Entrée Lainga fotoana
Partie du discours   nom propre (titre de poème)
Auteur   Rajonah, 1910/06/03
Vocabulaire  
Tableaux et planches   Tous les titres
Extraits   - Hono, ray anjavidy an-tendrombohitra, ray vato am-pitsinjo-vana, ny masoandro ve no nihirina sa ny aloka no nihemotra, no dia nasaina avy aho ka nolaingaina, nilazam-potoana ka nofitahina? Tsy ny masoandro, hono, no nihirina, tsy ny aloka no nihemotra, fa kamo fanahy tsy hihaona izy ka nivily lalana mbamin'ny tenany!

- Lakan-jila ve iny no mihilangilana toa handrendrika, sa voara masaka omaly ka miandry tohina hiraraka? Mba lazalazao azy manadidy, fa ny fitia, hono e, tsy apetraka an-kely ambaitra, tsy atombina a-mora tohina; be ny sampona be ny tambàna, ka io izay kely nahatontosa ataovy tami-drano an-tsiny vao ka tsy amoizana ny be ao anaty fo.


Mis à jour le 2016/08/25