|
|
|
|

Entrée1  Ny Tanindrazako
Mots élémentaires  2 tany, 3 razana
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur 
Editions  1907/02/22.
Texte complet  7 
8  Mba mamiko toy ny tantely
9  Izay tanindrazako izay,
10  Fa toa fonenan’anjely
11  Tsaroako mandrakizay
12  Mba reko fa misy ny tany
13  ‘zay tsara dia tsara tokoa
14  ny ahy tsy latsak’izany
15  fa tany mba be zava-tsoa.

16  Ny rivotra izay mba mitsoka,
17  Mampody ny aiko tokoa
18  Ny volana tsy mba misoka,
19  Iriko ho endriny koa.

20  Ny vorona raha mihira,
21  Manaitra ny saina sy fo
22  Ny hazony miantso : “midira”
23  Fa eto no mahafa-po.

24  Ny taolan’Idada malala,
25  Mitana ny aiko ho ao,
26  Ny saiko dia toy ny adala,
27  Tsy miala fa ao aminao.

28  Mitana hiorina mafy
29  Ny tenan’Ineny tsy foy,
30  Aleoko ho olo-mihafy
31  Fa izy tsy azo nafoy
32  Fonenan’ny olo-malala,
33  Fonenan-tsy tiana ho lao,
34  Ny tiana tsy manan-tsahala
35  Tsy hita tsy ao aminao.

36  Ny kintana tena mazava
37  Mazava malefaka koa
38  Ny volana no mampisava
39  Ny aizina tsy mahasoa.

40  Ry tany malalako loatra,
41  Ny foko dia manina anao,
42  Na lavitra aza hihoatra,
43  Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

44  Misento mahalana ihany
45  Ny foko raha lavitra anao
46  Ny hehiko zary tomany,
47  Ny tsiky tsy azo natao.

Mis à jour le 2025/11/17