Index

Proverbes : misahato

Proverbe Nahoana moa hianao no sarotin' alahelo, ka tia tsiri-pasana ? [Veyrières 1913 #2637, Cousins 1871 #2027]
Nahoana moa no sarotin' alahelo ka no tia tsiri-pasana ? [Rinara 1974 #2662]
Raha sarotin-kalahelo, aza tia tsiri-pasana. [Rinara 1974 #3652]
Sarotin' alahelo ka no tia tsiry fasana. [Rajemisa 1985]
Sarotin' alahelo ka no tia tsiri-pasana, tsy tia ady ka no misahato olona. [Rinara 1974 #3852]
Sarotin' alahelo ka tia tsiri-pasana. [Houlder 1895 #1022]
Interprétation malgache Enti-milaza olona sarotin-javatra iray, nefa dia fatra-panao io zavatra io indrindra; "tsy tia ady ka no misahato olona", "sarotin-doiloy, ka no mihinampatsa manta". [Rajemisa 1985]
Traduction française Puisque vous vous affligez facilement, pourquoi allez-vous voir le tombeau? [Veyrières 1913 #2637]
Sous l' empire d' un grand chagrin, il aime à aller voir souvent au tombeau. [Houlder 1895]
Interprétation française Pourquoi cherchez-vous les occasions de chagrin ? [Veyrières 1913 #2637]

Index