Texte | Kabary nataon' Ilehimijila tamin-dEadama I.
А.
D.
1825.
KABARY nataon'Ilehimijilatany Manerinerina fony izy nanatitra taratasy.
Raha nihaona
tamin-dRadama izy, hoy no fiarahabany azy :—
Ho elavelona, ho tahaky ny masoandrohianao, ry Ilehimavony ;
tsy maro an-tanána, tsy roa amy ny tany ;
iray manendrika uy nosy, ho fahazavany ny andro;
trarantitra, manahafa ny volana ho fanal' aiziny ny alina ;
hotahiny ny razana, fa nomen-drainy namory ;
ho tokana an-danitra ;
tsy hanam-paharoa
amy ny tany ;
ho iray tompony ny maro Ilehimavony ;
korintsam-bolamena handeha laza an-dafin-dranoma-sinaho rem-Bazaha;
tsy takona avôny, tsy azo afeni-na, hampore Zanahary ;
trarantitra amin' ity nosy ity Ilehimavony ;
ho ela velona ho tompoiny ny maro ;
mitoetra, mihary tany ;
mandeha, ravaky ny matso;
mandihy, soany ny rebika ;
Ilehimavony no ataoko izao;
fanateraky ny ombelahy nihary ny tany, zana-
dRambola, zokin-dRabodo.
Hehimavony tiakoan-efitra, tsy halako an-tanána, niriko tan-dafy, hitety ravin-kazo, handia ravin-don-gozy amin' ity efitra ity ;
koa ampingara-bolamena : onjonina, manoro ny lanitra ;
aondrika, forehitra ny tany ;
velona, hitari-drano ;
am-pananihana, hananikany an-kafatrarana.
Hatorokoanareo, hoy Ilehimijila, Ida-malahy ;
endrehiny ny tany, soany ny fanjakana, ;
raha mitifitra ny haolo, mamahana ny tafika ;
raha mito-raka ny lambo, mamelona ny toby.
Izaza mena be-kilema maro-handra no miteny izao ;
fa tsy hala ;
Izaza manjaka anivony ny rano-mamy amin' ity nosy ity ;
laolaony ny maro ;
tabihany ny tany ;
Idamalahy no ataoko izao, hoy Ilehimijila.
|