Entrée | 1 Ny herin' ny Fahatsiarovana |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 hery, fahatsiarovana |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rajemisa-Raolison Régis |
Texte complet |
6 Indrisy! nahoana, hono, lahy! 7 Matetika raha eto an-tany, 8 Tsy mety ny fo sy fanahy 9 Fa miherika ny andro efa lany, 10 Ka zavatra sendra voatsiahy, 11 Miserana fotsiny ihany, 12 Miteraka sento tsy nahy, 13 Indraika aza mampitomany? 14 Indrisy! nahoana, hono, mantsy 15 Ny andro mihelina itony, 16 Mitondra ny soa sy ny ratsy, 17 Tsy lasa dia tsy hita intsony 18 Fa mbola mazàna mihantsy 19 Ny olona hitondra lonjony, 20 Mametaka tombokavatsy 21 Tsy maty ao anatin' ny fony? 22 Indrisy! nahoana, hono, manko 23 Ny omaly tsy lasa dia miery, 24 Fa mbola mimpody malako 25 Toa maso mangala-pijery, 26 Toa feo averin' ny ako, 27 Miverina tsy misy very 28 Ka lasa vao manakotsako 29 Toa embona entina irery? 30 Indrisy! nahoana? - Satria, 31 Satria ny olon-drehetra 32 Natao ho faly doria, 33 Kanefa natao misy fetra: 34 Ny fony natao te-ho tia 35 Kanefa arahin' ny tsetra; 36 Ny Omaly sy Anio miara-dia, 37 Ny Omaly no mahery setra! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |