Moizy tany an' efitra sy ny otelin' ny sorona dorana, dia teo amin' ny fitoerana avo tany Gabaona fahizay. La Demeure de Yahvé que Moïse avait faite dans le désert et l' autel des holocaustes se trouvaient à cette époque sur le haut lieu de Gabaôn,
1Tt / 1Tan 21:30 But David could not go before it to enquire of God: for he was afraid because of the sword of the angel of the Lord. nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan' izany hanontany amin' Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr' Ilay Anjelin' i Jehovah. Tsy tohan' i Davida anefa ny nankeo anoloan' izany otely izany, hanaja an' Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr' ilay anjelin' ny Tompo. mais David n' avait pu y aller devant Dieu pour s' adresser à lui, tant l'épée de l' ange de Yahvé lui avait fait peur.

<-
->