Entrée mpanjono (jono)
Partie du discours nom
Explications en malgache Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano [1.1]
Explications en anglais A fisherman (with hook and line) [1.7]
Explications en français Pêcheurà la ligne [1.8]
Exemples 
1Mpanjono sy mpihaza trozona ny ankamaroan' ny lehilahy fa ny zaza amim-behivavy ihany no matetika miantoka ny fambolena. [2.508]
2Mitondra mpanjono ve izy ireny? [2.442]
3Aleoko ihany lahy mpanjono mitoetra lalandava eo akaikiko, hoy Ikemba, sady nidongy kely izy. [2.499]
Titres Mpanjono (Rajaobelison Samuël)
Proverbes 

Entrée Mpanjono
Mots élémentaires mpanjono
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Rajaobelison Samuël
Texte 
Ery amoron-kelodrano.
io tazano ilay mpanjono.
Fintan-telo indray mamahatra
no milahatra
anoloany.
Elo manga miofon'andro
ambony loha;
alokaloka mandeha
zary loko manaratsy
iretsy rahavavy anila:
maitso, vony, mena, fotsy,
eny ho eny mampihaingo.
Haron-kely mihorom-bava,
feno vatsy,
sy tavoahangin-dranovola,
mifanondana etsy ivoho.

Hendratra izy ka nisintona,
nefa indrisy! efa lany izany jono!
Dia hirintona
hiala? Sanatria,
Miempo ho'aho ny tambaviny,
ka tsy an-kiato
ny fifiokan' ireo tady
feno kankana farango.
Injany mamango.
Dia mampakatra; nefa trondro sarim-pirina
no indry mipelapelaka
toa pitipiti-bolafotsy.
Kely loatra, hatao ahoana?
'Ndao hatsipy mba hiverina.

Kilalao mamono andro,
ontam-po mampihomehy,
piti-drano an-tarehy!
Kanto, hono!
Raha izaho no tsy mahazo
dia hariako mbamim-pintana.
Saingy izy hafa loatra!
Trondro, trondro, trondro ihany
no tsy afaka ao an-tsainy.

Dia manainga vao maraina,
velon-tsioka, velom-bolo,
hanadino ilay tontolo
sy korontany tsy lany.
Hiresaka
amim-boahary sy ny lokony;
hikirozaroza tongotra
ery amoron-kelodrano.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/09/08