|
|
|
|

Entrée1  Ary hitako
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Mots élémentaires  3  ary, hita
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Andriarimalala René
Texte complet 
6  Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra 7  Eto ambonin'ny tany; 8  Izay mila hoheverina ho mahafinaritra 9  Dia mihelina ihany. 10  Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra, 11  Hamantatra hatrany, 12  Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra 13  Tsy tratran'izany.
14  Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika 15  Ny fahasambarana, 16  Mitady harena izay andriany ilika 17  Tsy misy hasasarana: 18  Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika 19  Irony fianarana; 20  Kanefa nony azony, injay misy hiriky 21  Ny ankasomparana.
22  Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka 23  Fa feno ny soa. 24  Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka 25  Tsy hety ho voa, 26  Dia niandry ny farany ihany hamboraka 27  Ny niafina koa: 28  Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka; 29  Dia ny alok'akoho!
30  Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany 31  Tsy azo ihodivirana; 32  Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany, 33  Tiany hidirana, 34  Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany 35  Tsy azo ifikirana, 36  Fa ity tany ity, dia izany no toetrany 37  - Tsy azo ifandirana.
38  Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina 39  - Saiky matetika - 40  Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina, 41  Ka be fitetika, 42  Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina, 43  Hany ka mbetika 44  Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina 45  Iniany alentika.
46  Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra, 47  Hitako loatra 48  Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra 49  - Tsy afa-manoatra - 50  Ary hitako fa rehefa izany no atambatra, 51  Tsy misy hoatra 52  Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra, 53  Dia any Ankoatra.
54  Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina 55  - Tsy hisy fandavana - 56  Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona 57  Dia tsara hozahavana 58  Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina 59  Ny fiainana, rahavana, 60  Tsotra io: 61  rantsano izay manelingelina 62  Ny fifankatiavana.

Anagrammes  63  Ary hitako, haotrikay, hiriatako, hitairako, ihiratako, itarihako, itraihako

Mis à jour le 2025/05/06