| Entrée | 1 Dona-tsetroka |
| Mots élémentaires | 2 donaka, 3 setroka |
| Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
| Auteur |
6 Andriarimalala René |
| Texte complet |
7 8 Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka 9 Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha, 10 Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka , 11 Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha. 12 Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina 13 Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina. 14 Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina 15 Anefa toa azo sary ny fikenony maraina. 16 Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny 17 Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny, 18 Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra… 19 Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko 20 Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko 21 Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra... |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|