Texte | X. Teny navalin-dRainitsiroba 1Ovtra an-dRadama I.
~|~~)AHA avy izay hatezeran-dRadama, dia nofaniny |~li ny manamboninahitra, tiany hanolotraizay diso, dia novalian-dRainitsiroba, lOvtra., Jeneraly tamy ny Mainty, ny tenin' Andriana.
Ka hoy no famalin-dRainitsiroba ny tenin' Andriana, rehefa niala-tsiny izy ;
fananatrika azy tompony izy rehetra:— Trarantitra,
azamarofy hianao, ry Ilahidama, mifanantera amy ny ambani-lanitra ;
fa raha avy izay hatezeranao aminay, hoy kosa no famalinay mpanompo, tsy akanga efitra izahay, ka raha kapohina manjohy sy mandositra any an-ala;
fa akoho tamàn-trano no ho mihehy lavenona, ka raha kapohina sy tapak' éiatra aza, tsy miala, fa mandositra eto anoloanao, ry Ilahidama ;
fa raha hariva ny andro, samy mody mamonjy ny toeran'entana amy ny fitoe-rany hiany ;
karahatongany vahiny, raisainamiadana hianao tompony ;
fa maro ny anaran' akoho ;
ao ry kala-mavo, ao ry kala-mara, ao ry kala-fotsy, ao ry kala-mainty ;
ka mbola hosainina sy hohevcrina izay hovonoina, ka moa tsy ilay mpitsindro-davitra ery ala-tranon' olona hiany no ho faty, fandrao dia very ? Izao no teny navalin-dRainitsiroba, nentiny nanolotra izay nitari-dàlana hifidian' izy tompony, fandrao manaratsy fanjakana.
Dia nankasitrahan-dRadama izy tamy ny teny navaliny, fa olon-kendry no mamaly.
|