|
|
|
|

Entrée1  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Mots élémentaires  2 Razakandraina
Partie du discours  3  nom propre (anthroponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  4 Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox [3.1]
5 Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra.
6 Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany.
7 Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It.
8 Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany.
9 Sekoly maro no nianaran'i Dox:
10 sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault.
11 Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ).
12 Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky:
13 Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960).
14 Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky:
15 Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia:
16 Le Cid, Horace ary Andromaque.
17 Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana.
18 Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox:
19 fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana.
20 Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa:
21 tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko. [2.313]
Explications en français  22 Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913.
23 Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe,
24 puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire,
25 étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible,
26 de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement
27 le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers--
28 DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox".
29 Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par
30 correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé
31 -- dans des poèmes:
32 Ny Hirako (1940),
33 Izy Mirahavavy (1946),
34 hiravaRakimalala (1945),
35 Iarivo (1956),
36 Voninkazon' ny tanteraka (1956),
37 Ny fitiavany (1957),
38 Apokalipsy (1957),
39 Izy mirahalahy (1958),
40 Fahatsiarovan-tena (1958);
41 -- dans ses pièces historiques:
42 Amina Batsola (1958),
43 Mavo handray fanjakana (1958),
44 Ny Ombalahibemaso,
45 Ombalahy savika ombalahy;
46 -- ou inspirées de la Bible:
47 Solemita (1949),
48 Estera (1958);
49 -- ou traduites du français:
50 Le Cid (1961),
51 Horace (1962),
52 Andromaque (1964) [1.11]
Vocabulaire  53  Histoire: personnages 54  Littérature: auteurs
Ouvrages littéraires  55  Ali-mainty mamanala
56  Antsam-pitiavana
57  Asa izany
58  Farany
59  Feo mahery
60  Indro
61  Kintana mamony
62  Madagasikara
63  Ny Ombalahibemaso
64  Ny Varavarankelinao
65  Paiso
66  Tafatoetra
67  Teo amin' ny valsa
68  Tsikitsikinao
69  Tsy hodinganina ny maty
70  1940 Ny hirako
71  1948 Hira va?
72  1949 Solemita
73  1956 Iarivo
74  1956 Voninkazon' ny tanteraka
75  1957 Apokalipsy
76  1957 Ny Fitiavany
77  1958 Estera
78  1958 Fahatsiarovan-tena
79  1958 Izy mirahalahy
80  1958 Mavo handray fanjakana
81  1958 Ombalahy savika ombalahy
Illustrations 

Mis à jour le 2025/11/13