| Explications en malgache |
4 Manolotra zavatra ho an' olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an' ny vahiny.
5 Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-baravarana eo fotsiny.
6 Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao.
7 Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny.
8 Lasa aloha fa tsy amin' ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika.
9 Lasa nihoatra nankany amin' ny...; mitsopaka, manaoangady be lela: Mandroso lavitra dia tavitra anatin' ny ranomasina ny morontsiraka amin' itý toerana itý ~ Mandroso be loatra amin' ny taniko izany asanao izany.
10 Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso voninahitra intsony ilay manamboninahitra.
[1.1]
|