|
|
|
|

Entrée (1/2)1  maka vavan' olona
Mots élémentaires  2 maka, 3 vava, 4 olona
Partie du discours  5  locution
Explications en malgache  6 mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana) [1.1]

Entrée (2/2)7  Maka vavan' olona
Mots élémentaires  8 maka, 9 vava, 10 olona
Partie du discours  11  nom propre (titre d'histoire courte)
Vocabulaire  12  Littérature: histoire courte
Auteur 
13 Tselatra
Texte  14  - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina.Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l.Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany;miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita.Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina;vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.

15  - Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany;renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy.Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany.Ka mbàmihevitra, mbàmitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.


Anagrammes  Maka vavan' olona, maka vavan' olona

Mis à jour le 2025/11/21