|
|
|
|

Entrée1  mpampiankin-teny
Mots élémentaires  2 mpampiankina, 3 teny
Partie du discours  4  locution
Explications en malgache  5 Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra:
6 mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy,
7 miresaka momba ny fambolena izy mianaka.
8 Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina.
9 Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba,
10 na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina:
11 -- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany:
12 amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika:
13 amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~
14 ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy
...
15 -- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany:
16 araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra,
17 lavitra, noho, afa-tsy, toy:
18 arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~
19 mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana
...
20 -- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy
21 irerỳ voalohany raha milaza toerana:
22 tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly,
23 ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra:
24 tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~
25 akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io).
26 (Ny sokajin-teny miisa 11 amin' ny teny malagasy) [1.1]
Explications en anglais  27 preposition [3.1]
Explications en français  28 préposition [3.1]
Autres orthographes  29 mpampiankina
Tableaux et planches  30  Toutes les prépositions

Mis à jour le 2025/11/17