| Entrée | 1 Kintana mamony |
| Mots élémentaires | 2 kintana, 3 mamony |
| Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
| Auteur |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Texte complet |
7 [CR] 8 Indro indray ianao, ry lanitra, 9 ngalingaly ery fa tony. 10 Satrinay hanentona hanitra 11 'reto kintana mamony! 12 Fa baliaka dia baliaka, 13 mipendrampendrana aok'izany, 14 toa manantsika , sariaka, 15 saingy lavitra ny tany. 16 Ireo e ny voninkazo 17 nofinay ka ho azo, 18 fa dia eny no andrandraina ! 19 tsy hanintsana doria! 20 Moa ny masonay tia, 21 raha hahirina hangaina ? |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|