|
|
|
|

Entrée1  Kintana mamony
Mots élémentaires  2 kintana, 3 mamony
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  7  [CR]
8  Indro indray ianao, ry lanitra,
9  ngalingaly ery fa tony.
10  Satrinay hanentona hanitra
11  'reto kintana mamony!

12  Fa baliaka dia baliaka,
13  mipendrampendrana aok'izany,
14  toa manantsika , sariaka,
15  saingy lavitra ny tany.

16  Ireo e ny voninkazo
17  nofinay ka ho azo,
18  fa dia eny no andrandraina !

19  tsy hanintsana doria!
20  Moa ny masonay tia,
21  raha hahirina hangaina ?

Mis à jour le 2025/11/13