|
|
|
|

Entrée1  Mpiandry omby
Mots élémentaires  2 mpiandry, 3 omby
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Andriarimalala René
Texte complet  7 
8  Injany re tsitapitapy
9  Any an-tendrombohitra any
10  Ny firefotry ny japy.

11  Rivorivo be mifioka !
12  Izay nandraraka an'izany?
13  Tovolahy mampiady sioka.

14  Mpiandry omby maro andiany
15  Mihosy ahitra efa hoto
16  Fa avy ny hariva hodiany.

17  Sady milalao no miasa,
18  Misakana omby tsy hifanoto;
19  Fa nivadika ny rasa…

20  Ka manenjana salaka
21  Ny vantobanto-jazalahy
22  Manao tolona sy daka.

23  Manatanja-tena izy
24  Ho mahery toa ombalahy
25  Fa efa maika tsy ho ankizy!

Mis à jour le 2025/11/17